Filipina: Fanairana “Epal” Zava-Mahamenatra Ataon'ny Mpanao Politika Hita Ao Amin'ny Aterineto

Herintaona latsaka alohan'ny fifidianam-pirenena 2013, namoaka fanentanana tao amin'ny aterineto ny mpiserasera, fanairana manohitra ny fomba fanaon'ny mpanao politika Filipina “mahamenatra” amin'ny fametrahana ny anaran'izy ireo amin'ny tetikasan'ny governemanta izay tohanana na/sy ampian'ny minisiterany.

Petahana marika hoe “epal” ireo mpanao politika, “epal”, tenin-jatovon'ny Filipino midika hoe “tandremo mpangalatra,” noho ny fampiasana ny volam-bahoaka sy ny fandraharan'asa  hoentiny hanandratana ny tenany amin'ny alalan'ny “tarpaulins” na dokambarotra eny amin'ny fiara fitaterana sy ny fitaovana dokambarotra hafa.

Mampirisika ny vahoaka handefa sary mampiseho hoe mpanao politika “epal” ao amin'ny bilaogy #epalwatch ireo tompon-kevitra amin'ny fanentanana. Efa maherin'ny 33.000 ireo olona nanindry ny “tiako-j'aime-like” ny pejy Facebook manohitra ny epal ary fandefasana sary am-polony avy amin'ny mpiserasera.

Miara-miasa amin'ny orinasam-pifandraisana sy serasera iray, Kwan Initiatives, ihany koa ry zareo amin'ny fampidirana fampiharana [application] vaovao nasongadina amin'ny smartphone antsoiny hoe Instapatrol.

Amin'ny alalan'ity tetikasa vaovao ity dia mora kokoa ho an'ny mpisera Instapatrol ny fizarana sary tamin'ny tondra-drano, fitohanana, arabe misy lavaka, sy izay sary ahitana ireo zava-mahasosotra andavanandro ary eo ihany koa ny sarina “epal” ataon'ny mpanao politika .

Ahitana sary somary tsotra ka hatramin'ny kanto indrindra ny ohatra amin'ireto sary “epal” nalefa tamin'ity habaka ity. Ity ny takelaka avy amin'izay lazaina fa taranaka mpanao politika (dynastie) ao atsimon'i Filipina, faritanin'i Davao del Sur, nofaritan'ny afisy ho toy ny “sarim-pianakaviana.”

 

Rindrina manaraka ny arabe lehibe sy sakeli-dalana, tahaka ireo ao Manila hita eto ambany, samy tratrany avokoa.

Fiaran'ny governemanta.

Arahabaina nahatratra Halloween tarpaulin ahitana ny tarehin'ireo manampahefana ao amin'ny governemanta.

Zavatra omena ho fanampiana noho ny voina anaovana “fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana.”

Henika avokoa na dia ny sehatra virtoalin'ny Facebook sy tambajotra sosialy hafa aza. Ny rahalahin'ny filoha Noynoy Aquino io izay mirotsaka hofidiana ho loholona:

Tsy afa-bela na dia ny dibera vita amin'ny voanjo aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.