Meksika: Reny Amerikana Tafovoany Ampikarohana Ireo Mpifindra-monina Tsy Hita Ny Nalehany

Araka ny tarehimarika avy amin'ny Mesoamerican Migrant Movement [es], nandritra ny enin-taona farany teo, manodidina ny 70.000 eo ho eo ireo mpifindra monina [es] nanjavona tao Meksika. Nandritra ny taona maro, nivezivezy manerana an'i Meksika ireo renim-pianakaviana Amerikana Tafovoany manana mpifindra-monina very na nisy naka an-keriny mba hitady ny zanany izay tsy hita popoka raha nizotra nianavaratra.

Fizorana lava mahafaty ny làlana fampiasan'ny mpifindra-monina Amerikana Tafovoany izay mandalo ao Meksika mankany Etazonia. Maro tamin'ireo mpifindra-monina no namoy ny ainy ao anatin'izany fiezahana izany, ary rehefa tonga ao Meksika izy ireo dia mizaka ny mafy vokatry ny toetr'andro mafana tafahoatra, ny hanoanana, ny herisetra ary ny fanararaotana ataon'ireo vondrona mpamono olona sy ny manam-pahefana.

Na dia mbola tsy nahita ny zanany aza ireo renim-pianakavianin'ireo mpifindra-monina, manantena hisarika ny fifantohan'ireo fampahalalam-baovao izy ireo mba hanentana mikasika izao olana tsy mba raharahiana izao.

Jose Leonidas Moreno, missing migrant

Renim-pianakaviana milanja ny sarin-janany lahy, Jose Leonidas Moreno, mpifindra monina tsy hita. Sary: Mario Marlo tao amin'ny @Somoselmedio,  Creative Commons license (CC BY-NC-SA 3.0)

Mitantara ny antony lehibe mahatonga ny dian'ireo renim-pianakaviana Amerikana Tafovoany sy ny toerana hotsidihany i Omar Sanchez de Tagle ao amin'ny Animal Politico [es]:

La idea de esta caravana es recorrer la llamada ruta migrante que comprende unos 4 mil 600 kilómetros a lo largo de 14 estados y 23 localidades. De acuerdo a distintas organizaciones no gubernamentales dedicadas a la defensa del migrante, este recorrido tiene como finalidad denunciar que la inseguridad, el secuestro y homicidio de migrantes ha ido en aumento en los últimos seis años.

Ny anton'ny fanaovana valalamanjohy dia ny handehanana any amin'ilay lalàna antsoina hoe làlan'ny mpifindra-monina, izay eo amin'ny 4.600 kilometatra mamakivaky firenena 14 sy faritra 23. Araka ny filazan'ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana misahana ny fiarovana ny mpifindra-monina, ny tanjon'izao valalamanjohy izao dia ny hanehoana fa tsy nitsaha-nitombo ny tsy fandriampahalemana, ny fakàna an-keriny ary ny vono olona mihatra amin'ireo mpifindra-monina, tao anatin'izay enin-taona lasa izay.

Suyapa Socorro walks through the streets of Reynosa, Mexico, holding an image of her missing daughter. Photo by Mario Marlo

Suyapa Socorro mandehandeha manerana ny araben'i Reynosa, Meksika, mihazona ny sarin-janany vavy tsy hita popoka. Sary: Mario Marlo, tao amin'ny @Somoselmedio, Creative Commons license (CC BY-NC-SA 3.0)

Tao amin'ny bilaogy Somos El Medio [es], manazava ny toerana kasain'ireo mpandray anjara hijanonana mandritra ny valalamanjohy ny solontenan'ny Mesoamerican Migrant Movement:

En cada una de las 23 localidades donde pararemos contamos con el apoyo de una gran variedad de actores mexicanos solidarios quienes son los anfitriones locales: albergues de migrantes, colectivos, organizaciones no gubernamentales, Institutos de Migración de los Gobiernos de Tlaxcala y Tamaulipas y del Distrito Federal, universidades, activistas y defensores de los derechos de los migrantes, cuyos nombres se verán reflejados en la agenda de actividades de la caravana.

Isaky ny toerana 23 izay hijanonanay no ahazoanay fanohanana avy amin'ireo olom-pirenena Meksikana marobe isan-karazany izay mpampiantrano anay: mpifindra-monina mialokaloka, vondrona, fikambanana, Ivon-toeran'ny Fifindra-monina an'ny Governemantan'i Tamaulipas sy Tlaxcala ary ny tanànan'i Meksika, oniversite, mpikatroka sy mpiaro ny zon'ny mpifindra-monina, ka hasongadina ao amin'ny fandaharan'asan'ny mpanao valalamanjohy ny anaran'izy ireo.

Central American mothers participating in the caravan make and offering at a cross in memory of the migrants.

Renim-pianakaviana Amerikana Tafovoany mandray anjara amin'ny diabe, manolotra rakitra eo amin'ny hazo fijalliana ho fahatsiarovana ireo mpifindra-monina. Sary: Mario Marlo tao amin'ny @Somoselmedio, Creative Commons license (CC BY-NC-SA 3.0)

Marcela Salas Cassani, tao amin'ny bilaoginy Desinformemonos [es], nanoratra momba ny fahombiazan'ny tantaran'ny valalamanjohy tamin'ity taona ity:

La caravana de madres centroamericanas Liberando la esperanza, que tiene previsto visitar 15 estados de la República Mexicana en 20 días para localizar a migrantes desaparecidos en el camino hacia Estados Unidos,  ha comenzado a rendir frutos. Hasta el momento, son cuatro las personas que han logrado reencontrarse con sus familiares: Max Funes, Marvin Celaya, Gabriel Salmerón y Silverio Mateo.

Nanomboka nahitam-bokany ny valalamanjohin'ireo renim-pianakaviana Amerikana Tafovoany “Fanantenam-pahafahana” izay fantatra fa hitsidika firenena 15 ao amin'ny Repoblikan'i Meksika mandritra ny 20 andro, mba ahafahana mamaritra ny lalan'ireo mpifindra monina very nizotra ny lalana ho any Etazonia. Hatramin'izao, olona efatra no tafaverina soa aman-tsara teo anivon'ny fianakaviana: Max Funes, Marvin Celaya, Gabriel Salmerón ary i Silverio Mateo.

Mother participating in the caravan stands in front of photos of missing migrants.

Renim-pianakaviana mandray anjara amin'ny valalamanjohy mijoro eo anoloan'ny sarin'ireo mpifindra monina tsy hita popoka.  Sary avy amin'i Mario Marlo tao amin'ny @Somoselmedio,  Creative Commons license (CC BY-NC-SA 3.0)

Hitohy ao an-drenivohitr'i Meksika ny diabe izay efa natomboka amin'ny 27 sy 28 Oktobra izao ary hifarana amin'ny 3 Novambra ao Chiapas, Atsimon'i Meksika.

Azonao jerena ao amin'ny SubVersiones ireo sary marobe tamin'ny diaben'ireo renim-pianakaviana Amerikana Afovoany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.