Arabia Saodita: Miaka-peo ny Hetsika Vehivavy Hitondra Fiara Ary Miampanga ny Politikan'ny Governemanta

Saodiana mpiaro ny zon'ny vehivavy i Manal al-Sharaif, fantatra tsara amin'ny andraikitra iantsorohany amin'ny hetsika Women2Drive (VehivavyHanamory). Tamin'ny volana Mey 2011, nandrakitra lahatsary ahitana ny sariny izy, izay mihantsy sy manohitra ny fandràrana ny vehivavy tsy hanamory fiara. Taorian'ny famoahana ny lahatsary, nosamborin'ny polisy mpitsikilo izy ary notànana nandritra ny sivy andro, nandritra izany, niantso ho amin'ny fanafahana azy ny  Human Rights Watch (Mpanara-maso ny zon'olombelona), sy ny Amnesty International ary fikambanana iraisam-pirenena hafa.

Nanao hetsika fanafoanana ny fandraràna ny zon'ny vehivavy hitondra fiara ny Women2Drive, izay nantsoina hoe Right2Dignity (Zo ho amin'ny Fahamendrehana) taty aoriana, vehivavy mitondra fiara sy manohana ny raharaham-pitsarana ifandirana amin'ny Minisiteran'ny Atitany noho ny fandàvany hanome taratasy fahazoan-dalana hitondra fiara ho an'ny vehivavy no karakarain'izy ireo isan'andro nandritra ny hetsika. Nanao antso avo tamin'ny mpanjaka Saodiana Abdullah ihany koa izy ireo, ary manantena fiovana atsy ho atsy.

Na dia izany aza, zavatra iray tsy mba noraisina sy noraharahiana mihitsy raha tsy vao haingana: manome tsiny ny governemanta fitondràm-panjaka, izay hany tokana afaka manafoana ny fanavakavahana apetraky ny fanjakana.

Nandritra ny kabariny tamin'ny Forum momba ny Fahalalahana tao San Francisco tamin'ny 28 Septambra 2012, hoy i al-Sharif:

Tena zava-dehibe, tsy mba henoina sy raisin'ny fanjakatokana mihitsy ny antso ho amin'ny fiovana ataon'ny vahoaka izay mitaky tokimpanoavana (allégeance) amin'ireo olom-panjakana mba hanambara ampahibemaso fa izy ireo no hany tokana mpiaro ny finoana sy ny fiadanam-bahaoka . […] Tao anaty fahatsapana diso aho nieritreritra fa efa misokatra kokoa ny fiaraha-monina Saodiana ary efa manomboka manome vahana sy tombotsoa ho an'ny vehivavy ny governemanta, saingy hitako anefa fa tena diso fihevitra aho.

Nohamafisin'ny fanambaran'ny Right2Dignity nivoaka tamin'ny 31 Aogositra izany fanambarana izany,  izay voalohany sahy nanameloka mivantana ny governemanta ho tompon'andraikitra amin'ny fandraràna ny vehivavy tsy hitondra fiara :

Indrisy fa ny governemantantsika ihany no manohitra ny Lalàna fototra momba ny fitantanana izay novolavolainy. Mifototra amin'ny maha-lahy sy vavy ny fanavakavana ataon'ny Fanjakana ka ny lehilahy no mahazo ny zo afaka mivezivezy ary azo leferina ihany koa ny tanora sy ny ankizy mitondra fiara kanefa voararà tanteraka izany eo amin'ny vehivavy. Tsy rariny. Tsy mifanaraka amin'ny Lalàna Fototra momba ny fitantanana ny firenena ihany koa izany.

Nanana anjara toerana lehibe ny Aterineto tamin'ny fahafahan'ireo vehivavy Saodiana maneho hevitra sy tamin'ny fanohanana ny hetsika Women2Drive, sy ny Right2Dignity taty aoriana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.