Madagasikara: dingana lehibe no vitan'ny Global Voices amin'ny teny Malagasy

Anaran’ireo rehetra nandray anjara tamin’ny Tetikasa Lingua Global Voices amin'ny teny Malagasy

Vao avy napariaka ny lahatsoratra faha 5'000 nadika amin'ny teny Malagasy ny tetikasa Lingua Global Voices amin'ny Malagasy. Tamin'ny faha-12 Septambra 2007 no niandohan'ity tetikasa ity ary ny teny Malagasy no fandraisan'ny fiteny Afrikana anjara voalohany amin'ny tetikasa lingua project. Mahatratra 16 ankehitriny ireo mpandikateny Malagasy, anisan'izany ny mpandikateny isan'ny tanora indrindra anivon'ny Global Voices, dia ny namana Radifera Felana Candy na @rf_candy izay vao 16 taona monja fony nanomboka.

1 hevitra

  • Mankasitraka an’i Tomavana nikarakara ny kisary! Toy ny miarahaba tena raha miarahaba ny GVOM amin’izao fahavitana lahatsoratra 5000 dikantsoratra tamin’ny vaovao avy amin’olo-tsotra manerantany tia mampita vaovao izao.

    Faly sy ravo ny tena mahita fa maro ireo namana vahiny no faly miarahaba antsika noho izao ezaka vita izao. Mbola mitohy ny tantara ary mirary soa ny rehetra. Hahatratra ny lahatsoratra 10.000 daholo indray anie isika…

    Ampio ry zareo hametraka ny anaran’ireo rehetra efa nanoratra kanefa tsy voatanisanay a! izany an!

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.