Hamotika Trano Maherin'ny 200 Eny Amoron-dranomasina Ny ‘Tora-pasika Artifisialy’ Any Hong Kong

Misisika ny hanao ny tetikasa fanamboarana tora-pasika artifisialy izay hanapotika trano maherin'ny 200 amin'ny morontsiraka ny governemanta ao Hong Kong na dia eo aza ny fitsipahana mivaivay avy amin'ireo vondron'ny mpiaro ny tontolo iainana sy ireo mponina voakasika amin'izany. Iray amin'ireo biby ahiana ho lany tamingana tratra amin'izany ny Hippocampus kuda, ao amin'ny fotaky ny tora-pasik'i Lung Mei.

Maro no mihevitra fa hatao hanampiana ny tombontsoan'ny mpandraharaha eo an-toerana ilay tetikasa tora-pasika artifisialy izay hitentina hatramin'ny 280 tapitrisa HKD avy amin'ny volan'ny mpandoa hetra. Nolazainy [zh] tao fa nividy tany lehibe hanaovana hotely spa, trano fialan-tsasatra sy fanintonana mpizahatany maro samihafa, manaraka ny sisin'ny morontsiraka vaovao ny mpandraharaha eo an-toerana.

Trano eny amin'ny morontsiraka maherin'ny 200 no levona

Hippocampus or the Sim Fish. One of the endangered species discovered at Lung Mei mud beach. Photo used with permission from inmediahk.net.

Hippocampus kuda, iray amin'ireo karazam-biby ahiana ho lany tamingana hita tao amin'ny fotaky ny tora-pasik'i  Lung Mei. Sary nampiasaina tamin'ny alalana avy amin'ny inmediahk.net.

NIkarakara fihetsiketsehana maro ny firaisankina natsangan'ny vondrona maitso teo an-toerana mba hanakanana ny governemanta amin'ny fanamboarana farany hitadiavana fifanarahana, hanerena ny governemanta haka fanapahan-kevitra hafa, toy ny hoe fananganana toeram-pilomanosana eo akaiky eo toy izay hoe hanimba ny morontsika voajanahary.

Mandahatra karazana aron-kevitra matanjaka [zh] ny fanambaram-panoheran'izy ireo tamin'ny 12 Oktobra, 2012 :

200米天然海岸線,有200多種海岸生物,生態價值絕非低!被發現的具保育價值的物種,並非如顧問報告補充資料所說的只得3種,而是多達18種!工程除了摧毀龍尾海岸生物,搬遷生物過程亦可能為附近接收生物的地方構成大災難。

Manana lanjany ara-tontolo iainana bebe kokoa ny morontsiraka 200 metatra voajanahary miaraka amin'ny trano 200 mahery. Ambaran'ny tatitry ny fanadihadiana ara-tontolo iainana nataon'ny governemanta fa telo fotsiny ireo karazana bibin-dranomasina mila harovana. Fa [ireo mponina amin'ny aterineto avy any amin'ny Hong Kong Wildlife Forum] kosa nahita zava-miaina an-dranomasina manan-danja maherin'ny 18 . Tsy ny morontsiraka sy ny mponina ihany no ho simban'ny fanamboarana fa ny tontolo iainan'ny faritra mando eo akaiky eo ihany koa.

當局的所謂諮詢,全是只諮詢大埔區議會!但卻指新界北的居民也很需要此人工沙灘,理據何在?何不優化馬鞍山烏溪沙的渡頭灣海灘,讓全港唯一港鐵直達的沙灘,立即成為刊憲泳灘?

Natao hoan'ny Filankevitry ny Distrikan'i Taipo ihany ny fangatahana ny hevi-bahoaka. Tsy misy antony hanaovana fitarainana hoe nangataka ny tora-pasika aritifisialy ireo mponina avy any amin'ny Zaratany Vaovao any Avaratra-Atsinanana. Afaka manatsara ireo tora-pasika roa efa misy any Wu Kai Sha sy any Du Tou Bay ny governemanta, izay samy eo amin'ny distrika iray ihany ary azo aleha tsara amin'ny alalan'ny lamasinina ambanin'ny tany ao an-tanàna.

Members for the Taipo District council raised their hand in support of the artificial beach project. Photo used with permission from inmediahk.net.

Mpikamban'ny Filankevitra ao amin'ny distrikan'i Taipo manangan-tanana mikasika ny fanohanana ny tetikasa tora-pasika artifisialy. Sary nampiasaina niaraka tamin'ny alalana avy amin'ny inmediahk.net.

Nihevitra [zh] ny Lung Mei Coastline Education Center, vondrom-bahoaka misahana ny fitahirizana ny fotaky ny tora-pasika, fa mety ho nanitsaka ny Fifanarahan'ny Firenena Mikambana mikasika ny Fahasamihafàna ara-biolojika ilay tetikasa artifisialy. Efa nalahatry ny International Union for Conservation of Nature (Fikambanana Iraisam-pirenena ho fiarovana ny Natiora) fa biby ahiana ho lany tamingana ny Hippocampus kuda, mitovy laharana amin'ny antsantsa trozona izy.

Fanampin'izany, nilaza  [zh] ilay Ivotoerana fa tsy mety hilomanosana an-dranomasina ny karazan'ny rano eo akaikin'ny tora-pasik'i Lung Mei:

龍尾對出船灣海,原來有一半地方(約二平方公里)之前是泥石傾卸區。距離龍尾灘只有約500米。雖然已經停用,但當中累積了可能由50年代起,急速城市化發展及沙田、大埔新市鎮發展帶來的固體及液體廢料及廢棄泥石,當中是否包括棄置瘀泥、已受管制的舊建築物料如石棉,或其他釋放有毒物質如重金屬度等,都己是無從稽查,這些潛在的有害物質對人類健康構成的極大風險。

Toerana fanariana ireo fako avy amin'ny asa fanamboarana ny ranomasina teo akaikin'i Lung Mei taloha. Mirefy eo amin'ny 2 kilometatra tora-droa eo ny faritra ary zara raha hoe 500 metatra miala ilay tora-pasika be fotaka. Na dia tsy misy intsony aza ny asa fanariam-pako amin'izao fotoana, mety ho fitaovana mampidi-doza ihany ireo avy amin'ny asa fananganana avy amin'ny fampiroboroboana ny tanàna vaovaon'i Shatin sy Taipo hatramin'ny taona 1950, toy ny hoe Asbestos sy zavatra hafa misy poizina, toy ny vy mavesatra. Mety ho tandindomin-doza ny fahasalaman'ireo mpilomano.

Inona no tena fahatsaràna marina?

Nanakiana [zh] ny rafitry ny soatoavin'ireo mpanapa-kevitra i Pak, mpilatsaka an-dranomasina sy olon-tsotra mpanangom-baovao ao amin'ny inmediahk.net:

南中國潛水俱樂部的潛水教練 Rob Christie曾經在CNN訪問時提過:「香港沒有世界級的潛水環境,但卻充滿了挑戰性與海底美景。」

龍尾灘發現的海星、管海馬等珍貴海洋生物,正好說明這位教練口中所描繪的香港海域神奇之處﹣﹣一個看來是污染的地方,卻潛藏令人驚嘆的美境。然而,渴望當曝發戶的權貴、獻媚的決策者,卻看不到這些寶藏,要把原生的資源掩蓋,大搞膚淺人工工程,繼續炒地皮和炒樓的發展模式。
正如一眾環保團體指出,保育與發展並不矛盾,若把汀角東紅樹森到龍尾發展為保育區,它所帶動的教育、旅遊與環境價值,是難以估計、而且不斷增值的,因為這些生態資源只會越來越稀有,越來越讓人珍而重之。
為什麼我們要把「美」想像為人造的假沙灘?把旅遊消費想像為沙灘旁玻璃屋喝紅酒?而不是與自然接觸,感受奇妙的生物世界?

Nilaza tamin'ny mpanao gazety avy amin'ny CNN i Rob Christie avy amin'ny South China Diving Club indray andro izay fa “tsy manana toerana filatsahana an-dranomasina voakilasy eran'izao tontolo izao i Hong Kong, ary ezaka azo atao izany, ary betsaka ny toerana mahafinaritra”.

Nanaporofo ny hatsaran'ny natioran'ny ranomasintsika ny nahitana trondro kintana sy ny Hippocampus kuda – faritra toa lazaina fa maloto nefa manana toerana tsara raha miezaka ny mamantatra izany ianao. Nefa, ireo manam-pahefana sangany izay te hanankarena sy ireo mpanapa-kevitra izay te hanome hafaliana ireo mpanam-bola, tsy mahita akory ny tena harena marina. Tian'izy ireo holevonina amin'ny fanamboarana artifisialy ny tena harena voajanahary ary hakan'izy ireo tombony amin'ny fampiroboroboana ny fanànan-tany.

Araka ny nolazain'ireo vondrona maitso, tsy mifanolana loatra ny fampiroboroboana sy ny fiarovana. Raha miaro an'i Lung Mei sy ny faritra mando Dong Kwok eo akaikiny ny governemanta dia tsy azo sandaina vola ny soataovina aterany ho an'ny fanabezana, ny tontolo iainana, ary koa ny fizahantany satria mihabetsaka hatrany ny zava-manan'aina an-dranomasina ahiana ho lany tamingana ary dia ho sarobidy hatrany hatrany ny valan-java-boahary.

Maninona isika no mihevitra “hatsarana” amin'ny endrika tora-pasika artifisialy? maninona isika no maminavina sehatra ara-pizahantany toy ny hoe misotro divay mena anatina efitra fitaratra eo akaikin'ny tora-pasika iray? maninona no tsy afaka manakaiky kokoa ny natiora ary miaina ny fahagagan'ny tontolo iray izay feno zava-manan'aina maro?

Mpanohitra manodidina ny 1,000 no nivondrona teo ivelan'ny foiben'ny governemanta tamin'ny Alahady 4 Novambra, nangataka ny famerenena ny fanadihadiana mikasika ny lanja ara-tontolo iainan'ny fotaky ny tora-pasika ao Lung Mei. Nilaza ny vondrona maitso ao an-toerana fa hitaky ny famerenana ny fandinihana araka ny lalàna izy ireo raha misisika amin'ity tetikasa fanamboarana ity ny governemanta.

Hundreds of protesters demanded the government to drop the artificial beach construction project in Lung Mei. Photo taken by Mary Chan, used with permission.

Mpanohitra anjatony no nangataka ny governemanta hampiato ny tetikasa fanamboarana tora-pasika artifisialy any Lung Mei. Sary nalain'i Mary Chan, nampiasaina niaraka tamin'ny fahazoan-dàlana.

Green groups displayed photos of the coastline habitants on the November 4 protest. Photo by Mary Chan, used with permission.

Vondrona maitso naneho sarin'ireo mponina amin'ny morontsiraka tamin'ny fihetsiketsehana natao ny 4 Novambra? Sary nalain'i Mary Chan, nampiasaina niaraka tamin'ny fahazoan-dàlana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.