Kiobà: Noafahana Ry Yoani Sánchez Rehefa Notazonina 30 Ora

Noafahana ny zoma 5 oktobra tamin'ny sivy orana alina ora EST rehetra notazonin'ny polisy tao Havana, Kiobà vonijmaika, taorian'ny nitazonana azy tany amin'ny tanàna iray any atsinanana antsoina hoe Bayamo ny omalin'io ny bilaogera kiobàna fanta-daza Yoani Sánchez sy ny bilaogera isany Agustín Díaz sy Reinaldo Escobar (vadin'i Sánchez). Taoriana kelin'izany, nisioka i Sánchez,

@YoaniSanchez: #Cuba Acabamos de ser liberados!! 30 horas de arresto y muchas anecdotas que contar 🙁

@YoaniSanchez: #Cuba Vao navotsotra izahay!! notazonina 30 ora ary maro zavatra tian-ko zaraina 🙁

Ny bilaogera Yoani Sánchez. Sarin'i Andre Deak ary navoaka indray noho ny alalana CC-BY-2.0.

 

Nizotra nankany Bayamo ry Sánchez sy ireo mpitovy asa aminy nanatena hanatri-maso sy hitatitra ny fitsarana an'i Angel Carromero, teratany Espaniola voampanga ho namono olona tsinahy tamin'ny lozam-pifamoivoizana nahafaty ilay mpiaro ny demokrasia malaza Oswaldo Payá sy ilay mpikatroka Harold Cepero. Nizotra ho any Kiobà i Carromero tamin'ny volana jolay hihaona amin'ny mpandala ny zon'olombelona ao amin'ny nosy. Nisioka i Sánchez fa ny fikasany dia ny hanangom-baovao tamin'ilay fotoam-pitsarana.

@YoaniSanchez: #Cuba Mi intencion era totalmente periodistica. Asistir al juicio a @angelcarromero y reportar desde #Bayamo a traves de mi cuenta #Twitter

@YoaniSanchez: #Cuba Fanaovan-gazety madiorano ny fikasako. Hanatrika ny fitsarana an'i @angelcarromero sy hitati-baovao avy any #Bayamo mampiasa ny kaonty #Twitter -ko.

Taorian'ny nanafahana azy dia niezaka ny hanara-baovao momba ny fitsarana an'i Carromero an-tserasera i Sánchez. Nosiahany fa “tsy misy dikany” raha oharina tamin'izay nanjo ny fianakaviana Payá ny momba ny fisamborana azy.

@YoaniSanchez: #Cuba Ny vaovao mampalahelo sady manan-danja indrindra dia lasana ny fianakaviana @oswaldopaya. Maivana dia maivana ny fisamborana anay raha oharina tamin'ny nahalasanan-dry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.