Ghanà: Fampahalalàna An'i Agnes Chigabatia – Mpanao Politika Vehivavy Ghaneana

Nisy ny ezaka lehibe nataon'ireo vehivavy teo amin'ny sehatry ny politika Ghaneana. Ghana Decides, tetikasa tsi-mitanila izay mikendry ny hanome vaovao araka ny tokony ho izy ho an'ireo mpifidy mikasika ny fifidianana malalaka, madio sy azo antoka amin'ny fifidianana 2012, tamin'ny alalan'ny fampiasana fifampitam-baovao sosialy no nijerena ny mombamomba ilay kandida parlemantera Agnes Chigabatia.

Mpikambana teo aloha tao amin'ny Antenimiera ao amin'ny fari-piadidiana Avaratr'i Builsa tamin'ny Antenimiera Faha-efatra nandritra ny Repoblika faha-efatra nanomboka ny 7 Janoary 2005 hatramin'ny 7 Janoary 2009 izy. Minisitra-lefitra tao amin'ny faritra Ambony Atsinanana ihany koa izy nanomboka ny taona 2005 ka hatramin'ny 2009.

Tetikasa eo ambanin'ny fiahian'ny Blogging Ghana, fikambanana bilaogera Ghaneana, ny Ghana Decides, .

Vehivavy mpanao politika Ghaneàna, Agness Chigabatia. Sary: ghanadecides.com

Nizara ny tantarany tao amin'ny Ghana Decides ny antony nirotsahany tamin'ny sehatry ny politika izy:

Nilaza izy fa tao Avaratr'i Ghanà no nahalehibe azy: tsapany ny fahorian'ireo olona, indrindra ny tanora sy ny vehivavy any ambanivohitra izay mila tosika amin'ny fampandrosoana ny tokatranony sy ny fiarahamoniny. Amin'ireo fitaovana eo am-pelatanany, niditra mpikambana tao amin'ny fikambanam-behivavy Builsa ao Accra izy ary noho ny asa fikirizana nataony, voafidy ho filohan'ny fikambanana izy tamin'ny taona 1995. Tamin'ny taona 2002, nozarainy roa ny fikambanam-behivavy Builsa, ka natsangany tao Bolgatanga, ao amin'ny faritra Atsinanana Ambony ny iray. Nandray anjara tamin'ny fananganana ny Fikambanam-behivavy An-Tampony (Top Ladies Association) ihany koa izy mba hampiray ireo vehivavy avy ao amin'ny faritra Kasena/Nankana ao Avaratr'i Ghanà.

Nofaritany tao amin'ny lahatsoratra ihany koa fa:

Tamin'ny taona 1997, taorian'ny tondra-drano izay nandrava trano marobe tao Builsa, nikarakara fanasana fiaraha-misakafo izy mba hanangonam-bola hanampiana ireo tra-boina tamin'ny tondra-drano. Nilaza izy fa nampirisika azy hirotsaka amin'ny antoko politka mavitrika  ny fahombiazan'izany tetikasa izany  mba hanampiany ireo vahoaka ao amin'ny faritra Atsinanana Ambony. Tamin'ny taona 2000, niditra mpikambana tao amin'ny Antoko Tia Tanindrazana Vaovao izy (NPP) ary tamin'ny taona 2004, nahazo seza tao amin'ny Antenimiera ao amin'ny fari-piadidina Avaratr'i Builsa izy. Tamin'ny 2005, voatendry ho Komitin'ny Fiarovana ny zon'ny Ankizy sy ny Fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy tao amin'ny antenimiera izy ary notendrena ho minisitra-lefitra ao amin'ny faritra Ambony-Atsinanana.

Amin'ny maha-mpikambana azy ao amin'ny antenimiera sy maha Komity mpiaro ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy azy, nandray andraikitra mavitrika tamin'ny famolavolana ny lalàna momba ny herisetra an-tokantrano i Agnes Chigabatia. Nahazo fampindramam-bola madinika avy amin'ny Minisiteran'ny Vehivavy sy ny Ankizy izy tao amin'ny fari-piadidiany mba hampiroborobo ny sehatry ny varotra ho fanohanana ireo fokonolona.

Namariparitra ny tetikasa momba ny fambolena hoentina hampandraisana andraikitra ny vehivavy ao amin'ny fari-piadidiany izy:

Rehefa tafala tamin'ny sezany izy tamin'ny taona 2009, tsy nitsahatra nanasoa ny mpiara-belona aminy ao amin'ny fari-piadidiany izy. Ankehitriny dia manatontosa tetikasa mampivondrona ny vehivavy izy mba hirotsaka amin'ny seha-pambolena midadasika toy ny fambolena voanjo, sorgho, ampemba (millet), tsaramaso, vary, etc., ary koa ny fanamboarana savony sy ny sehatr'asa hafa mampidi-bola.

Mbola nirotsaka hofidiana tao amin'ny Antenimiera tao amin'ny lisitra Antoko Tia Tanindrazana Vaovao (New Patriotic) Avaratr'i Builsa indray i Agnes Asangalisa Chigabatia. Niaro mafy ny sehatry ny voanio madinika (sheanut) izay tsy mitovy ny famokarana kakaô. Amin'ny firoboroboan'ny indostrian'ny fanolokoloana ny tava ao Ghanà sy manerana izao tontolo izao, manantena izy fa hiteraka fidiram-bola betsaka ao amin'ny firenena sy ho an'ny mpamboly ny famoronana sehatra miavaka amin'ny voanio madinika (sheanut), izay mbola tsy bahanan'ny kakaô.

Nilaza izy fa ny tetikasany voalohany, rehefa hanao fianianana hiasa izy, dia ny fampiasana ny ampahan'ny vatsy iraisan'ny depiote ho fanitarana ny sampan-draharaha fitsaboana ho an'ny ankizy ao amin'ny hopitaly ao amin'ny distrika iadidiany, izay nolazainy fa kely loatra ka tsy maharaka ny fitomboan'ny mponina. Araka ny filazany, rehefa mahaleotena tsara ny renim-pianakaviana isaky ny tokantrano ao amin'ny fari-piadidiany, dia ho azo tsapain-tanana tao amin'ny fiarahamonina ny tombotsoa azon'ny tokantrano rehetra sy ny vokatry ny asa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.