Arabia Saodita: Raisina Toy Ny Gadra Rehetra ny Gadra “Tondro Molotra”

Taorian'ny fihetsiketsehana kely mitsitokotoko nandrakotra ny firenena izay tsy mbola fahita hatrizay , namoaka fanambarana ny  Minisiteran'ny Atitany mikasika ireo gadra tondro molotra. Teboka telo no hita amin'ny fanambarana:

  1. Tsy maintsy mandalo ny Biraon'ny Fanadihadiana sy ny Fampanoavana sy ny Tribonaly Manokana momba ny ady heloka bevava avokoa ny gadra voampanga amin'ny asa sy heloka ataon'ny vondron'olona mpikomy, ary efa misy ny didy savaranonando sy ankapobe navoaka ho an'ny sasany raha mbola miandry ny fitsarana azy koa ny hafa.
  2. Ny gadra rehetra, na voaheloka na mbola voarohirohy dia mizaka ny zony ara-dalàna momba ny zon'olombelona, izay azo hampiharina eo ambanin'ny fanaraha-mason'ny Biraon'ny Fanadihadiana sy ny Fampanoavana, ny Vaomieran'ny Zon'Olombelona ary ny Fikambanam-pirenena misahana ny Zon'olombelona.
  3. Manan-jo hahazo vola amin'ny fandaniany amin'ny ilaina andavanandro, ikarakarana ny fahasalamana sy ny fianarana ny gadra rehetra sy ny fianakaviany.

(Tsy ara-dalàna ny teny nampiasany tamin'ny fanambarana amin'ny teny Arabo [zo] saingy mifanaraka amin'ny sharia)

Fanampin'izany, ahitana antsipirihany momba ireo “gadra” sasany ny fanambarana, izay voantonotonina taminà resaka fihetsiketsehana madinika ny anarany, anisan'izany ilay mpikatroka ny zon'olombelona Mohammad al-Bejady izay voarohirohy ho “nifandray taminà vondrona vahiny mba hitondra korontana, sy heloka hafa”.

Olàna voalohany ao Arabia Saodita ny fanagadràna tsy amin'ny antony. Tombanan'ny Fikambanan’olo-tsotra Saodiana miaro ny zon’olombelona  sy ny Fikambanana miaro ny Zo Ara-pollitika fa maherin’ny 30,000 no isan’ireo gadra tsy misy antony, raha toa kosa ny governemanta nanombana azy ireo ho 4.396. Maro ireo nosamborina nandritra ny fihetsiketsehana “ady amin’ny fampihorohoroana” taorian'ny 11 septambra .

Nosokajian'ny gazety ara-dalàna ao an-toerana fa “fanambarana ny zava-misy” ny fanambarana. Hoy ny gazety Sabaq, gazety malaza amin'ny aterineto naneho hevitra :

“الداخلية” توضّح حقائق استغلال قضايا الموقوفين والمحكومين في جرائم الفئة الضالة

@sabqorg: Nanambara ny zava-misy ny Minisitry ny Atitany mba hiresaka momba ireo gadra sy voatàna noho ny resaka vondrona mpikomy.

Salman al-Dosary, tonian-dahatsoratry ny gazety al-Eqtisadya, nisioka hoe:

#السعودية البلد الوحيد في العالم الذي يدافع فيه ناشطين حقوق الانسان عن مفجرين ومهربين يورانيوم ومتهمين بجرائم ارهابية.. #بيان_الداخلية

@SalmanAldosary: Arabia Saodita irery no firenena tokana ahitana mpiaro ny zon'olombelona miaro mpanapoaka baomba sy mpanao trafikanà Oraniôma ary ny olona voarohirohy amin'ny fampihorohoroana.

Tetsy andaniny, mpisera Twitter marobe no naneho ny tsy fifaliany, anisan'izany ireo havana akaikin'ireo gadra tondro molotra. Nourah Suliman, rahavavin'iray amin'ireo gadra, nisioka hoe:

#بيان_الداخلية أشهد أمام العالم أننا كذوي معتقل لم نأخذ من الداخلية ريال واحد حتى أننا كنا نسافر للزيارة من الرياض ﻷبها على نفقتنا الخاصة! 1

@A5tSJEEN: Manambara amin'izao tontolo izao aho fa izahay, amin'ny maha fianakavian'ny gadra anay, dia tsy nahazo vola riyal avy amin'ny Minisiteran'ny Atitany. Isika ihany no mandoa ny vola lany amin'ny fivezivezena miala ao [Atsimo tanàna] Abha mankany Riydh mba hitsidika ireo gadra.

Mamazivazy momba ny heloka vitan'ireo “gadra” izay voalaza ao amin'ny fanambarana ho toy ny “manao varotra Oraniôma”, Mpikatroka Saodiana malaza Essam al-Zamel nisioka hoe:

قلنا لكم حلّوا مشكلة البطالة ووظفوا الشباب قبل لا يطيحون ببيع اليورانيوم. #بيان_الداخلية

@essamz: Mampitandrina anao izahay: Vahao ny olana momba ny tsy fananan'asa, raha tsy izany hirongatra amin'ny fivarotana Oraniôma avokoa ny tanora.

MpiseraTwitter Souhayl al-Yammi nisioka hoe:

كنت على وشك تصديق #بيان_الداخلية حتى رأيت اسم البجادي وتهمته ضمن القائمة .

@agrni: Saiky natoky ny fanambaran'ny Ministeran'ny Atitany aho, soa fa namaky ny anaran'i al-Bejady sy ny fanenjehana azy..

Bilaogera Saodiana malaza blogger, Fouad al-Farhan, nisioka hoe:

الجهة الخارجية التي يقصد #بيان_الداخلية أن #البجادي تعامل معها هي الشعب.

@alfarhan: Nanamarika tao amin'ny fanambaran'ny Minisitera ny vondrona vahiny fa al-Bejady no olona voalaza ao amin'ny fanambarana.

Bilaogera saodiana Khaled Yeslam nisioka momba ny fiteny nosoratan'i George Carline:

@kyeslam: “Manana fitsipika izay iainako aho. Fitsipika voalohany: Tsy matoky izay rehetra ambaran'ny governemanta amiko aho” – George Carlin

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.