Fitakian'ny Kolombiana Tsy Misy Vono-olona Anatin'ny 24 Ora

Vaovao farany (4 Oktobra 2012):

Nitatitra i Carlos Eduardo Valdés Moreno, talen'ny Ivom-pahasalamana Misahana ny Fandidiam-Paty sy ny Siansan'ny Diam-bono ao Bogota fa 28 ny isan'ny vono-olona nitranga tao Kolombia tamin'ny 2 Oktobra 2012: “matetika  tafakatra hatramin'ny 79 ny isan'ny namoy ny ainy noho ny vono-olona mahatsiravina ao amin'ny firenena [Kolombia]. Tratrantsika anefa ny nampidina ny isa 79 ho 28, mba nihena 51 aloha.”

 

Tamin'ny 2 Oktobra 2012, noho ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena tsy misy Herisetra, Kolombiana marobe no nanao antso avo tamin'ny olom-pirenena hafa mba hankalaza ny hetsika 24-0, hetsika mikendry tsy isian'ny fatiolona vokatry ny herisetra mandritra ity andro ity .

José Ignacio Navas [es] nanazava ny fiandohan'ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena tsy misy ny Herisetra:

 

Con una campaña de 24 horas sin muertes violentas, los colombianos celebran el Día Internacional de la No Violencia, el cual se realiza cada 2 de octubre según lo establecieron las Naciones Unidas.

De esta forma, la organización internacional recuerda el natalicio del líder pacifista Mahatma Gandhi, quien encabezó el movimiento de la Independencia de la India y fue “pionero de la filosofía y la estrategia de la no violencia”.

Nandritra ny fanentanana 24 ora tsy misy herisetra mahafaty, nankalaza ny andro iraisam-pirenena tsy misy herisetra ny Kolombiana, izay ankalazaina isaky ny 2 Oktobra araka ny fandaharam-potoana napetraky ny Firenena Mikambana.

Fotoana ho an'ny fikambanana iraisam-pirenena hankalazany ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Mahatma Gandhi, Mpitarika ny hetsika ho amin'ny fahaleovantenan'i India sy “andrin'ny filôzôfia sy ny paikady momba ny tsy fanaovana herisetra ihany koa ity andro ity”.

Namariparitra ny tanjona mandritra ny tontolo andro ny tranokalan'ny hetsika [es]: 0 faty olona vokatry ny herisetra mandritra ny 2 Oktobra :

Advertisement 24-0-2

Dokambarotra 24-0

“Nuestra meta es 0 muertes violentas porque ya lo hemos hecho, 0 muertes violentas en 24 horas sí es posible.Los datos de la Policía Nacional de Colombia lo ratifican: durante el 2011, 3 municipios registraron entre 7 y 21 días sin homicidios, 29 entre 170 y 298, 757 hasta 364 días y 333 municipios registraron todo el año, 365 días, 0 homicidios. ¿Cuál queremos que sea lacifra en 2012? Lograr de manera conjunta 0 muertes violentas durante 24 horas en todos los municipios del país”

” 0 faty olona vokatry ny herisetra no tanjotsika satria efa nahatratra izany isika, azo tanterahina tsara ny 0 faty olona vokatry ny herisetra mandritra ny 24 ora. Nanamafy izany ny vaovao avy amin'ny Polisim-pirenena ao Kolombia fa: nandritra ny taona 2011, fari-piadidiana telo no nandrakitra fa tanelanelan'ny 7 hatramin'ny 21 andro no tsy nahitana herisetra nahafaty, fari-piadidiana 29 nahitana 170 ka hatramin'ny 298, 757 mahatratra hatramin'ny 364 andro ary tanàna 333 kosa no voarakitra fa tsy misy vono olona nandritra ny taona iray. Inona ny tanjona na antontanisa tiantsika hotratrarina amin'ity taona 2012 ity? Mba hanatratrarana izany, miaraka, tsy misy faty olona vokatry ny herisetra mandritra ny 24 ora manerana ny firenena ”

Nandefa vaovao mivantana  tamin'ny alalan'ny Twitter [es] tamin'izay mitranga ny mpiserasera marobe ary naneho ny fanantenany ny amin'ny fahombiazan'ny tetikasa.

Mpilalao mozika César López (@CesarLopezmusic) [es], iray amin'ireo tompon-kevitra tamin'ny hetsika, namoaka hoe:

@CesarLopezmusic: Nuestros hijos podrán decir de nosotros muchas cosas pero nunca que no lo intentamos. @24_0 @24_0Guatemala @240puertorico

@CesarLopezmusic: Afaka milaza zavatra marobe momba antsika ny zanatsika, saingy tsy afaka hilaza izy ireo fa tsy mba niezaka isika. @24_0 @24_0Guatemala @240puertorico

Mpilalao sarimihetsika Carolina Guerra (@carolinaguerram) [es] naneho ny faniriany:

@carolinaguerram: SOLO POR HOY #24-0

@carolinaguerram: ANDROANY FOTSINY IHANY #24-0

Tuti Furlan (@TutiFurlan) [es] nanoratra hoe:

@TutiFurlan: Hoy, antes de exigir #Paz debo revisar si yo la estoy dando, si la estoy viviendo, si la estoy promoviendo en cada paso que doy! @24_0

@TutiFurlan: Androany, alohan'ny hitakiana ny #Paz (“filaminana”) tsy maintsy manamarina aho fa mandray anjara amin'izany, miaina amin'izany, ary hotohanako hatrany izany amin'ny zavatra rehetra ataoko! @24_0

Tao Bogotá, nandray anjara tamin'ny hetsika avokoa reo mpanakanto sy mpihira isan-karazany, na ao an-toerana na avy any ivelany, ary nalefa mivantana [es] ny zava-nitranga. Raha hijery ireo fanehoan-kevitra sy tantara marobe nalefa tao amin'ny Twitter nandritra ny tontolo andron'ny 2 Oktobra, araho ny tenifototra #yocuidolavida (“koloiko ny fiainana”).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.