Torkia: Gadra Politika Kiorda An-jatony Mitokona Tsy Mihinan-Kanina

Niditra tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina intsony ireo gadra politika Kiorda an-jatony, manohitra ny fomba fitondran'i Torkia ireo gadra politika Kiorda. Tamin'ny alalan'ny hetsika nataon'izy ireo, nangataka ny hamerenana ny fitsarana azy sy ny zo hiteny ny sasany, ny hafa kosa maniry ny hisarika ny sain'ny iraisam-pirenena momba ny fomba fitondran'i Torkia ny gadra politika Kiorda. Na dia eo aza ny fitokonana tsy hihian-kanina, izay efa naharitra enina herinandro teo, tsy nahenom-peo ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena. Tsy dia mahagaga loatra izany, satria tsy noraharahian'ny fampahalalam-baovao ao Torkia izany fitokonana tsy hihinan-kanina izany ary nandà tsy hitatitra izany izy ireo.

Nanazava ny fomba niandohan'ny hetsika ilay bilaogera Kiorda, Memed Boran, monina ao London, hoy izy nanazava;

Tamin'ny 12 Septambra 2012, nanomboka nitokona tsy hihinan-kanina ao anatin'ny fotoana tsy voafetra ny vehivavy gadra miisa sivy sokajy gadra E ao Diyarbakir. Tamin'ny fanambarana nataon'izy ireo tamin'ny mpisolovavany, fitakiana roa no nasongadin'izy ireo: ny zo hampiasa ny tenindrazany Kiorda eny amin'ny sehatra rehetra, anisan'izany ny fitsarana ary koa ny fanafoanana ireo sakana tsy ahafahan'ny lehiben'ny Kiorda Abdullah Ocalan mifampiraharaha amin'ny fanjakana Tiorka momba ny resaka filaminana. Taty aoriana, nanomboka nitokona tsy hihinan-kanina ihany koa ireo gadra maro hafa, lehilahy sy vehivavy, isaky ny fonja ao Torkia; indraindray isaky ny vondrona na koa isaky ny fonja  tsirairay. Ankehitriny, gadra 380 no ao amin'ny fonja 39 no ao anatin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina daholo ary hanjary ho “fahafatesana haingana” izany.

 

Tsy fantatra ny isan'ireo gadra politika Kiorda, saingy araka ny filazan'ny Fikambanana Miaro ny Zon'olombelona, an'arivony eo ny isan'ireo gadra politika ao Torkia, izay nahatonga ny mpikatroka hino fa izy rehetra ireo, na ny ankamaroan'izy ireo no mitokona tsy hihinan-kanina. Nilaza i Elif avy ao Torkia, Istanbul fa nisafidy ny tsy hiraharaha ireo Kiorda mitokona tsy hihinan-kanina ny fampahalalam-baovao, ary mety ho maro amin'izy ireo no ho faty atsy ho atsy.

Mpikatroka iray manohana ny Kiorda, izay nisioka tamin'ny anarana @Hevallo no niezaka fatratra nitarika ny olona tao amin'ny Twitter mba handefa Vitamin B1 ho an'ireo gadra mitokona tsy hihinan-kanina, mba hampihena ny faharatsian'ny fahasalamany, sy ny vokadratsy mety tsy azo sorohana, dia ny fahafatesana.

Tao amin'ny Facebook, hoy i Sedat Yezdan nilaza:

Tao anatin'ny telo taona lasa, Kiorda maherin'ny 10.000 no nosamborin'ny fanjakana Tiorka, izay mpianatra, ankizy, renim-pianakaviana, mpikatroka, mpanao gazety, mpisolovava, dokotera, ben'ny tanàna, Solombavambahoaka, sy olona maro mpikambana ao amin'ny Antoko Filaminana & Demokrasia (BDP).

Karazana hetsika tsy misy herisetra ny fitokonana tsy hihian-kanina, ary na dia eo aza ny fitomboan'ny isan'ireo gadra mitokona tsy hisakafo, fanahy inian'ny fampahalalam-baovao Torkia tsy noraharahiana mihitsy ny mahazo azy ireo, angamba manantena izy ireo fa amin'ny alalan'ny fahanginany, tokony hanaraka ny ataony koa ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miaro ny Zon'olombelona. Manome vahana ireo fampahalalam-baovao tsy miraharaha ny fitantarana momba ireo gadra mitokona tsy hisakafo ny tsy fisian'ny fanadihadiana mikasika ireo gadra, mahazo vahana indrindra ireo mpanao gazety izay mitaraina fa noho tsy fahampian'ny fitaovana eo ampela-tànana no tsy hitantaran'izy ireo izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.