India: Mampanahy ny Fiparitaky ny Dengy ao Delhi

Taitra ny mponina tamin'ny herinandro raha nahare fa matin'ny dengy ilay maintimolalin'ny fanatontosana sy famokarana ary fanoratana sarimihetsika ao India, Yash Chopra (80),  ka mihanaka ny tahotra eny faritra sasany ao Delhi. Maharay antso maro avy amin'ireo marary ahiana ho tratran'ny dengy ireo mpitsabo, ary mitady tolo-kevitra ara-pitsaboana.

Nahitana Fitomboan-trangan'aretina dengy tao Delhi ny nandritra ny volana lasa ary maro ny isan'ny maty. Ny faritra atsimon'ny renivohitra indiana no tena voadona mafy amin'izany. Tsy niandry ela moa ireo mpisera aterineto nampahafantatra ny fisian'izany valanaretina izany tao amin'ny Twitter:

DelhiSMENews: Nahitana fitomboana valanaretina dengy ao Delhi, 75 no voambara nandritra ny faran'ny herinandro http://t.co/aQbVuL2i #News #Delhi

MitKat_Advisory: Mahatratra 901 ny trangan'aretina dengy ao Delhi : tokony handray fepetra entina hiarovana ny dengy ireo olona mivahiny any Dehli.

Moka mitsetsitra rà. Saripika mrfiza copyright Shutterstock.

YearOfRat: Nahita farafahakeliny 30 tao amina hopitaly iray omaly.

Nefa dia milaza ny Fiadidiana ny tanànan'ny Delhi fa tsy misy ahiana amin'izany. Ankilany anefa, dia sorena ny governemanta amin'ny tsy fahampian'ny fanairana sy fampahalalàna momba ny moka ary ny fanentanana atao amin'iny faritra iny ataon'ny monisipalite sy ny sampan-draharaha hafa. Misy tatitra  trangana Dengy koa any amin'ny faritra hafa ao amin'ny firenena.

Mampiasa ny Twitter sy Facebook ihany koa ny misera mba hifarimbonana (ifanampiana) amin'ny sokajin-dra vitsy tadiavin'ny marary:

an_tyagi: Mba vonjeo azafady. O-negative (sokajin-drà) #ilaina maika ao #Delhi. Tena tranga lalina zava-dehibe izany #. mba antsoy ny +919811916830. Miangavy RT @FRAZASAD

Dokotera Kenyana monina ao Dheli nibilaogy ny tahony mahita ny fihombon'ny aretina amin'ny vatan'ilay mararin'ny dengy:

Tsy mitsahatra manara-maso ahy eo amin'ny fitaratra mihitsy aho  ary ankehitriny, mahita ireo mandreraka ireo any amin'izay itodihako rehetra. Hitako maniditsidina mangina eny an-dalana eny ry zareo (mifindra amin'ny alalan'ny kaikitry ny moka amin'ny atoandro ny dengy). Henoko mitsaingotsaingoka any amin'ny feko any rehefa mandeha eny an-dalana aho. Manifika an-dry zareo ao an-damosiko hatrany aho (na dia miakanjo aza aho). Mieritreritra aho hoe angamba tratran'ny ratram-po vokatry ny fahasorenana (rarintsaina) nataon'ny moka.

Nanoratra i Robin hoe:

Fantatro fa tsy ny moka rehetra no mitondra dengy, saingy tsy azoko hadihadiana tsirairay izay moka manaikitra ahy, ka isak'izay mahita aho dia tahaka ny bibilava ka tsapako fa rehefa avy manaikitra io fa tsy hisy olona ho avy ka hahafantatra na maty aho na velona eto amin'ity toerana vaovao ity.

Manadio ny efitrano manontolo hatrany aho ary tsy mamela na dia rano kely hiandrona eny akaikikaiky eny, mampiasa famonoa-moka ihany koa saingy tsy voafehy zareo sady manaikitra ahy tsy haiko hoe amin'ny fomba ahoana.

Izay no mahatonga ny dengy ho mampatahotra ahy hatrany hatrany,isan'andro.

Nanome soso-kevitra ihany koa ny bilaogera hanalavirana ny dengy.

Milaza i Dr. B. P. Tyagi:

Hitondra fisiana krizin'ny fisefoana, dengy ary tazo mafimafy kokoa ny fiovan'ny toetr'andro tampoka miaraka amin'ny orambe ao Delhi.

Hampidi-doza bebe kokoa amin'ny mety hisian'ny dengy sy mampitombo ny tazomoka ny orana tsy amin'ny fotoanany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.