Tontolo Arabo: Midika Fahatezeran’Andriamanitra Amin’i Amerika Tsy Tokam-po i Sandy

Satria ao New York sy New Jersey avokoa ny mason’izao tontolo izao mba hanaraka ny vaovao momba ny tafio-drivotra Sandy, sy ny fahapotehana naterany, miadihevitra ny mponina maro manerana ny tontolo Arabo raha sazy noho ny fahatezeran’Andriamanitra no anton’ny  tafio-drivotra – mba hamaizana ireo tsy tokam-po sy ho fanasaziana noho ny politika ivelany Amerikana. Tena matotra.

Nanontany I Abdulaziz Alhies hoe nahoana I Sandy no nanaitra ny maro raha namely ny morontsiraka Atsinanan’i Etazonia [ar]:

ترى إعصار #ساندي ضرب جامايكا وهاييتي وكوبا والدومينيكان بعد.. ولا القلب مايشوف غير أميركا!

@azizAlhies: Namely an’I Jamaica, Haiti, Kiobà sy Dominikana ihany koa i Sandy .. sa tsy mahita afa-tsy Amerika ihany ny fo

Nahasarika olona kokoa ny fitantarana “kely” nataon’i Nizar Mohammed Othman momba ny tafio-drivotra Sandy, raha oharina amin’ny fahanginana manoloana ny habibiana natao tamin’ny mponina Syriana. Hoy izy nisioka:

يهللون لرجل ينقذ كلبا من إعصار ساندي، ويغضون الطرف عن أسد يبيد أطفال سوريا، أهو عشق الحيوانات؟

@NizarAbdalla: Midera lehilahy namonjy alika nandritra ny tafio-drivotra izy ireo ary tsy te-ahalala amin’ny famonoan’i Assad ireo ankizy ao. Fitiavana biby ve izany?

Tao amin’ny  Almoslim.net, Sheikh Naser Al Omar nandrisika ny mpamaky mba ho faly manoloana ny faharavana nateraky Sandy. Hoy izy nibilaogy:

إن أمريكا هي قائدة الظلم والطغيان والجبروت في هذا العصر، استخدمت أموالها التي مكنها الله _جلّ وعلا_ منها في ظلم البشرية في مشارق الأرض ومغاربها، وتاريخ أمريكا تاريخ أسود على كل المستويات ، وفي شتى أنحاء العالم، وخصوصاً فيما يتعلق بالأمة الإسلامية، فأمريكا أمة كافرة باغية محادة لله ولرسوله – صلى الله عليه وسلم – ومحاربة للمسلمين، دنَّست كتاب الله وأهانته، قريبة من كل شرّ بعيدة عن كل خير، حامية الإرهاب في العالم. .
من الذي يدعم إسرائيل ؟
من الذي يحمي اليهود بلا حدود ؟
من الذي أباد أفغانستان ؟
من الذي دمر العراق ؟
من الذي يأخذ خيرات المسلمين في مشارق الأرض ومغاربها ليعيدها لهم صورايخ وقنابل ورؤوساً نووية ؟

Amerika no lehiben’ny tsy fahamarinana sy ny fampijaliana tamin’izany vanim-potoana izany. Ampiasainy hanaovany tsy rariny manerana izao tontolo izay ny vola nitahian'Andriamnitra azy. Maizina ny tantarany, amin’ny sehatra rehetra sy manerantany, indrindra raha mahakasika ny tontolo Islamika. Firenena mpamadika I Amerika, fahavalon’Andriamanitra sy ny mpaminaniny ary ny vahoaka Miozolomana. Nanimbazimba ny boky masina, ary nanitsakitsaka izany izy; akaikin’ny ratsy rehetra izy ary lavitry ny tsara rehetra; miaro ny fampihorohorona manerana izao  tontolo izao izy

Iza no manohana an’i Israely?
Iza no miaro tsy an-kiato ireo Jiosy?
Iza no nandrava an’i Afganistana?
Iza no nandrava an’i Iraka?
Iza no naka ny haren’ny Miozolomana tao Atsinanana sy Andrefana ary roketa sy baomba  ary nokleary no nasolony izany?

Al Omar nanohy hoe:

إن ما أصاب أمريكا هو قدر كوني وعقوبة من الله _جلّ وعلاّ_؛ لطغيانها وعصيانها وجبروتها وظلمها وبعدها عن الله _جلّ وعزَّ_..

Lahatra sy sazy avy amin’Andriamanitra ny zava-mitranga ankehitriny ao Amerika noho ny fampijaliana, tsy fankatoavana ary ny tsy rariny sy ny famadihana an’Andriamanitra

إننا عندما نرى هذه الرياح العاصفة تدمر أمريكا أو بعض ولاياتها نعلم أنها نعمة من الله _جلّ وعلا_ تستوجب الحمد والشكر والفرح

Raha mahita ny tafio-drivotra mandravarava an’I Amerika sy ny firenena sasany ao aminy, fatantsika fa tso-drano avy amin’Andriamanitra izany,izay mendrika hisaorana sy hifaliana.

Tao amin’ny Twitter, nahitana fihetseham-po tahaka izany. Rakan naneho-hevitra hoe:

أكتشفت ان ماعندنا وسطية ، ناس يدعون على أمريكا بالعموم ، و ناس يدعون لأمريكا بالعموم ، طيب أدعو الله أن يكفينا شر الكوارث عالعموم #ساندي

@Rakankov: Hitako fa tsy mahay mionona isika. Misy ireo olona manozona an’I Amerika manontolo ary ny hafa kosa mivavaka ho azy. Nahoana no tsy mivavaka amin’Andriamanitra mba hotahiany avokoa ny olona rehetra manoloana ny loza voajanahary?

Hoy I @OwaysKins nanohy:

من فرِح بـ #ساندي امريكا نسِي التفريق بين أبرياء شعبها الذين سيجتاحهم ، وبين أفعال حكومتها الذين سيتربعون في البيت الابيض ريثما ينتهي ..

@OwaysKins: Ireo faly manoloana ny tafio-drivotra Sandy dia manadino ny fahasamihafana eo amin’ireo olona tsy manan-tsiny iharan’ny loza sy ireo asa ataon’ny governemanta, izay mbola hijanona ao amin’ny Lapam-panjakana Trano Fotsy rehefa tapitra ny tafio-drivotra.

Kay, Sophisticated nanoratra hoe:

عقول متخلفه تتشمت في مصايب الغير، شو ذنبهم اليهال ولا الناس الباجيين في قرارات سياسيه وحروب عقدتكم ..

@k_a_world: Toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany, faly amin’ny loza mihatra amin’ny hafa. Inona no idiran’ny fijalian’ny ankizy sy ny vahoaka tsy manantsiny amin’ny fanapahan-kevitra politika sy ny ady?

Ejypsiana Abdulgawad Mohammed nihantsy ady:

أتمني سقوط#أمريكا الدولة المستبدة راعية #الارهاب في العالم لكني اتمني من الله ان ينجّي المستضعفين والأبرياء من هذا الاعصار

@abdelhawadmoha1: Manantena ny fihonganan’i Amerika aho, firenena mpampijaly izay manohana ny fampihorohoroana manerana izao tontolo izao, saingy matoky aho fa harovan’Andriamanitra ny tsy manan-tsiny amin’izao tafio-drivotra izao

Hoy izy nanohy:

أشعر بالضيق ممن يخافون علي هلاك أمريكا ويدعون لهم بالنجاة ولم يرفعو ايديهم للدعاء للمسلمين المشرّدين في#بورما

@abdelhawadmoha1: Manohina ahy ny mahita ireo miahiahy ny amin’ny faharavan’i Amerika sy mivavaka mba hiarovana azy. Tsy mba mivavaka ho an’ireo Miozolomana enjehina ao Burma anefa izy ireo

Nandritra izany, Ejipsiana Nasry Esmat namehy hoe:

بعد كم التعليقت الغبية اللي قرتها من عرب عن اعصار ساندي اعتقد أن مزبلة التاريخ هتكون افضل مكان ندخله .. مش بسبب الحقد لكن عشان الجهل

@nasry: Taorian’ireo fanehoan-kevitra tsy misy fotony, namaky lahatsoratra avy amin'ny Arabo momba ny tafio-drivotra Sandy aho, mino aho fa toerana tsara indrindra ho antsika ny boky maintin’ny tantara .. ary tsy noho ny fankahalana izany, fa noho ny tsy fahalalahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.