Libanona: Iza No Namono Ny Lehiben'ny Mpitsikilo Wissam Al Hassan?

Voarohirohy tamin'ny fahafatesan'ny lehiben'ny sampam-pitsikilovana Libaney, Wissam Al Hassan, namoy ny ainy noho ny fipoahana baomba omaly [20 Okt] tao Beirota,  avokoa na i Syria, i Iran, ary ny Hizbollah, izay namoizan'ain'olona sivy ihany koa ary naharatràna olona teo amin'ny 80 teo .

Nofehezin'i Joyce Karam toy izao ny fijeriny taoriana ny fipoahana:

@Joyce_Karam: Tsy isalasalana fa ity no andro ratsy indrindra tao #Libanona hatramin'ny niandohan'ny ady tamin'ny 14 Febroary 2005 sy 2006. Noho ny fahalemena anatiny + rezionaly, miharatsy hatrany ny toe-javatra.

Hoy izy nanampy:

@Joyce_Karam: Raha misy ny fotoana mety ho amin'ny governemanta iraisam-pirenena ho an'i #Libanona, izao no fotoana. Niha-nitombo ny loza nanomboka tamin'ny 2005.

Satria miha-mitombo ny korontana ao Libanona, saiky ny olona rehetra – no nahazo kiana.

Nervana nibilaogy toy izao:

Raha ny Afovoany Atsinanana no resahana, ny tsy fisian'ny mangarahara sy ny tsy fandraisana andraikitra no manjaka, sarotra ny hangina sy hisaina ary hanatsoaka fehin-kevitra ara-drariny amin'izany. Raha ny zava-misy, haingana loatra, tetika tsotra hamahana olana sy hampisy tontolo manjavozavo tsy ahafahana mahita ny marina ny vono olona ara-politika ao amin'ny faritra misy ahy amin'izao tontolo izao. Na izany aza, mahatsikaiky ahy ny fahitana fa ireo izay niampanga an'i Al-Hassan ho mpitsikilo Israeliana indray ankehitriny no miampanga an'i Israely ho ambadik'ilay vono olona.

Avy eo niresaka momba ny zava-mety niseho mikasika izay nahavita ny vono olona izy – sy ny antony izany.

An empty street in Beirut

Arabe tsy misy olona ao Beirut, sary nozarain'i  Yasim Comert tao amin'ny Twitter

Yesim Comert nizara ity sarin'arabe tsy misy olona ao Beirota ity tao amin'ny Twitter. Hoy izy nanoratra:

@yesimcf: Foana ny arabe mahafinaritra ao #Beirut androany taorian'ny fipoahana baomba tamin'ny fiara tao #Libanona pic.twitter.com/vd51K6jg

Patrick Baz nanampy hoe:

@Patrick_Baz:Tahaka ny tanàna nilaozana i #Beirut. Mahamenatra fa nizarazara be ny Libaney tsy toy ny tamin'ny  taompolo 80, hita tokoa fa tsy nisy fiovana tao #Libanona

Tao amin'ny Twitter ihany, naneho ny alahelony noho ny fahalasan'ny Jeneraly Hassa ny Praiminisitra Libaney Najib Mikati. Hoy izy nanoratra:

@Najib_Mikati: Jeneraly Wisam Hassan# very olo-manga i #Libanona sy ny tenako, olona miavaka sy marani-tsaina izy. Mangataka amin'i Tompo aho mba handray ny fanahiny handry am-piadanana. N.M.

Taminà sioka hafa, hoy izy nanambara:

@Najib_Mikati: #tazomiko ny #fametràm-pialako ho tombotsoan'ny filaminana ao Libanona. Tsy safidiko ny #Korontana! Firaisam-be nasionaly# tombotsoa ho an'i Libanona!

Tsy voatànan'i Tom Gara ny sentony:

@tomgara: Ady an-trano vaovao ao Libanona, mitovy ny fahafatesan'i Hosni Mubarak, samy matoky ny tsirairay fa ho avy izany kanefa mbola tsy tontosa.

Nizara ny fanamarihana tsara avy aminy i Kam, lebaney:

@kamtweeting: Aty amin'ny fireneko, Libanona, firenena tsy mba matory izany, fanantenan'ny fahombiazana sy ny filaminana. Androany alina, latsaka ny ranomaso, & rahampitso…nofy tsaratsara kokoa.

Ahitana angon-tsary nandritra ny baomba nipoaka sy ny voka-dratsin'izany ity pejy facebook ity [Fampitandremana: Mampihorokoditra ny sary sasany].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.