Brezila : Mangataka Fivoaran'ny Fanadiovana Ny Mponina Ao Rio

[Mitondra mankany amin'ny teny tranonkala miteny portioge ny rohy rehetra raha tsy misy fanamarihana mifanohitra]

Iray amin'ireo olana fototra izay horesahana mandritra ny hackathon-m-paritra Fampandrosoana an'i Amerika Latina ny 1 sy 2 Desambra 2012 ny fanadiovana. Misy tetikasa iray any Brezila izay azo hakàna aingam-panahy ho fampandrosoana sehatra vaovao.

Ny Tetikasa Saneamentro é Básico [Filàna fototra ny Fahadiovana] dia ao anatin'ny asan'ny Fikambanana tsy mikatsaka tombontsoa “Meu Rio” (Rio-ko), natokana indrindra ho fandraisana anjaran'ireo olom-pirenena amin'ny resaka fahaiza-miaina ampiasàna ny Haitao avo lenta. Araky ny voalazan'io fikambanana io : “Ny antsasaky ny mponina ao Rio de Janiero hatramin'izao dia tsy mbola manana rano sy famoahan-drano maloto”, izay mitontaly eo ho olom-pirenena 3 tapitrasa eo ho eo, izay voatery hisotro rano maloto na hanary ny rano nampiasaina avy hatrany eny amin'ny renirano, na manipy  mivantana ny rano maloto eny anaty farihy na eny amin'ireo renirano sy torapasik'ity Tanàna Mahafinaritra ity”.

Meu Rio dia nandefa fannangonan-tsonia an-tserasera, miaraka amin'ny laharatsary anankiray “Eu quero 100% de #saneamentoparaorio” [Mila fanadiovana 100% ho an'i Rio aho], izay maneho ny olana andavanandro tsy maintsy atrehan'ireo vahoaka ao Rio.

 

Vokatry ny “kôkôty minitra”

Iray amin'ireo vovonan'i Meu Rio, ny Panela de Pressão (Vilany kôkôty minitra) no manome fahafahana hanangana  izay fanentanana fanerem-bahoaka ho azy avy ho an'ny olom-pirenena rehetra na ireo hetsim-piaraha-monina maro isan-karazany, toy ny hazavain'ny habaka aterineto eto :

Tsotra ny fanaovana azy: Asongadino ny olana, asao ireo karazan'olona mitovy tanjona aminao mba hanerena avy hatrany ireo mpanao politika, ireo mpitantana orinasa, ireo mpiasam-panjakana, amin'ny alalan'ny mailaka, Twitter na Facebook.

Tsy mivaona amin'izany ireo fanentanana mikasika ny olana momba ny fahadiovana any Rio de Janeiro. Ny iray amin'ireny dia manindrahindra ny olana momba ny fihoaran'ireo zohindriaka eny amin'ny torapasiky São Conrado. Ilay fanentanana, nataon'ny mpanao fihetsiketsehana Salvemos São Conrado [Andao hovonjena St Conrad] izay manana ny bilaoginy manokana sy ny pejy Facebook  misy mpanjohy maherin'ny 2.500, dia miantehitra amin'ny fanadihadihana mikasika ny kalitaon'ny rano eny amin'ireo torapasik'i Rio, nataon'i INEA (Instituto Estadual do Ambiente) [Ivon-toeram-paritra momba ny Tontolo Iainana]. Fanadihadiana izay milaza hoe:

Ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tontolo Iainana, Carlos Minc no nipoiran'ilay Lalàna laharana 2661/96 tamin'ny 27 desambra 1996, izay manery ny hisian'ny fetra farafahakeliny amin'ny fikarakarana ny rano avy nampiasaina ao an-tokatrano alohan'ny hanariana azy, mba tsy hisy fiantraikany amin'ny fahasalamam-bahoaka sy ny tontolo iainana izany. Ankilan'izay koa anefa, io lalàna io ihany dia manome alàlana  ireo ivon-toerana hihoa-pefy, ka hitampi-maso amin'ny fanaovana zinona ireo mponina carioca sy ny tontolo iainana”.

Na dia teo aza ny fampanantenana nataon'ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tontolo Iainanan'i Rio de Janeiro hanafoana ny fandotoana moron-dranomasina, Salvemos São Conrado mamariparitra ny zava-misy amin'izao fotoana amin'ny fomna iray mampieritreritra :

Campanha "Salvemos São Conrado"

Fanentanana “Salvemos São Conrado”

Feno lelamainty manemitra ny tora-pasitsika mandritra ny fotoanan'ny orana, fa ny tena mahasosotra indrindra, dia ny fanariana ankitsirano be zao ny rano avy nampiasaina tao Favela  ao Rocinha (…) hatramin'ny fony fitondran'ny Governora Garotinho. (…) Tamin'izany fotoana zany koa no nanamboarana ilay fotodrafitrasa hikarakarana ny rano  avy nampiasaina alohan'ny hanariana azy any amin'ny moron-dranomasina, nefa Rio Aguas, tomponandraikitr'ilay toby, tsy manao ny asany ka mamarina ny rano avy nampiasaina eny rehetra eny.”

 

Noho i Panela de Pressão, dia hafatra mivantana 141 no efa lasa, izay nanery “ny fahafahana hanangana vinavinana atrikasa teknika feno anankiray ho fanadiovana ny moron-dranomasin'i São Conrado, ary [hiantohana ny hoe] hanomboka izao dia izao ny asa”. Izany hafatra izany dia nalefa any amin'ireto tompon'andraikitra ireto: Wagner Victer, Filohan'ny CEDAE (Companhia Estadual de Águas e Esgotos) [Kompaniam-panjakanan'i Rio de Janeiro momba ny rano sy ny rano matolo], Carlos Alberto Muniz, Lefitra Monisipaly mikarakara ny tontolo iainana, i Carlos Minc, Sekreteram-panjakana misahana ny Tontolo Iainana ao Rio de Janeiro, ary i Rio Aguas, Fundação Instituto das Águas do Município do Rio de Janeiro [“Fondation”  Ivon-toerana momba ny ranon'ny tananan'i Rio de Janeiro].

Ilay Mpanao gazety Guilherme Ramalho dia mitatitra amintsika toe-java-mitranga iray sahala amin'izany ihany koa mikasika ny loton'ny Hoalan'i Guanabara.

Campanha "Poluição na Baía de Guanabara, nunca mais!" na Panela de Pressão

Fanentanana “Loton'ny Hoalan'i Guanabar, tsy hisy intsony!” ao amin'ny tranonkalan'i Panela de Pressão

Ny Fandaharan'Asa Fanadiovana ny Hoalan'i Guanabara (PDBG) dia nosokafana nandritra ny Eco+92. Nanomboka ny taona 1994 ny asa, nefa tsy nety vita hatramin'ny farany ilay tetikasa. Tanatin'ny 20 taona, dia efa nifindrafindra tam-pelatanananà governera 6 ny fanadiovana ny Hoalan'i Guanabara ary nandaniana hatramin'ny 1,5 lavitrisa Reais. Mitohy hatrany ny famarinana ireo rano maloto ao amin'ny Hoala izay tsy misy fikarakarana mihitsy.

Amin'izao fotoana izao ilay tetikasa vaovao PSAM, Fandaharan'asa Fanadiovana ny tontolo iainan’ ireo tanana manamorona ny Hoalan'i Guanabara (Programa de Saneamento Ambiental dos Municípios do Entorno da Baía de Guanabara) dia maminavina teti-bola eo amin'ny 1,13 lavitrisa Reais ho fanatanterahana ireo atrikasa fikarakarana ny rano avy nampiasana tao an-tokatrano ary ho amin'ny tetikasa fanadiovana an'ireo tanàna miisa 15 manamorona ny Hoala.

Mitady indrindra izay hiantohana ny fametrahana ireny vahaolana napetraka ireny hitondra “fanadiovana haharitra mihaotra ny 20 taona”, ary ho tontosa any amin'ny taona 2016, taonan'ireo Lalao Olampika any Rio, ilay fanentanana dia manery an'i Carlos Minc, Sekreteram-panjakana misahana ny Tontolo Iainan'i Rio de Janeiro, izay naharay dika 99 amin'ity hafatra manaraka ity tao amin'ny baotiny:

Mirary indrindra izahay fa hamoaka ny tetiandro hanaovana ny asa sy ireo enti-manana ilain'ny Fandaharan'Asa PSAM mandritry ny taona ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tontolo Iainana, mba hahafahan'ny mponina, ny Anjerimanontolo ary ny Tontolon'ny fanaovan-gazety manara-maso sy miantoka ny fahombiazan'ity fanadiovana ity.

Campanha "Não queremos aumento da tarifa da água!" criada por Nalva Pinheiro, moradora do Colégio

Fanentanana “Tsy ilainay ny fampiakarana ny vidin-drano!” nataon'i Nalva Pinheiro, mponina ao amin'ny faritr'i Colégio.

Na dia tsy nahatratra ny tanjona voalohany nokendreny aza, dia nanintona ny tontolon'ny fanaovan-gazety ny fanentanana anankiray izay vao avy nifarana indrindra. Izy io dia miampanga ao anaty lahatsary anankiray andian'olana  mikasika  ireo asa ataon'ny CEDEA, ary mitaky ny hanafoanana ny fiakaram-bidin'ny rano ho 10 hatramin'ny 14%, “raha mbola tsy voavaha ny olana”:

Tena fanararaotana ny mandoa lafo isan'andro, nefa mihena hatrany ny kalitaon'ny tolotra. Diso ny lazam-bidy, tapahan-dry zareo tsy misy fampilazana ny rano, matetika dia maloto ny rano, ary sarotra ny miresaka amin'izy ireo an-tariby amin'ny fitadiavam-bahaolana. Isaky ny manandrana izahay dia tsy mba voakarakara tsara akory. Tsy resahana intsony ireo olona zay nahazo lazam-bidy nefa ny rano aza tsy tonga akory ao antokatranony, nefa dia tsy maintsy aloha izany mba tsy ho tafiditra anisan'ireo ao anaty lisitra mainty”.

Ny tena marina dia hafatra 2.200 no nalefa tany amin'i Ouvidoria sy ny Filohan'ny CEDAE, nefa, araka ny lahatsoratra fangatahana eo ambony io, dia namaly izy ireo fa “Tsy hiverina amin'ny resaka fisondrotam-bidy intsony izy satria efa nisy didim-panjakana anankiray voasonia 12 taona lasa izay ka nanome alalana ny CEDAE hanondrotra ny vidin-drano izay tsy mandalo fanaraha-mason'ireo masoivoho miantoka ny kalitaon'ny tolotra sy ny filàna manitsy ny vidy “.

Ny fangatahana nataon'i Meu Rio dia mitanisa ny fanentananà nataon'olom-pirenena carioca vavy anankiray. Io fanentanana io dia mitodika manokana amin'ny Governoram-panjakanan'i Rio de Janeiro, Sérgio Cabral, ary mitaky  ny hanafoanana ny didim-panjakana 25.997/200 [pdf] izay nanolotra ny fahefana ho an'ny Filohan'ny CEDAE izay heverin'ny fikambanana ho feno fanararaotana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.