Ny Fientanentanana Faran'ny LiveJournal, Miaraka Amin'ny Famelàn'ny Hery Manokana Rosiana

Noforonin’olona tsy nitonona anarana ny bilaogy LiveJournal hardingush [ru] tamin’ny 15 Septambra 2012. Mbola tsy nisy roa volana akory izay, ilay bilaogy, mitondra ny lohateny hoe Spetsnaz Ingushetii (Ny Tafika Manokana Ingush), dia laharana faha-425[ru] ao amin’ny fandaharana ankapoben’ny mpampiasa LJ. Nametraka tsikera mihoatry ny 4.000 tanatin’ireo lahatsoratra samihafa ao anatiny ireo mpampiasa aterineto. Ny efatra tamin’ireo lahatsoratra ireo dia tafiditra tao amin’ny  lisitr’ireo 25 voalohany [ru] amin’ny mpitoraka bilaogy Kaokaziana Tavaratra tamin’ny volana Oktobra (fanomezan-daharana isam-bolana navondronà mpitoraka bilaogy timag82 [ru] mipetraka any Môskoa )

Tsy mahagaga ny fitomboan-dazany. Ny olona ao ambadik’io bilaogy io dia mpikambana ao amin’ny Tafika Manokana Ingush tsy misy henamaso, tsy milaza zavatra tsy misy fotony, izay miasa any amin’ny repoblika Rosiana be tendrombohitra sy mikorontana, sisin-tany manasaraka an'i Chechnya sy Ossetia Avaratra. Ny lohahevitra entiny dia miainga amin’ny resaka ankapobeny momba ny asa fampihorohoroana sy ny Silamo hiringiriny, ka hatrany amin’ny antsipirihan’ny hetsika fiadiana amin’ny asa fampihorohoroana, izay matetika, nohaingoana tamin'ny sary sy lahatsary.

Sarina mpikambana ao amin’ny Tafika manokana nalaina tamin’ny lahatsarin’ny YouTube navoaka tao amin’ny LiveJournal-n'ny hardingush.

Ohatra, tao anatin’ny lahatsoratra tamin’ny 29 Oktobra [ru] mitondra ny lohateny hoe “Inona no  iadian’ireo mpitolona?,” dia niezaka nanazava ny heveriny ho antony mampiady ireo fatra-pandàla ny finoana i hardingush. Sady tsotra no mikorontandrotana ny fanazavany, nefa mety hahasarika olona maro: tia ady ry zareo Ingush, tsy afak’andro ry zareo rehefa tsy misy ny ady, ka manararoatra an’izay ireo Silamo fatra-pandàla ny finoana amin’ny alalan’ny fandetehana izany ao an-tsain'ireo tsy ampy saina ao anatin’ny fiarahamonina Ingush:

Всегда найдутся фанатики, лентяи, обиженные, недовольные, обделенные… С ними и проводится основная работа

Mbola hisy foana ireo mpihinana am-bolony, kamo lahy, be lolom-po, tezitra, ary ireo mahantra… Manomboka amin’izy ireo ny tena asa [fampielezan-kevitra]

Tany am-boalohany dia nanoritsoritra izany atao hoe « kamo lahy » izany i hardingush tao anaty lahatsoratra iray hafa nitondra ny lohateny hoe “Andraso aloha ry Hasik a!” [ru]. Ahiana ho isan'ireo mpitolona i Hasik, na Hasan Esmurziev, ka nandritry ny paika hisamborana azy dia nandrahona hanapoaka ny salotra hanaovany vy very ny ainy, mba hialàny amin’ny fisamborana azy angamba. Sahala amin’izao no namariparitan’i hardingush ny zavatra nitranga manaraka:

Хасик поднимает футболку а там пояс. Но сотрудники не первый день на свете живут и видят, что у пояса нет проводов и кольца. Он еще не доделан. Они ему говорят, мол, Хасик, не гони беса, как ты будешь его взрывать? А он, не долго думая, достает хатабку, прижимает ее к поясу и тянет кольцо. Выстрел в руку и хатабка падает.

Ningain’i Hasik ny T-shirt-ny – ka nahitàna salotra tao ambaniny. Tsy vao voalohany akory izao ny an’ireto miaramila ireto, ka hitany fa sady tsy nisy tariby no tsy misy bokotra fanapoahana ilay salotra. Izany hoe mbola tsy vita akory. Ka hoy izy ireo, ry Hasik a, aza mananihany anay eo, ahoana no fomba hanapoahanao an’iny? Ka tsy nisalasala akory izy namoaka hatabka [grenady vita tanana], nihazona azy teo amin’ny fehikibony, ary nisintona ilay boribory fanapoahana azy. Nilatsaka ilay hatabka rehefa voatifitra teo amin’ny tanany izy.

Niafina tao anaty tranolapa iray ilay Esmurziev tsy nanam-bintana, nefa tratra ihany ora maro taty aoriana, ary voatifitra ny tanany roa, sy ny tongony iray. Miaraka amin’ny fitantaràna somary mampihomehy ny zava-nitranga, nasian’i hardingush sarin’ilay salotra fanaovana vy very ny aina [rohin’ilay sary] an’i Esmurziev sy ny tafik’i spetsnaz manome azy ny fitsaboana vonjy maika.

Nanosika ny mpanoratra mpomba ny Kremlin Eduard Bagirov  hitoraka bitsika [ru] izany sy ireo lahatsoratra mitovitovy aminy:

Кстати, показываю поразительно интересный, уникальный ЖЖ ингушского спецназовца: http://hardingush.livejournal.com ; я проглотил его весь, не отрываясь.

Fa izao, ity ilay LJ anà spetsnazovets Ingush tsy misy toa azy, mahaliana tanteraka: http://hardingush.livejournal.com ; Tapitro indray mandeha fotsiny izany.

Tsy dia resy lahatra loatra ny hafa. Niampanga an'i hardingush ho manao bilaogy fampielezan-kevitra kosa ny sasany, indrindra rehefa manoratra fanambaràna feno fihantsiana tahaka ity [ru]:

Если вы девушка и вас вербуют в смертницы, изнасиловав и сняв на камеру, то лучше вам связываться с ФСБ и требовать программу защиты свидетелей.

Raha vehivavy ianao, ka nokaramaina ho mpanao vy very ny ainy amin’ny baomba taorian’ny fanolanana anao sy ny firaketana izany anaty kamera, dia tokony miantso ny FSB ianao ka mangataka  fiarovana ny vavolombelona.

Mandeha lavitra kokoa ny sasany amin’ilay fiampangan-dry zareo ho manao fampielezan-kevitra . Tsindrian’i Magomed Tariev, Ingush mpitoraka bilaogy, fa ny teny tsara lahatr'i hardingush dia fanamafisany [ru] ny maha-saribakolin’ny governemanta ny tenany:

Мы ведь профессиональные журналисты, а не менты. Ваша грамотность, стилистика, развеяли последние сомнения. А спецназовца, который вам помогает вести этот блог стоит отправить исполнять его прямые обязанности.

Mpanao gazety matihanina isika fa tsy mpitandro filaminana. Ny fahaizanao mamaky sy manoratra no namafa ny fisalasalako sisa tavela. Tokony handefa miaramila avy amin'ny Tafika Manokana ianao izay manampy anao mampiodina ity bilaogy ity mba hanao ny tena asany.

Mateti-pitranga ny fiampangana tahaka itony ho anà bilaogy tsy fanta-tompo. Nilaza ny tenany ho manana ny lentany i Hardingush. Araka ilay fampahalalam-baovao tsy feno [ru] nomeny mikasika ny tenany, dia azony tsara noho izy avy amina fianakaviana avara-pianarana sady Mpianatra nilofo ka nahazo ny marika A tany an-tsekoly sy tany amin’ny anjerimanontolo, ny fahaizany manoratra. Nanambara [ru] ihany koa izy:

Нет, я не ингуш, несмотря на такой ник. Да, я русский […] Нет, я не корреспондент. И не писатель. И упаси бог, не поэт.

Tsia, tsy Ingush aho, na eo aza ilay solon’anarako. Eny, Rosiana aho […] Tsia, tsy mpanao gazety aho. Tsy mpanoratra ihany koa. Ary tsy poety, isaorana Andriamanitra.

Na izany aza dia misy ihany ireo fanontaniana tafatoetra. Raha jerena ny rakitry ny fanoratan’i  hardingush [ru], dia kisarisary mahaliana no mivoaka avy ao. Nandritry ny volana voalohany niforonan’ilay bilaogy, ny 15 Septambra hatramin’ny 20 Oktobra, dia namoaka lahatsoratra roa amby roapolo i hardingush, izay misy fiatoana mitsitapitapy. Nanomboka tamin’ny 22 Oktobra (tato anatin’ny roa herinandro farany), dia namoaka lahatsoratra maro isanandro izy – izay nahatratra fito amby roapolo. Izany hoe nitombo ny salan’isan’ny fanoratany noho ny antony mihoatra ny iray na roa. Mahalasa saina ihany ny hoe mitranga izany vantany vao manomboka mahazo olona amin’ny RuNet ilay bilaogy.

Moa ve izany mpikambana anatin’ny tafika manokana manao ny asany izany mbola manam-potoana hanoratana lahatsoratra mahatratra efatra ao anatin’ny iray andro? Any Rosia, iza no mahalala ?

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.