Naneho Hevitra Momba Ny Fahalanian'i Barack Obama Ho Filoham-pirenena Amerikana Indray i India

Niteraka hafaliana sy fanehoan-kevitra tao India ny valim-pifidianana filoham-pirenena Amerikana. Teo anivon'ny governemanta, niarahaba ny filoham-pirenena Amerikana Barack ny Praiminisitra Manmohan Singh ary toy izany ihany koa i Sonia Gandhi, filohan'ny Antoko Kongresy Nasionaly Indiana. Saingy manao ahoana kosa ary ny fihetseham-pon'ireo mponina ao India – inona no mba nolazainy?

Shibayan Raha ao amin'ny tanora Ki Awaaz, tranonkala Indiana lehibe natokana ho an'ny tanora, nilaza tamin'ny taratsy misokatra ho an'ny filoha Obama toy izao:

Satria miomankomana haka ny toeranao ao amin'ny Lapam-panjakana Trano fotsy ianao, manana ireto toro-hevitra manaraka ireto aho izay inoako fa raha ekena, dia hisandratra ambony dia ambony i Etazonia eo amin'izao tontolo an-dalampandrosoana izao.

Indians in Mumbai celebrate

Indiana tao Mumbai  Nankalaza ny fandresen'i Obama. Sary: Gayatri Agnew. Nahazoan-dalana.

Zavatra dimy no natolotr'i Raha:

1. Ataovy laharana voalohany amin'ny fandaharan'asa politika ivelany i Tibet

2. Atsaharo ny fanafihana an'habakabaka

3. Afaho i Bradley Manning

4. Aza avela hanapoaka baomba ao Iran i Isiraely

5. Akatony ny fonjan'i Guantanamo


Nanasongadina ny fanehoan-kevitry ny governemanta tamin'ny fahalanian'i Obama ho filoham-pirenena ny India Ink, ary nitanisa ny fanehoan-kevitr'i Dalai Lama ihany koa izay mikendry hampatsiahy ny filoha Obama ny maha-zava-dehibe ny fijerena akaiky ny “fahantrana, ny tsy rariny sy ny fakàna ny fanànan'ireo olona aminà miliara,” araka ny taratasy fiarahabana nosoratany ho an'ny filoha Obama. Nisaotra ny filoha ihany koa i Dalai Lama noho ny “herim-po lehibe ananany” sy ny fanohanany amin'ny “fitadiavam-bahaolana milamina manoloana ny olana ao Tibet.”

Taminà fanehoan-kevitra tsy manao matotra be, Delhi Walla nanontany hoe:

“Hanao ahoana raha toa ka mpifanolo-bodirindrina na mari-toerana ao Delhi i Barack Obama? Mety hanao ahoana izy?”

Isan-karazany ny hevitra avy any Gurgaon sy Connought, any na-tsena Khan sy Nizamuddin. Siddhartha Basu, mpandrindra fandaharana ao amin'ny fahitalavitra nilaza ity lahatsoratra eto ambany ity:

“Barack Obama mety hoe Ivom-Ponenana India [India Habitat Centre]. Izy, tahaka ny IHC, no bandy vaovao amin'ny tanàna [new kid on the block, mpihira?], tsy mitovy amin'ny efa mahazatra Ivontoerana Iraisampirenena Indiana

Indiana ao Mumbai Mankalaza ny Fandresen'i Obama. Sary: Gayatri Agnew. Nahazoan-dalana.

Infoqueenbee nilaza hoe: Ny fanantenana dia hitohy ny fifandraisana misy ankehitriny eo amin'i India sy i Etazonia, ny “Fanitarana ny varotra, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-miaramila, ny tsy fitsabahana amin'ny Ady Indo-Pakistana momba an'i Cachemire sy ny fifandirana eo amin'ny sehatry ny fifandraisan-davitra (TI) ary ny fanerena ny orinasam-pifandraisan-davitra (TI) handray mpiasa avy any Etazonia.

Niarahaba an'i Obama ihany koa ny Indiana am-pielezana, nilaza fa nahavonjy ny fitantanany ary mahasoa ho an'ny fiarahamonina sy i India ny fandreseny.

Tao amin'ny twitter, fanehoan-kevitra vitsivitsy tsara marihina:

@vdehejia (Vivek Dehejia): “Hoy ny ankamaroan'ireo indostria mpiantoka (sous-traitance) hoe… kabary tsara lahatra fotsiny ny maro tamin'ireo tsikera an'i Obama momba ny famindran'asa any ivelany nandritra ny fampielezan-kevitra …”. Enga anie!

@dhume01 (Sadanand Dhume): FT- Ao India, samy manoaka. [Kely ny manasaraka ny politikan’ i Obama & Romney momba an'i New Delhi.]

‏@ShivAroor (Shiv Aroor): Nalaza tao India i Mitt Romney, fa i Obama kosa tsia. Porofon'ny fitiavantsika mpisera Twitter Indiana ny olona resy.

‏@jonathanshainin (Jonathan Shainin): Fanontaniana mamaivay tao amin'ny fahitalavitra androany alina: Mahasoa an'i India ve i Obama sy Romney? Fanairana: tsia ny valiny.

Amin'ny efa-taona manaraka, ho hitantsika eo hoe inona no tena ijoroan'i India sy ny filoha Barack Obama.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.