Rosia : Tetikasa “Bribr” Hamantarana ny Fisian'ny Kolikoly

Fampiharana vaovao amin'ny iPhone/iPad ny Bribr [amin'ny teny rosiana] ; App Store, Facebook] izay ahafahan'ny mpisera azy tsy ho fantatra anarana (anonyme) ao Rosia mandefa ny toerana nisian'ny kolikoly sy ny totalin'ny vola natao kolikoly. Afaka ampahafantarina arak'izany ny vola noraisina tamin'ny kolikoly.

Araka ny fanambaran'ny Bribr [rosiana],

[…] Mpitsabo, tafika, fadin-tseranana – matetika ho fanampiana ny karama kelin'ny mpiasam-panjakana no mahatonga fanomezana kolikoly, mazava tsara anefa fa mandràra ny kolikoly ny lalàna ka tsy azo atao mihitsy ny manitsakitsaka izany  […]. Indraindray, isika ihany no manolotra kolikoly – mbetika takiana an-keriny amintsika ny kolikoky- saingy matetika manolotra ny iray ary mandray ny iray ary toy izany no fomba fiasa […]

Pikantsary tao amin'ny pejy Facebook Bribr, mampiseho vola rosia tena miasa amin'ny kolikoly : vola sandoka 0 roubles.

Tamin'ny taona 2011, laharana faha-143 tamin'ireo firenena 183 i Rosia tamin'ny fampilaharana fandraisana kolikoly, ny  Transparency International no namoaka ny fanadihadiana.

Mampiseho ankehitriny ny kaonteran'ny tranokala aterineton'ny Bribr [rosiana] fa 1.795.295 robla (44.417€) no lany tamin'ny kolikoly nanomboka tamin'ny 24 septambra. Ahitana sarintany ihany koa ny habaka, sy antontan'isa ahitana ny hoe “Iza” sy “Noho ny inona” mikasika ny kolikoly rosiana, efa ahitana ango-kevitra 14 sahady no tafiditra amin'izany hatramin'izao, ny tribonaly sy ny polisy misahana ny fifamoivozana no loha-lisitra.

Nanambara ny Bribr fa tsy misy idiran'ny politika ny tetikasa:

[…] Ny hampiseho antontan'isa no tanjon'ny Bribr. Tsy misy idiranay ny fehinkevitra sy ny fanehoan-kevitra . […]

Na dia izany aza, manantena ny ekipan'ny Bribr fa ny fahalalana sy ny fandraisana andraikitra no lakilen'ny fiovana tsara, ary amin'izany, nomarihana tao  amin'ny Bribr ny fihetsiketsehana taorian'ny fifidianana ao Rosia (tsidiho eto sy eto ny fitantarana manokana tao amin'ny GV [anglisy]):

[…] Samy mahafantatra ny tsirairay fa efa mahazatra ny kolikoly ao Rosia. Kanefa samy mahafantatra koa ny tsirairay fa nanjaka ihany koa ny hosoka nandritra ny fifidianana – tsy hoe rehefa nanambara ny mpanara-maso fa nisy ny hala-bato manerana ny birao fadatsaham-bato nandritra ny fifidianana tamin'ny 4 desambra vao hidina an-dalambe ny vahoaka. Zavatra iray tokony hofantarina dia manao kolikoly avokoa ny rehetra ary zavatra hafa indray ny mamantatra hoe ohatrinona ny totalin'ny [kolikoly] raisin'ny Rezimanta Manokana faharoa ao amin'ny [polisy misahana ny fifamoivozana ao amin'ny  Roublyovskoyé Chossé [na Roublyovka, ambanivohitra iray kanto indrindra ao Moskoa. […]

Tsy ny Bribr irery no sehatra miara-miasa amin'ny fiadiana ny kolikoly ao amin'ny firenena .

Efa nisy ny teo alohany amin'izao taorian'ny vanim-potoana sovietika izao, vzyatka.crowdmap.com [rosiana], izay natsangan'ny NovyiReporter.org/Internews [rosiana] tamin'ny volana martsa 2011, roa volana fotsiny ihany no naharetan'ity tetikasa ity ary fanehoan-kevitra latsaky ny roa-polo no hita tamin'izany.

Ao India, nisy ny hetsika crowdsourcing I Paid A Bribe (‘nandoa kolikoly aho), nampahafantarina tamin'ny volana Aogositra 2010 izany mba “[handrisihana] ny vahoaka tsy handefitra manoloana ny fanararaotam-pahefana ataon'ny mpiasam-panjakana ka hitatitra ny kolikoly nahazo azy ireo sy ‘hanambara am-pahibemaso ny takalo sy ny vola notakiana nanaovana kolikoly'” (lahatsoratra tao amin'ny GV eto).

Tamin'ny volana mey 2012, nampahafantatra ny tetisany manokana I Paid a Bribe (nandoa kolikoly aho) ny mpikatroka miady amin'ny kolikoly ao Kenya, izay miara-miasa amin'ny naman'izy ireo Indiana (lahatsoratra ao amin'ny GV eto [malagasy]).

Ary tamin'ny volana jolay 2012, natsangana tao Kolombia ny Monitor de Corrupción [espaniola] (”Mpanaramaso Kolikoly”) ; araka ny voalazan'ny IJNet, mampiasa “fomba fanambarana amin'ny rihana roa ny tetikasa mba ahafahan'ny mpanao gazety sy ny olom-pirenena mandefa fanambarana momba ny kolikoly eo amin'ny fiarahamonina misy azy, ny kaominina sy ny toerana lavitra rehetra, ny any amin'ny faritra sy ny ao an-toerana […].”

Michael Idov, tonian-dahatsoratra ao amin'ny GQ Rosiana, nanoratra [amin'ny teny anglisy] momba ny tetikasa Bribr Rosiana tao amin'ny pejy Facebook-ny :

[…] Raha mahomby tsara ny tetikasa, hahita tena karazana wiki mampitolagaga izao tontolo izao mikasika ny tontolon'ny kolikoly manerana an'i Rosia. […]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.