Hetsika Kapoka Vilany Manerantany Kasaina Atao Ny 13 Oktobra

Antenaina hampangorintsina ny sofina mora mahare ny andro hikapokapohana vilany (lapoaly) hotontosaina manerantany amin'ny 13 Oktobra 2012. Ny fanentanana Global Noise [Tabataba Manerantany] dia karakarain'ireo fikambanana iraisampirenena ao amin'ny Occupy [Bodoy], Indignados, #YoSoy132, ary ireo hetsika mpandala ny rariny ara-tsosialy hafa ary sehatry ny mpikatroka avy amin'ny firenen-tsamihafa. Hotontosaina herintaona taorian'ny 15 oktobra 2011 izany, rehefa nahita ny fielezana tanatin'ny fotoana fohy ny fibodoana kianja hitadiavana #GlobalChange na fiovana manerantany izany.

Click the image to see a collection of #GlobalNoise designs

Tsindrio ny sary hahitanao angon-tsarin'ny #GlobalNoise

Araka ny voalazan'ny habaka [tranonkala] ho amin'ny Global Noise, anjaran'ny mpikarakara sy ny mpandray anjara any an-toerana any ny mamaritra ny tanjon'ny hetsika tsirairay avy:

The result is a turbulent cacophony of issues and slogans: “Don't owe, won't pay” in Spain, “Fuck the Troika” in Portugal, a clear message against war from Istanbul, a protest in front of the annual IMF/Worldbank meeting in Tokyo,
One common theme running through all the #GlobalNoise events is the targeting of political and financial elites who are held responsible for destroying our communities and the planet, resonating the ongoing wave of anti-austerity protests in Europe and around the world. At the same time #GlobalNoise is a symbol of hope and unity, building on a wide variety of struggles for global justice and solidarity, assuring that together we will create another world.

Ny vokatr'izany dia fikorontanana tanteraka eo amin'ny lohgahevitra sy ny teny filamatra: “Tsy anana[m-bola], tsy handoa” ny any Espaina, “Fako ny Troika” ny any Portiogaly, hafatra mazava hanoherana ny ady ny avy any Istambul, hetsi-panoherana eo anoloan'ny fihaonana isan-taona ataon'ny FMI/Banky Mondialy any Tokyo, ny lohahevitra itambaran'ny hetsika #GlobalNoise rehetra dia ny manao lasibatra ireo tsongoin'olom-bolo ara-politika sy ara-toekarena izay tazonina ho tompon'andraikitra amin'ny famotehana ny fiarahamonintsika sy ny planeta, mampiakoako ny onjam-pihetsiketseham-panoherana ny famehezan-kibo any Eoropa sy manerana ny tany. Ao anatin'izany fotoana izany dia endriky ny fanantenana sy ny firaisana ny #GlobalNoise, manangana karazana tolona ho amin'ny rariny sy ny firaisan-kina, manome antoka fa reehfa miaraka isika no manangana tany [tontolo] vaovao.

[This and other #GlobalNoise videos can be seen here]

Occupy Wall Street manazava ny hevitra ambadiky ny androm-pikatrohana tsy misy herisetra ho avy, izay antenaina fa “hakotrokotroka” tsy misy tahaka izany fihetsiketsehana mandritra ny fihetsiketsehana miaraka amin'ny fikapohana takotra, lapoaly, vilany:

Historically, banging on a pot has been a universally understood means to gain attention. The casserole march has its origins as a means to call attention to problems facing the community that the power structure is not addressing, using a method that is hard to ignore. In the past, this form of activism has been used to draw attention to education reform, starvation, government corruption, inequality in resources, and more.

Ara-tantara, ny fampanenoana takotra (vilany) dia takarin'ny olona manerana izao tontolo izao mba te-hohenoina. Ny dikan'ny fanaovana diabe maikapokapoka vilany hatramin'ny voalohany dia antso hijerena ny olana mahazo ny fokonolona toa tsy jeren'ny fitondram-panjakana, fampiasana paika sarotra odiana fanina. Taloha, ny fanaovana izany dia natao hanairana tamin'ny fanavaozana ny fampianarana, hanoanana, kolikoly ataon'ny governemanta, fahasamihafan'ny fidiram-bola ary ny maro hafa

Fitaovam-pampitam-baovaon'olo-tsotra mively vilany

Play #potbanging but take care of your children #OK13Global #globalNOISE

@potbanging_NL: Ataovy ny #potbanging saingy tandrovy ny zanakareo #OK13Global #globalNOISE http://t.co/AoNE5Xcj (tsindrio ny sary raha te-hahita sary hafa maro #GlobalNoise images)

Raha antenaina hiresaka lohahevitra maro ny hetsika an-jatony, mametrapetraka ny handrakotra ny fampitam-baovaon'ny fiaraha-monina ihany koa, miaraka amin'ny fifanohanan'ny vahoaka hilahatra ny mpanao fihetsiketsehana.

Nisy fanentanana iraisampirenena ao amin'ny Twitter nanomboka ny 10 Oktobra amin'ny fitarihana ny tenifototra #GlobalNoise, #13O, #O13 ary #OK13Global hahatonga azy ireo ho lohahevitra ironana. Araho ny @potbanging ahitana ny vaovao farany ary hamarino ny lisitry ny mpikarakara isan-toerana ao amin'ny Twitter.

Hanangona ny hita misongadina amin'ny vaovao mifandraika amin'ny fikatrohana eo noho eo mandritra ny tontolo andron'ny 13 oktobra ny pejy fampitam-baovao ifandrimbonana ho amin'ny #GlobalNoise an'ny OccupyTheComms, ary ampiasaina hanangonana ireo mivantana hatramin'ny 12 oktobra ny Livestream.com/globalnoise sy ny GlobalRevolution.tv.

Eo andalam-piasana ny sarintany ifandrimbonana iray ahitana ny vaovao mivantana (tahaka ny sioka, sary, aary rohy mankany amin'ny fampitana an-dahatsary mivantana) nifototra tamin'ny asan'ny Espaniola nanao ny Voces25s.

Misy koa ny sehatra ifandrimbonana hafa ka tafiditra ao ny Facebook, occupii.org, interoccupy hub, mailinglist, mumble meetings ary ny gmail.com.

 

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.