Malawi: Mpanao Gazety Amin'ny Aterineto Nosamborina Fa Hoe Nanompa Ny Filoha

Nosamborina tany Blantyre ny marainan'ny Alatsinainy, 15 Oktobra 2012 i Justice Mponda mpanao gazety amin'ny aterineto, noheverina fa niteny ratsy ny filoha, nanaparitaka vaovao tsy marina ary nanala baraka. Miasa ao amin'ny tranonkala vaovao Malawi Voice (Feon'i Malawi) i Mponda.

Nanoratra ny mpanao gazety Pearson Nkhoma Miady hevitra ny amin'ny fahatongavan'ny fandrosoana vaovao noho ny volavolan-dalàna vaovao misahana ny aterineto (E-bill) :

…mipetraka ny fanontaniana hoe fanjakana demokratika ve sa jadona ny an'i Malawi  izay mangataka ny vahoaka hanaraka ny hevitry ny governemanta …
Amim-panesoana, ny Lalàmpanorenana Malaoita, indrindra ny andininy 35 sy 36, dia manamafy fa ” hanan-jo amin'ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra ny olona” ary “hanan-jo mba hitatitra sy hamoaka an-kalalahana, eto Malaoi sy any ivelany, ary mba ekena ny fitaovana ampiasaina hampitàm-baovao any amin'ny vahoaka.

malawivoice.com mpanao gazety Justice Mponda. Sary mendrika avy amin'ny  malawivoice.com

Mbola tohizany:

Noho ny fitaovany, dia nandefa Land Cruisers mavesatra sy tsy laitram-bala ho any amin'ny mpampiasa aterineto Justice Mponda izay voampanga ho nanely vaovao tsy marina sy niteny ratsy ny Filoha mandrak'izao ny Governemantan'i Joyce Banda .

Ny E-Bill dia atao mba hifehazana sy hanaraha-maso ny serasera amin'ny aterineto any Malawi.

Ny vondron'ny haino aman-jery aty amin'ny faritra Atsimon'i Afrika  (MISA) dia efa naneho ny amin'ny volavolan-dalàna ary nanameloka ny fisamborana an'i Justice Mponda:

[…]ankehitriny nidina hatrany ifotony any amin'ny firahalahian'ny haino aman-jery ny governemanta Malaoita izay misy ny Toko misy an'i Malaoi antsoin'ny vondron'ny haino aman-jery aty amin'ny faritra Atsimon'i Afrika hoe : “singa lany andro tamin'ny lalàna navoaka tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany mba hamoretana ny fivakisana mba hanandratana ny fahambonian'ny fanjanahan-tany”.
Amin'ny alàlan'ny fitaovany, dia nandefa Land Crusers tsy laitram-bala roa ho any amin'ny mpiserasera amin'ny aterineto Juste Panda izay ampangaina ho namoaka vaovao tsy marina sy niteny ratsy ny Filoha ny governamantan'i Joyce Banda.
Mandrak'izao, dia nanao fanambaràna mavesa-danja an-gazety ny MISA miantso ny hanafahana haingana an'i Mponda
Nanazava io fanambaràna io fa ” tohina sy malahelo mafy tamin'ny nitazonana an'i… Mponda ny MISA [amin'ny fototry ny lalàna izay] efa lany andro sy tranainy be ho an'ny firenentsika”.
Raha araka ny MISA,  “ny lalàna lany andro dia tsy manana anjara amin'ny demokrasia”.
Io lalàna fototra io dia miantso ny governemanta hiala amin'ny fanaovana ny firenena  toy ny tamin'ny andron'ny fanjanahana amin'ny fampiharana ny lalàna tahaka izao.

Ankoatra izany, ny E-Bill dia mamaritra :

[…] indrindra ny andraikitry ny mpampiasa ny asa ara-teknika sy ny tonian-dahatsoratry ny [gazety] aterineto.

Ny toko faha-telo ao amin'ny Fizarana III amin'ny volavolan-dalàna, izay mitondra ny lohateny hoe ‘ fiarovana ny mampiasa aterineto sy ny andraikitry ny mpanelanelana sy ny tonian-dahatsoratra’, no mamaritra hoe iza no tonian-dahatsoratra voalaza ao amin'ny andininy 23.

Io lalàna io dia mamaritra ny orinasa ho toy ny mpanelanelana, tsy mifidy na olona araka ny lalàna io na olona ara-batana, na vondrona inona na vondrona inona izay mamatsy ny asa serasera nomerika ahitana ny famatsiana amin'ny fahazoana tambazotran-tserasera, sy ny fanatobiana na fandefasana ny vaovao amin'ny tambazotran-tserasera.

Voalazany andininy ao amin'io volavolan-dalàna io fa ny tonian-dahatsoratry ny serasera dia tsy maintsy manome ao amin'ny fafana ho an'ny daholobe amin'ny aterineto ny anarany, ny adiresiny, ary ny laharan'ny findainy.

Amin'ny Zachimalawi no hitantaran'ny bilaogera Richard Chirombo amin'ny namany Malaoita monina any Afrika Atsimo izay manantena fa tokony hatao amim-pahamarinana io raharaha io :

Manantena aho fa ny fiampangana azy ho mikomy, miteny ratsy ny Filoha Joyce Banda ary ny fandisoana ny vaovao mikasika ny disadisa amin'ny moron-dranon'ny farihy Malaoi sy Tanzania dia tsy marina.  Manantena aho fa amim-pahamarinana no hikarakarana ny momba azy, ary amin'ny fiezahana faharoa dia  hahazo ny fahafahana vonjimaika ny mpisolo vava azy.  Mahatsapa aho fa tafiditra manokana amin'ity raharaha ity ary manantena ny tsy ho diso fanantenana amin'ny farany.
Nihorohoro!

Miteny i John Kazibwe manadihady amin'ny pejin'ny Facebookn'ny Malawi Voice, dia :

Manaraka ny dian'ireo teo alohany Banda tahaka an-dry Kamuzu sy Bingu. Izy no tena Jezebela.

Manantena fitsaràna haingana sy marina Mafunga :

Ô ry zalahy, avelao ny lalàna hanaraka ny làlany. Mila fitsaràna haingana isika mba hahafantarantsika ny ho tohiny. Tsy mora ho an'ny mpanao gazety tahaka azy ny mitantara lainga, nefa azony atao ny manao izany. Manantena aho fa manana fiampangana azo ekena ny mpitandro filaminana ,raha tsy izany dia fambara ratsy. Manantena ihany koa aho fa manana fiarovan-tena mafy amin'io tantarany io Atoa Mponda.
Amin'ny ankapobeny, manantena aho fa karakaraina amin'ny fitondran-tena marin'ny “tsy manan-tsiny izy mandra-pahita ny porofo mifanohitra amin'izany”

Nokianin'ny Malawi Voice  ny governemantan'i  Joyce Banda hatramin'ny nahazahoany ny fahefana :

Namoaka lahatsoratra milaza fa nomen'i Joyce Banda [Filohan'i Malaoi] famotsoran-keloka i Agala Festone Kuiwenga mpanolana, iray volana taorian'ny nanalavan'ny Fitsarana Hig herintaona ny saziny 8 taona an-tranomaizina noho ny halehiben'ny asa ratsy vitany. Nomeny famotsoran-keloka ihany koa George Allan Nyambi, mifandray amin'ny lehiben'ny Nyambia-n'ny Machinga. Nohelohina ho namono olona i Nyambi.
Na izany aza, hampanginana ireo feo manohitra, dia nidina tany amin'ny mpiasan'ny haino aman-jery ny governemanta Malaoita hanenjika ireo izay miteny ratsy ny Filoha, mamoaka tantara tsy marina mety hiteraka hatezeram-bahoaka amin'ny Filoha.

Nahazo fahafahana vonjimaika i Mponda ary amin'ny 16 Novambra 2012 ny fitsarana azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.