Koety: Fihetsiketsehana Goavana Indrindra Ao Amin'ny Firenena?

Nampiasaina ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny grenady mba hanaparitahana ny fihetsiketsehana manohitra ny fanovana ny lalàm-pifidianana ao Koety. Nalefa tao amin'ny Twitter ny antso ho amin'ny diabe Karamat Watan (Fahamendreham-pirenena), izay natao tamin'ny Alahady, ary nahasarika olona teo amin'ny 150,000 teo tamin'ireo mponina 3 tapitrasa ao amin'ny firenena. Nanambara ny fampahalalam-baovao fa betsaka indrindra izany isa izany teo amin'ny tantaran'ny emiraty kelin'ny Helodrano.

Noho ny didim-panjakana manova ny lalàm-pifidianana avy amin'i Amir Sheikh Sabah al-Ahmad al-Sabah no nahatonga ny fihetsiketsehana, ka kandidà iray ihany no azon'ny olom-pirenena fidiana fa tsy efatra intsony, tahaka ny tamin'ny fifidianana solombavambahoaka Koesiana. Tsy ny fandavàna izany fanovana ny lalàm-pifidianana izany ihany no anton'ny fihetsiketsehana fa indrindra ihany koa noho ny hanoherana ny fanovana ny lalàna tsy nangalàna ny hevitry ny vahoaka na ny antenimiera. Nanomboka tamin'ny volana Jiona lasa teo, naaton'ny Emira ny Antenimiera Koesiana ary avy eo noravain'ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana noho ny “tsy fanajana fitsipika” tamin'ny fandravana ny antenimiera talohan'ity.

Nanao fihetsiketsehana ny mpanohitra nanomboka teo saingy tsy nahavita namory vahoaka be tahaka izao; na dia ny  liberaly “Tahalof” sy ny Pan-Arabista “Manbar” aza dia samy nandray anjara tamin'ny hetsika tamin'ny Alahady teo na dia eo aza ny tsy fifanarahan-kevitr'izy ireo momba ny mpanohitra Islamista-Konservativa.

Taminà dingana maningana ny nikarakarana tamin'ny alalan'ny Twitter ny fihetsiketsehana. Nanomboka niantso ho amin'ny fihetsiketsehana ny kaonty @KarametWatan [ar] (midika hoe Fahamendrehan'ny Firenena). Nangataka izy mba hanao loko famantarana ny lokom-boasary (mitovy ny hetsiky ny tanora tamin'ny taona 2006 izay nanova ny lalàm-pifidianana tamin'ny distrika 25 ho 5), ary nikarakara toerana hihaonana izy tamin'ny alalan'ity saritany manaraka ity:

The protest route

Ny lalana  handehanan'ny fihetsiketsehana, nozarain'i @KarametWatan tao amin'ny Twitter

Araka ny mahazatra, nampiasa Twitter ny Koesiana mba handefa sary sy lahatsary nandritra ny fihetsiketsehana. Indreto sasany tamin'ireo sary:

One of the signs the police asked its holder to drop

Tao amin'ny Twitter, nilaza i @NforNaser fa nasain'ny polisy nampidina ity afisy ity izy raha tsy izany hovonoiny. Hoy ny soratra eo amin'ny afisy: Atokiso ny vahoaka; aza atokisana ny rafitra

Sarin'ireo vahoaka marobe manao diabe nalefan'i @nourah_ibrahim

Mpanao fihetsiketsehana naratra teo amin'ny lohany (sary nozarain'i @BuNaWaFF)

Mpanao fihetsiketsehana maratra hafa teo amin'ny tongony nifatotra ( @3asalaswad)

Mpanao fihetsiketsehana mihazakazaka mitsoaka ny baomba mandatsa-dranomaso (@JanarlySpeaking)

Mba hampisehoana ireo vahoaka marobe, ny isany sy ireo antsoantso, nalefan'i Q8jo7a tao amin'ny YouTube ity lahatsary ity:

Ity indray lahatsary hafa ahitana ny diaben'ireo vahoaka marobe, nalaina lavitra ny sary, nalefan'i jozifanto:

Bilaogera Alziadi namoaka ity lahatsary mampiseho mpanao fihetsiketsehana mihazakazaka mitsoaka baomba mandatsa-dranomaso:

Tamin'ny Alatsinainy [22 Okt], nitatitra ny gazety amin'ny aterineto Sabr fa efa navoaka avokoa ireo mpanao fihetsiketsehana notànana:

@Sabrnews: عاجل/ إطلاق سراح جميع معتقلي مسيرة “كرامة وطن

Vaovao maika: Noafahana avokoa ireo rehetra voasambotra tamin'ny diaben'ny Fahamendrehan'ny Firenena

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.