Firesahana ny Tafiotra Sandy Teny Anaty Tambajotra Sosialy

Taorian'ny namelezany felaka ho an'i Karaiba, dia tonga tany amin'ny morontsiraka atsinanan'i Etazonia ilay Tafiotra mahery vaika Sandy ny 29 Oktobra teo, nitondra oram-batravatra sy firotsahan-dranomandry tamin'izay nolalovany. Tao Atsimo-Andrefan'i New Jersey no nisy ny mason'ity tafiotra mahery ity, 10 kilometatra miala an'i Atlantic City. Fahavoazana ara-pitaovana an-tapitrisa dolara maro no voatatitra  fa naterany, fanampin'ireo 62 maty izay isa mbola tsy ofisialy sy mponina an-tapitrisa tsy manana herinaratra any aminà tanàna maro samihafa manerana ny firenena, isan'izany i Washington D.C.

Nataon'i Sandy ngoly tanteraka ihany koa ny tanànan'i New York manontolo. Ny tolotra fiarandalamby ambanin'ny tany, izay isan'ny midadasika be indrindra eran-tany, dia naato nanomboka ny harivan'ny 28 Oktobra ary vinavinaina ho tonga hatramin'ny efatra na dimy andro any ho any ny famerenana azy hiasa feno indray, raha ny fiarabe fitateram-bahoaka kosa no hany rafi-pitaterana niverina tsikelikely amin'ny asany mahazatra.  Tahaka izany koa, heverina fa ny LaGuardia, John F. Kennedy sy ny Seranam-piaramanidina Newark Liberty dia hiverina indray hanatanteraka ny fanarahamaso ny fifamoivoizana an'habakabaka amin'ny faran'ity herinandro ity, raha toa ka nofoanana kosa ireo zotra an-dranomasina izay mampitohy ireo tanàna hafa ao New Jersey sy Connecticut, ary mbola mitoetra hatrany ho tondraky ny rano ny tonelina Holland sy Lincoln mampitohy an'i New York amin'i New Jersey. Azo antoka fa hahemotra ho amin'ny herinandro ambony ireo hetsika toy ny “Halloween Parade” sy ny “New York Marathon” amin'ny 4 Novambra. Ny tsenan'ny fifanakalozam-bola, izay sambany no nanatsahatra voalohany ny asany taorian'ny fanafihana tamin'ny 11 Septambra 2001, dia niverina nisokatra tamin'ny Alarobia 31 Oktobra.

Na teo aza ny fampanantenan'ireo mpirosaka hofidiana ho filoha hoe hifantoka amin'ny ezaka fanarenana, tsy niala ny sehatra politika ilay “tafiotra mahery”. Ireo famoahana tanatin'ny sasany amin'ireo gazety malaza indrindra ao amin'ny firenena dia miampanga ny governora teo aloha sy Mitt Romney, mpirotsaka avy amin'ny antoko Repoblikana, ho mitady hanapaka ny famatsiam-bolan'ny FEMA, masoivoho miandraikitra ny loza voajanahary, vantany vao mahazo ny toerana maha-filoha azy. Kanefa, nandà ireny fiampangana ireny i Romney ary nanamafy fa ireo vondrona mpanao vonjy taitra dia tokony hahazo famatsiam-bola misimisy kokoa avy amin'ny fanjakana. Ho mariky ny fitondran'antoko roa, ny governoran'ny Repoblika ao New Jersey, Chris Christie sy ny Filoha Barack Obama dia samy nitehaka ny fandraisana andraikitra avy hatrany nataon'ny andaniny sy ny ankilany hiatrehana ny zava-doza naterak'ilay tafiotra mahery.

Araka ny efa nampoizina, lasa lohahevitra noresahana betsaka tao amin'ny Twitter i Sandy ary ireo mpampiasa toa an-dry Raúl Avila Durán (@Raulavilad) dia nahatsikaritra izany :

@Raulavilad: El huracán #Sandy sigue siendo lo más leído. Aquí los vídeos más impactantes de la tormenta http://w.abc.es/jkqit4

@Raulavilad: Mitohy hatrany ho ny tantara be mpamaky indrindra ny Tafiotra #Sandy . Indreto ireo lahatsary isan'ny nanohina indrindra avy amin'ilay tafiotra mahery http://w.abc.es/jkqit4

Ireo mpampiasa sasany tahaka an'i Socrates García (@SocratesG21) dia nanatri-maso ny faharavàna naterak'i Sandy :

@SocratesG21: El frente de este edificio cae durante #HuracanSandy 15th & 8th Ave in NYC http://instagr.am/p/RbaREylRAH/

@SocratesG21: Nirodana ny rindrina manoloana tamin'ity tranobe ity nandritra ny #HurricaneSandy 15th & 8th Ave ao NYC http://instagr.am/p/RbaREylRAH/

Juan Jaime Flores (@juanjaimefl) miresaka momba ny fomba nataon'ireo sasany mpampiasa ny tambajotra sosialy handefasana sary sandoka mikasika ilay Tafiotra mahery Sandy :

@juanjaimefl: “De 10″ La verdadera historia de las 10 fotos falsas del huracán Sandy: Por las redes sociales ha… http://bit.ly/Vb9xUd  #Datosquevalen

@juanjaimefl: “From 10″ ny tantara marin'ireo sary sandoka 10 momba ny Tafiotra Sandy : Ao amin'ny tambajotra sosialy … http://bit.ly/Vb9xUd #Validstats

End Isolation (@endisolation) dia manipika fa ireo mpifindra monina no isan'ireo tena tsy hita tamin'ilay tranga voajanahary :

@endisolation: Huracán Sandy: Inmigrantes latinos los más afectados (VIDEO) http://huff.to/QSneTK  via @HuffPostVoces

@endisolation: Tafiotra Sandy: Ireo Latino mpifindra monina no tena niharam-pahavoazana indrindra (VIDEO) http://huff.to/QSneTK avy amin'ny @HuffPostVoces

Ireo kaonty tahaka ny GeoSolution Consult (@Geo_Solutions) dia manazava ny nipoiran'i Sandy :

@Geo_Solutions: La supertormenta Sandy fue resultado de la casualidad de la confluencia de un Huracán tropical y un frente frío desde el norte.

@Geo_Solutions: Teraka ho azy avy amin'ny tafiotra tropikaly sy ny hatsiaka avy any avaratra ny tafiotra Sandy..

Ireto ambany ireto no sary vitsivitsin'ireo porofo hita maso sy ny fahavoazana naterak'i Sandy tao an-tanànan'i New York, ny mpanoratra ihany no naka ny sary rehetra.

Fallen trees were reported throughout the city.

Betsaka ny filazana hazo nianjera nanerana ny tanàna

Cordones de seguridad cercaron los escombros dejados por Sandy

Ribà fiarovana mamaritra ny korontan-javatra navelan'i Sandy

El sistema de trenes en Nueva York no ha prestado sus servicios desde el 28 de octubre

Tsy afaka niantoka ny tolotra fanomeny ny zotram-piarandalamby ambanin'ny tany tao an-tanànan'i New York nanomboka ny 28 Oktobra.

Buses look to alleviate city traffic.

Fiarabe mpitatitra natao hanamaivanana ny fifamezivezena an-tanàn-dehibe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.