Miatrika Sazy Henjana Kokoa Ireo Mpaka Vady An-keriny Ao Kyrgyzstan

Mazava tsara ny lalàna ao amin'ny Repoblika Kyrgyz raha ny toerany eo amin'ny resaka Fanambadina an-tery setra. Ny Artikla 36, faha 5 ao amin'ny lalàm-panorenana dia manambara fa : “Tsy misy fanambadiana azo ekena raha tsy misy ny fanekena an-tsitrapo sy ifanarahan'ny mpivady “. Kanefa , ny fanambadiana an-tery setra,na ny ala kachuu, dia tena mbola be mpanao tokoa araky ny ‘fomban-drazana’ any amin'ireo tanàna sy faritra any Kyrgyzstan. Ny foiben-toerana  Bishkek – natokana ho an'ny vehivavy dia nanombatombana  [ru] fa eo amin'ny vehivavy 11.800 eo ho eo no misy maka an-keriny isan-taona ao amin'io tanàna io, ary manodidina ny  2.000 izy ireo no iharan'ny fanolanana mandritra izany. Tsy mahazo sazy ny ankamaroan'ireo mpaka an-keriny. Iray monja ao anatin'ireo taratasy fitoriana 700 mitory ireo mpaka an-keriny no enjehan'ny lalàna, na dia milaza aza ny lalàna ao amin'ny firenena fa ny fanaovàna [ru] fanambadiana an-keriny dia mety hahazoana sazy, gadra 3 taona.

Ny ankamaroan'ny fanambadiana ao Kyrgyzstan, toy ny hita amin'ny sary eto, dia tsy misy fahasamihafany firy amin'ny fanambadiana maneran-tany. Kanefa, lehilahy an'arivony any ambanivohitra matetika, no manaraka ny fomban-drazana taloha amin'ny fakàna an-keriny ny tovovavy izay iriany ho vady. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr, Evgeni Zotov, nampiakarina ny  28 Jolay, 2010 (CC BY-NC-ND 2.0)

Fiantsoana fanairana ho fanoherana ny ala kachuu

Nihetsika mafy mihitsy tato ho ato ny Fikambanam-behivavy tao Kyrgyzstan nanao ny fiantsoana fanairana ho fanoherana ny fanaovana ny fanambadiana an-tery setra, araky ny notaterina teto amin'ny  Global Voices teo aloha. Taoriana kelin'ny maintany no nanoratana io lahatsoratra io, ny Fikambanana “Association of Crises Centers” sy ny ” Youth Peer Education Network “Y-PEER” dia nanohy [ru] ilay hetsika fanairana tamin'ny alalan'ny filalaovana tantara an-tsehatra kely mikasika ny antony tokony hanoherana ny fanaovana ny fanambadiana an-tery setra. Notaomina ireo lehilahy izay nandray anjara tamin'izany mba hanao sonia taratasy fanekena ny hanaja ny zon'ny vehivavy ary tsy ho voasarika  amin'ireny fomba fanao tsy ara-dalàna ireny. Hetsika fanairana iray hafa ho fandresen-dahatra ny Solombavambahoaka ao Kyrgyzstan no natao tamin'ity maintany ity, mba handresen-dahatra azy ireo hampihatra sazy mafimafy kokoa ho an'ireo mpaka vady an-keriny. Milaza ireo mafàna fo mpandray anjara  tao anatin'io hetsika io fa tsy ampy raha izany telo taona an-tranomaizina izany fotsiny no sazy omena ireo mpaka an-keriny tovovavy, sy manery azy ireo hiroso amin'ny fanambadiana, etsy an-kilany anefa, raha oharina amin'izay, ny olona tratra mangalatra ondry iray dia migadra 11 taona an-tranomaizina. ny Solombavambahoaka Kozhobek Ryspaev, olona fanta-daza amin'ny fanehoana hatezerana, mpikambana mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanambadiana an-keriny no nanazava [ru] ny maha-samy hafa ireo heloka roa ireo tamin'ny alalan'ny vazivazy mahatsiravina :

Но ведь скот съедают, а женщин — нет.

Tsotra izany, ny hena natao ho hanina, ary ny vehivavy kosa tsia.

Niantomboka tamin'ilay raharaha iray niseho ny volana Jona 2012 ny hetsika fanairana farany, izay natao tao amin'ny faritry ny tanàna kely iray tao Issyk-Kul , izay nahitàna lehilahy iray naka an-keriny [ru] sy nanolana tovovavy iray. Na dia zany aza, hitan'ireo ray aman-dreniny ihany ilay vehivavy ka dia noentiny nivoaka tao amin'ny tranon'ilay  “lehilahy vadiny” ny andron'io ihany, namono tena ilay vehivavy taoriana kelin'izay. Ny 1 Oktobra, namoaka lalàna ny fitsarana tao an-toerana fa migadra enin-taona an-tranomaizina ireo izay maka an-keriny tovovavy, io izany no lasa fehezan-dalàna  voalohany mikasika ny heloka be vava  [ru] napetraka hiadiana amin'ny fakàna an-keriny tovovavy ao Kyrgyzstan hatramin'izay nahazoany fahaleovan-tena.

Ady hevitra tao amin'ny  parlemanta

Ny 18 Oktobra , teo anoloan'ny tery vay manta nataon'ireo mafàna fo, ny parlemanta tao amin'ny firenena dia namoaka [ru] volavolan-dalàna manameloka fito taona an-tranomaizina ny fakàna an-keriny vady. Narahina ady hevitra goavana teo anivon'ireo Mpikambana ao amin'ny Parlemanta izany.

Ohatra, i Irina Karamushkina, Mpikambana ao amin'ny Parlemanta (Social Democratic Party) naneho hevitra hoe [ru] :

Умыкание невест, либо кража невесты — это в полном смысле слова кража человека, это похищение человека. Я понимаю, что есть такая традиция, очень такая старая традиция, ее применяют. Но традиция тогда станет традицией, когда обе стороны согласны.

Ny fakàna an-keriny vady dia tena azo adika tsotra ho toy ny fakàna an-keriny olona tsotra izao, heloka . Azoko fa misy ny fomban-drazana toy izany , fomban-drazana efa taloha be tany, izay mbola arahana ankehitriny. Kanefa, ny fomban-drazana dia afaka ny mijanona ho fomba ihany raha toa ka manaiky ny roa tonta.

MP Kozhobek Ryspaev, tetsy an-daniny, dia nanohitra[ru], toy izao hitantaran'ilay blogera Ulukbek Babakulov azy izao :

Ужесточение наказания за кражу невесты может привести к тому, что мы пересажаем всех мужчин в Кыргызстане.

Ny famoahana sazy henjana ho an'ireo lehilahy mpaka vady an-keriny dia mety hitondra amin'ny fanagadrana ny lehilahy rehetra ao Kyrgyzstan.

Dastan Bekeshev,naman'i Ryspaev ao amin'ny parlemanta dia nanindry mafy [ru] ny amin'ny hanamafisana ny sazy, tamin'ny filàzana fa afaka hisorohana ny famonoana-tena izany :

На практике нередки случаи суицида среди девушек. Их родители не знают, как наказать виновных, и иногда готовы даже на самосуд. А потому ужесточение ответственности просто необходимо.

Tsy vaovao intsony amin'ny fiainana andavanandro ny hoe misy vehivavy [miresaka ny fakàna an-keriny sy ny  fanambadiana an-tery setra] mamono tena. Tsy hitan'ny ray aman-drenin'ireo zazavavy ireo izay fomba hanasaziana ny mpanao ratsy, ary indraindray aza dia vonona ny hanao fitsaram-bahoaka ireo mpaka an-keriny mihitsy izy ireo. Noho izany, tena ilaina ny sazy henjana kokoa.

MP Shirin Aitmatova dia nanohana [ru] ny mpiara-miasa aminy :

Я к этому положительно отношусь. Я думаю, что это правильно.

Manana  fomba fijery tsara aho manoloana izany. Mihevitra aho fa marina mihitsy izany lazainy izany.

Ny resaka sokajy, tahaka ny fakàna an-keriny vady, no lasa voalohan-daharana eo amin'ny  fiarahamonina ao Kyrgyz, noho ny hetsika tsy sasatra nataon'ireo mponina. Amin'ity fanairana an-tsary nataon'ireo fikambanan-behivavy Bishkek ity izao, dia miady ny amin'ny tokony hiakaran'ny isan'ny vehivavy ao anatin'ny parlemanta ireo mpisolo vava. Toy izao ny dikanteny amin'ny teny Kyrgyz :  “Ry vehivavy, ATO amin'ity trano ity ny toerana .”

Ny tena nampihomehy anefa, herinandro latsaka kely taorian'izay, ny parlemantera mpanampy an'i Aitmatova dia  naka an-keriny [ru] Mpilaza vaovao an-tsary iray, izay olon-tiany taloha ihany, nalainy mba ho vadiany. Fanampin'izay, hoy i Ulugbek Babakulov araky ny fahatsiarovan'ireo ru] mpamaky ny blaoginy :

Но, к сожалению, трезвомыслящих парламентариев в ЖК меньшинство и, как показывает практика, их голос часто тонет в гуле голосов гораздо менее достойных народоизбранников

Indrisy anefa, ankavitsiana ireo  parlemantera tonga saina ao [Parlemanta ao Kyrgyz], ary ny fahitàna izany dia mampiseho fa tsy mety heno mihitsy ny feon'izy ireo ao anatin'ireo feo maro tsy dia mendrika loatra natao hisolo ny vahoaka.

Ho fanamarihana ny fanohanana ny fanairana hiadiana amin'ny fanambadiana an-tery setra , dia nisy fandehanana am-bisikileta nokarakaraina [ru] tao Bishkek ny 28 Oktobra , nampitondrana ny lohahevitra hoe : “Izaho sy ny hazakazaka am-bisikileta manohitra ny herisetra”. N.B Mba tsy hisian'ny filazàna fa  ny vehivavy rehetra ao amin'ny televisiona ao Kyrgyztan  dia efa nalaina an-keriny avokoa, na dia  indray mandeha teo amin'ny fiainana monja aza (tsia), ny Global Voices dia hamoaka ireo fanehoan-kevitra mikasika ny sarintsarinà fakàna ankeriny aminà vehivavy mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra iray manokana tontosain'ireo mpilaza vaovao mpitsikera amin'ny herinandro manaraka io.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny  ” GV Central Asia Interns Project” ao amin'ny Oniversite Amerikana ao “Central Asia” any Bishkek, Kyrgyzstan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.