Venezoela: Sary Nandritra ny Androm-pifidianana

Mitaintaina ny tambajotra sosialy tany Venezoela tamin'ny alahady. Ahitana fijoroana vavolombelona, honohono, vazivazy sy toro-hevitra ny sehatra tahaka ny Twitter, Facebook ary Flickr mizara ny sary izay manome endrika ny hamaroan'ny mpifidy ny filohan'ny Repoblika ho avy.

Araka ireo fanehoan-kevitra sasany, nisokatra sasakalin'ny Asabotsy ho an'ny mpikambana ny biraom-pifidianana sasany ary mbola mandray olona avy ao anatiny sy ivelan'ny firenena.

Nizara ny sarin'ireo mpifidy nilahatra hatry ny alina mialoha ny androm-pifidianana i Maritza Salazar (@MaritzaSalazar) [es]:

 

Foto compartida por @maritzasalazar en Twitter

Saripika nozarain'i @maritzasalazar hita Twitter

Fernando Rios (@FernandoRiosD) [es] nizara ny sarin'i Carlos Urbaneja, 94-taona izay manana ny karatra laharana faha-5 ka tonga hampihatra ny zony hifidy :

Foto compartida por @FernandoRiosD en Twitter

Saripika nozarain'i @FernandoRiosD hita Twitter

Amin'ny alalan'ny tenifototra #NoEsUnaColaEsUnCamino [es] (tsy laharana fa lalana) izay mifanahatahaka amin'ny teny filamatr'i Henrique Capriles hoe “misy lalana”; maro ny mpisera Twitter mizara ny sarin'ny biraom-pifidianana, laharana lava, hafatra fifampiarahabana ary ny ratsan-tanana voaloko volomparasy izay manamarina tsy misy isalasalana fa nifidy ny olona iray.

Carlos Garcia (@carlosgarciareq) [es] sy Mirian de Aristimuño (@MiriamJSdeA) [es] mampiseho ny ratsan-tanany miloko volomparasy amin'ny fampiasana tenifototra #yavote [es] (efa nifidy aho):

Foto compartida por @MiriamJSdeA en Twitter

Sary nozarain'i @MiriamJSdeA hita Twitter

Foto compartida por @carlosgarciareq en Twitter

sarin'i @carlosgarciareq hita Twitter

Mampiseho sary ahitana olon maro mandray anjara amin'ny fifidianana ihany koa i Martha Evelyn Batres (@Tita_Batres) [es] :

Foto compartida por @Tita_Batres en Twitter

Saripika nozarain'i @Tita_Batres hita Twitter

Manaraka izany, mamoaka sary ahitana filaharana lavabe any Caracas sy ivelan'i Venezoelà ny bilaogy The Devil's Excrement :

Liceo Andrés Bello, foto compartida por el blog The Devil's Excrement

Sekoly Andrés Bello, saripika nozarain'ny bilaogy The Devil's Excrement

Jessica Carrillo koa nandray anjara tamin'ilay lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.