Aostralia: Ny Tenintsika Momba an'i India, Demokrasia Lehibe Indrindra Eran-tany

Hoavy manao ahoana ny an'i India, izay tsy demokrasia lehibe indrindra eran-tany ihany fa hanana mponina betsaka ihany koa atsy ho atsy?

Afaka mandray anjara amin'ny adihevitra momba ny Demokrasia lehibe indrindra eran-tany ao amin'ny tambajotra sosialy ao Aostralia, OurSay, ianao.

Io no fisantaran'andraikitra nivoaka farany amin'ny demokrasia fampandraisana anjara an-tserasera:

Manazava ny fomba fiasan'ny OurSay.org ity horonantsary ity:

Amin'izany indrindra, hitohy hatramin'ny 29 Novambra 2012 ny adi-hevitra mikasika ny Démokrasia Lehibe indrindra eran-tany.

Misy fanontaniana 34 ananana 3 herinandro iresahana azy. Tena mahavita lohahevitra tokoa ny fanontaniana voalohany nalefan'i Glen Clark:

Raha vao avy nitsidika an'i India ny Praiministra Julia Gillard , mba hifanaraka mikasika ny fanondranana Oraniôma, na ny Mpanara-maso-Jeneralin'i India aza nampitandrina amin'ny Indostria nokleary “tena mampidi-doza, tsy voalamina” tsy misy fanaraha-maso. Maro ireo Aostraliana no tsy te-hahita fa anisan'ny tompon'antoka amin'izay sanatria mety ho voina ara-nokleary mety mahafaty olona an'arivony sy famindrana olona an-tapitrisany amin'ny firenena be olona indrindra faharoa eran-tany. Tsy tsaratsara kokoa ve raha avela any ambany tany any ny oraniôma aostraliana, dia manampy an'i India amin'ny fanapariahana ny angovo azo havaozina mba hamahana ny filany ara-angovo?

Glen no mpandresy teo aloha fony OurSay niara-niasa tamin'ny fandaharana Q&A ao amin'ny fahitalavitra ABC taorian'ny teti-bola federaly 2011.

Fa ny [fanontaniana] malaza indrindra amin'izao aloha dia avy amin'i Jan Stewart mahazo vato miisa 219 sy fanehoan-kevitra 4:

Inona no fepetra tena mahery vaika azon'ny vehivavy indiana raisina ho tombontsoan'i India?

Jan moa dia sady mpampiantrano no mpitantan-draharaha ao amin'ny Hub Melbourne, “mpikambana ao amin'ny vondron'asa misy mba hitarika fanavaozana amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa”. Nanontany voalohany tamin'i Julia Gillard tamin'ny Google+ Hangout -n'ny praiminisitra tamin'ny 21 jolay 2012.

Carolyn Tate, ilay efa nametraka fanontaniana tamin'ny depiote tsy miankina tamin'ny adihevitra teo aloha, dia nametraka izao valinteny izao tamin'ny fanontanian'i Jan:

5 taona izay no tany India aho niaraka tamin'ny Opportunity International tao anatin'ny dia fihaonana amin'ireo vehivavy indiana mampandeha ny orinasany manokana miainga amin'ny findramam-bola madinika. Ny fanampiana hampahomby ny vehivavy indiana, tompon'orinasa mahaleotena eo amin'ny fiaraha-monina misy azy no fomba tsara indrindra azontsika atao amin'ny fireneny!

Nampatsiahy ny hamaroan'ny herisetra nitranga izay nahitana famonoana ilay mpianatra Indiana tao Melbourne kosa i, Susanna Julian mpikambana vaovao ao amin'ny Oursay:

Tsara tatitra any amin'ny gazety any India ny herisetra natao tamin'ny mpianatra Indiana tany Aostralia hatramin'ny 2009, niezaka aok'izany ny governemanta aostraliana mba hanarenana indray ny fifandraisana eo amin'ny fitondram-panjakana aostraliana sy ny vahoaka indiana. Tokony hatsaraintsika io fifandraisana eo amin'ny Aostraliana sy Indiana io amin'ny fiainana andavanandro. Ny fanamby lehibe indrindra eo amin'ny fifandraisan'ny olo-tsotra aostraliana sy ny olo-tsotra indiana sy ny fiaraha-monim-pirenena indiana, ary mba inona no torohevitrao entina hanatsarana io fifandraisana io?

Mirona any amin'ny fivoaran-draharaha politika farany ny ankabeazan'ireo fanontaniana. Nitondra fijery ara-panabeazana i Stephen Manallack:

Ahoana ny hevitrao amin'ilay tatitra noentin'ny Asian Century amin'ny fanoroan-kevitra ny sekoly hampianatra Hindi any Aostralia? Mahatsapa aho fa zava-dehibe ny fifampikasohan-kolontsaina – noho izany tiako ny fifanakolazana mpianatra ary te-handrisika ny fifanakalozana tanora mpitantana.

Nahasarika ny fanamarihana nataon'i Angela Knox izay nazoto nanomboka volana may izany:

Izay indrindra. Ary ny fianarana ny tantara sy ny kolontsaina aziatika: tsy misy ny “kolontsaina aziatika” tokana ary tsy tokony tarihana amin'ny lafiny ara-toekarena irery.

Betsaka ny lohahevitra nitranga androany, ka tao anatin'izany ny zon'olombelona, ny toe-karena, ny kolikoly, ireo mpitrandraka harena an-kibon'ny tany iraisam-pirenena, fakàna tany, tsy fitoviana ara-tsosialy, ny fahantrana, ny tontolo iainana, ny fahasalamana ary ny fandrindram-pianakaviana.

Na iza, na firenena aiza, dia afaka mametra-panontaniana sy mamoaka ny heviny. Miandry manokana ny fandraisan'anjara avy any India ny ekipan'ny Oursay:

Miangavy ampiasao avokoa ireo safidy 7. eny, vato 7! Omeo ny fanontaniana tianao indrindra na aelezo eo amin'ny manodidina e.

Tamin'ity ity herinandro ity voafantina hifaninana amin'ny THE YAHOO! GOLD STANDARD ‘INTERNET FOR GOOD’ AWARD 2012 ny OurSay.org.

Efa nandefa fanontaniana tao amin'ny forum-n'ny Demokrasia Lehibe indrindra Eran-tany aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.