Fanarahan'ny Olom-pirenena Maso Ny Fifidianana Monisipaly ao Nikaragoà

Roa ambifitopolo ora mialoha ny handehanan’ireo mpifidy any amin’ny biraom-pifidianana any Nikaragoà, miatrika “fahanginana ara-pifidianana” ny firenena, izany hoe tsy misy antoko politika afaka manao famoriam-bahoaka raha tsy vita ny fifidianana amin’ny 04 Novambra. Amin'izany daty izany, tokony ho 3.3 tapitrisa eo ho eo ny Nikaragoana handeha hifidy ben’ny Tanana, lefitry ny ben’ny Tanana ary mpikambana ao anatin’ny filankevitr’ireo kaominina 153 manerana ny firenena.

Nisy fiovana vitsivitsy tamin’ireto fifidianana ireto, ao anatin’izany ny fitomboan’ny isan’ny mpirotsaka ho fidiana izay mahatratra 33.000, vokatry ny fanovan-dalàna izay nampiakatra ny isan’ny seza ho an’ireo mpikambana ao anatin’ny filankevitra. Manome fahafahana bebe kokoa ho an'ny vehivavy handray anjara ao amin’ny governemanta ao an-toerana ny fanovàna hafa tao amin’ny lalàna izay mitaky fa ny 50 isan-jaton’ny mpirotsaka ho fidiana dia tsy maintsy vehivavy[es].

Koa satria efa mahazatra eran-tany ireo teknolojia dizitaly mandritra ny fotoanan'ny fifidianana, tsy andrin'ireo olom-pirenena ny hampiasa izany hitànan'izy ireo anjara asa anatin'ny fanaraha-maso sy ny fitaterana ny fifidianana. Ary any Nikaragoà, misy sehatra iray antsoina hoe “Plataforma de Observación Electoral Ciudadana Independiente” [es] (Sehatra Mahaleotena Fanarahan'ny Vahoaka maso Ny Fifidianana”) miomana hamporisika ny olom-pirenena handefa tatitra amin'ny alalan'ny aterineto, hafatra fohy SMS, na ireo vohikalanà media sosialy hafa, izay ho raketina anatinà sarintany iray avy eo amin'ny alalan'ny fampiasàna ny sehatra Ushahidi. Hampiasa ny SMS ‘Frontline’ ny ekipa ao ambadik'io tetikasa io hahazoan'izy ireo sy hitrandrahany ny tatitr'ireo olom-pirenena.

Nofaritan'izy ireo ho “fitaovana fanamafisana ara-demokratika ny fiarahamonina Nikaragoana” io sehatra io [es]. Karakarain’ny vohikala fanaovan-gazetim-bahoaka Huella Libre [es] miaraka amin’ny La Brújula [es] izay nanampy nanaparitaka ny teny io tetikasa io. I Paulo McNally no nanome endrika ny vohikala.

Ho fanampin'ireo tatitra mivantana ao amin'ilay vohikala, mamporisika ireo mpampiasa aterineto hampiasa ny tenifototra #YoObservo [es] (Manara-maso Aho) aloha sy mandritra ny andro fifidianana.

Iray amin'ireo mpikarakara io tetikasa io, Orlando Rizo (@orlandorizo) [es], no niresaka mikasika ny fandaharan'ilay sehatra:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.