Ny Fikorontanan'ny Nasionalisma Rosiana

Tanatin'ny folo taona voalohany taorian'ny kaominisma, Rosia dia niady ny hankalazana ny iray amin'ireo fety lehibe an'ny Firaisambe Sovietika: Ny Andron'ny Tolom-piavotana Oktobra [ru] (ankalazaina ny 07 Novambra). Taorian'ny taona maro nifandimbiasana anarana hafa maro karazana ho an'ilay fankalazana, tamin'ny 2005 ny Kremlin dia namerina nametraka ny 04 Novambra ho Andron'ny Firaisankina hanoloana ilay olan'ny jobily kaominista. Maro ireo nanakiana ny Governemanta tamin'ny famerenany nampidirana fety hafa indray karazam-pamantarana fotsiny izay vitsy ireo Rosiana ankehitriny no mankasitraka izany.

Tamin'ity taona ity, nanandratra avo ny anarany ny Andron'ny Firaisankina, saingy tamin'ny fomba tsy nampoizina. Tao anatin'ny tanàna 46 manerana an'i Rosia [ru], isany i Mosko, olona teo amin'ny 3 alina teo no nandray anjara tamin'ireo famoriam-bahoaka nataon'ny farany havanana. Na dia ampahany faran'izay kely dia kely amin'ny totalin'isan'ny mponina aza izany, ny Andron'ny Firaisankina nataon'ny vondron'ny farany havanana dia nahasintona mpanohana maro nanerana an'i Rosia. Nampitolagaga ny faritra rakotry ny fihetsiketsehana ; nahambango an'i Rosia avy any andrefana ka hatrany atsinanana izy ireo, nisedra toetr'andro sy vahoaka be. Ireo mpikarakara ny hetsika dia nanamafy fa naharakotra tanàna efa ho 70 ny filaharana, nanintona olona efa ho 5 arivo sy 1 alina tao Mosko fotsiny.

Zazalahy anaty filaharana nasionalisita, Mosko, 04 Novambra 2012, sary avy @ RiMarkin, CC 2.0.

sofia_vb_88, mpampiasa ny LiveJournal dia nifaka fa ireo mpomba ny elatra farany havanana ao Rosia dia nitombo tsy tamin'ny isa fotsiny ihany fa tamin'ny fahasahiana ihany koa. Tanteraka ihany ny filaharana tamin'ity taona ity na teo aza ny fandrahonan'ireo mpitondra fanjakana hanafoana izany. Izao mantsy, maro tamin'ireo mpanao hetsika no nosamborin’ [ru]ny mpitandro filaminana tany ivelan'ny fonenany tany Pyatigorsk, raha mbola tsy nanomboka akory ny hetsika Andron'ny Firaisankina tao amin'io tanàna io. Ny notohizan'ilya hetsika hahasintona mpanjohy hatrany na teo aza ny tery vay manta nataon'ireo mpitandro filaminana dia sahala amin'ny azo hakàna an-tsaina ny fisianà tambajotra midadasika be afaka manatevina ny laharany raha toa ka misy fikendrena fisamborana.

Ireo mpikatroka mafàna fo avy amin'ny elatra farany havanana koa dia nanomboka pejy [ru] iray ao anaty LJ, ka ao no hanangonan'ireo mpikarakara am-pahamalinana ireo lahatsoratra miombon-kevitra amin'ilay hetsika. Tena manintona tokoa ny kalitaon'ilay lahatsoratra raha ho fanentanana ny eny ifotony, hoy ny hevitr'ity mpanoratra ity, ary manolotra vokatra mitovy amin'ny gazetin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo.

Ny toetra anankiray anisan'ny mahavalalanina amin'ireto ‘extremiste’ Rosiana nasionalista ireto dia ny fandalàny fatratra ny famantarana sy fomba Nazi. Rehefa resin'i URSS i Alemana Fasista, dia fiaraha-mientana tsy tsara rindra nisy karazana foko samihafa no nampakatra ny Tafita Mena ho amin'ny fandresena. Nahoana no misy olona te-hanome lanja ny Ady lehibe Fitiavan-tanindrazana ho toy ny an-dry zareo Rosiana irery ihany, ary maninona no amin'ny alàlan'ny fanofahofàna ny saim'ny fahavalo no anaovana izany?

Ilay ankolafy tenany aza dia mampiseho fisavoritaana goavana mikasika izay mampiray ireo mpikambana ao aminy. Ireo saripika [ru] avy any amin'ilay filaharna diahitàna sary famantarana nalaina avy amin'ireo Fasista, Tsarista, ary koa Seltika. Izany amin'iny, ny mpitarika ny filaharana dia manolotra hevitra mafonja tsotra dia tsotra: “Rosia ho an'i Rosiana”; fomba fijery izay nankatoavin'ireo mpiserasera maro. Maro ihany koa anefa no miahiahy mikasika ireo olona Nasionalisita mankamamy fatratra ny hanatanterahana izany teny faneva izany. Indrindra, fa mampahatahotra ireo fitaovana sy fomba fanaon'ny elatra havanana.

Tsy mba tara koa ireo mpibilaogy an-tsary nandrakotra ireo filaharan'ny Andron'ny Firaisankina. Ny mpamaky dia afaka mahita ireo tatitra avy amin'ny mikle1, politrash-ru, zyalt, ary viktorlevanov (raha tsy anonona afa-tsy vitsivitsy). Maneho hevitra i Mikle1 hoe:

Вот посмотришь на лица этих людей, послушаешь их лозунги, и понимаешь – это не борцы за Русский Мир. И не защитники русских и России. Это люди или психически неадекватные, или донельзя малограмотные, или желающие под красивыми лозунгами бить, резать, стрелять. […] Они не едут на Кавказ добровольцами, не записываются в контрактники. Они выходят на улицы русских городов с призывами гнать своего соседа-инородца. Или не инородца – просто рожей не вышел или фамилия неправильная.

Jereo ny tarehin'ireo olona ireo, henoy ny teny fanevany, ary dia ho fantatrao fa olona tsy hijiro ho mpiaro ny Tontolo Rosiana ireo. Ary tsy misy miaro ny Rosiana na Rosia ry zareo. Ireo olona ireo dia, na misy fahavoazana ara-tsaina, na tsy ampy saina/fahalalàna tsotra zao, na olona [fotsiny] te-hikapoka, hanapaka, ary hitifitr'[olona] amin'ny feon'ny faneva tsara rindra. […] Tsy hilatsaka an-tsitrapo [hanompo tanindrazana] any Kaokazy, ary tsy hirotsaka an-tsitrapo hanao miaramila. Mivoaka eny an-dalambe izy ireo, miezaka mandroaka ireo mpifanolo-bodirindrina tsy teratany Rosiana. Na [indraindray] tsy hoe akory tsy teratany Rosiana fa rehefa hafahafa ny fijery azy na manana anaram-pianakaviana tsy dia fantatra izy ireo.

Nandrakitra lahatsary tamin'ny fomba miafina, ilay bilaogera viktorlevanov dia tena naneso mihitsy tamin'ny fanehoan-kevitra nataony:

 

Когда попал вчера на Русский Марш, подумал, что на Хэллоуин пришел – столько колоритных персонажей и все в масках.

Raha sendra ilay filaharana Rosiana aho omaly, dia toy ny tonga tanaty Fetin'ny Mpamosavy — toa feno karazan'olona milokoloko, misaron-tava avokoa izy rehetra.

Ao anaty filaharana nasionalista, Mosko, 04 Novambra 2012, sary  avy @ RiMarkin, CC 2.0.

Levanov nananihany nanohy fa ireo mpanao fihetsiketsehana dia niaro tena amin'ny fihanaky ny aretina gripa, nanazava misimisy kokoa an'izany ireo  mpanao hetsi-panoherana mitondra aro-tava fampiasa eny amin'ny toera-pitsaboana mba hanafenana ny endriny sy hilazana rivotra iainana feno loza.

Ny Mpibilaogy avmalgin nanontany ny fahafaha-manaon'ireo nasionalista ‘ extremistes’ Rosiana, nanamarika fa  ireo vondrom-piarahamonina mandroso kokoa any Eoropa dia miady amin'ny  ‘olan'ny silamo’ an-dry zareo manokana, toa tsy mbola ahitam-bahaolana hatramin'izao:

В Европе умные люди не могут сдержать исламизацию, а в Москве идиоты – смогут?

Ireo olona marani-tsaina any Eoropa aza tsy mahafehy ny toe-tsaina silamo [islamizasiona], maika fa ireto kely loha ao Mosko ve no hahavita?

Tao anaty fanehoan-kevitra tamin'ny lahatsoratry ny Malgin, ilay mpibilaogy tsy teratany Rosiana tovbot namariparitra ny zava-niainany amin'ny maha-mpikambana azy tao anatinà foko vitsy anisa iray tany URSS:

 Я учился в советской школе в национальной республике и знаете – у нас даже не было урока родного языка, мы учили только русский язык и литературу. Мы не учили историю своего народа, мы учили историю России и русского народа.

Nianatra tany amin'ny sekoly Sovietika aho tamin'ny Repoblika nasionaly URSS, ary, mba fantatrao moa, tsy mba nisy na dia iray aza taranja nianarana tamin'ny tenin-dreninay — Ny teny Rosiana tokana sy ny literatiora Rosiana no nampianarina anay. Tsy mba nianatra ny tantaran'ny mponina avy any aminay izahay — Ny nianaranay dia ny tantaran'i Rosia sy ny vahoaka Rosiana.

Tanatin'ny andran'izy ireo hampiray ireo mpomba azy ireo manodidina ny hevitra fahambonian'ny Rosiana, ireo mpitariky ny fikambanana nasionalista dia toy ny efa vonona ny hiverina lalindalina kokoa amin'ny lasany ka haka ny tena fomba fijery Sovietika ny tantara, amin'ny famotsiana ireo rakitahiry mifanjevozevon'ny fahombiazana sy ny fihemorana karazam-poko isan-karazany mba hahafahana mametraka tantaran'ny lasa sady mora no tsotra. Kanefa eo indrindra ny ‘olana lehiben'ny nasionalista: toy ireo karazana vondron'olona maro hafa miray saina hanao ao anaty fiaraha-monina Rosiana, tsy vitan'izy ireo ny mampifandray ny lovam-pirenena sovietika sy ny tao aorian'ny kaominista amin'izao fotoana izao. Ny tsy fitovian-kevitra mikasika ny mari-pamantarana nasionalista dia iray monja amin'ireo karazana fambaran'aretina izay mbola manahiran-tsaina an'i Rosia. Mialoha ny haha-loza mitatao ara-politika ny hetsika sosialy ho an'ireo sangany mitondra ny  firenena, tsy maintsy manavaka ny tenany hiala amin'io ivon'ny fanontaniana io aloha izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.