Torkia: Olona an'Arivony Manohitra Ny Ady Ao Syria

Nitifitra lasibatra Syriana ny miaramilan'i Torkia ho valin'ny famonoana nahafatesana sivily Tiorka dimy nataon'ny tafi-panjakana Syriana. Namoaka fanambarana avy hatrany ny ny tao amin'ny biraon'ny praiminisitra tiorka Tayyip Erdogan taorian'izany, tamin'ny filazana hoe:

Our armed forces in the border region responded immediately to this abominable attack in line with their rules of engagement; targets were struck through artillery fire against places in Syria identified by radar.

Namaly avy hatrany ity fnafihana maharikoriko ity, tao anatin'ny didin'ny fanoloran-tenan-dry zareo, ny tafika eny amin'ny sisitanintsika; toerana azo nofantarina tamin'ny radar any Syria maro no lasibatry ny tifi-tafondro.

 

Nandany fe-potoana mandavataona izay manaiky ny hiadian'ny miaramila ivelan'ny sisintany ny parlemanta tiorka. Neken'ny 320 amin'ireo 550 manana seza ao amin'ny Parlemanta Tiorka ny tolo-dalàna. Nilaza ny lefitry ny Praiminisitra Tiorka tao amin'ny fanambarana fa tsy tonga any amin'ny filazana ady ny famelana ny tafika hampiasa hery any Syria, fa fepetram-pisorohana ihany. Narahin'ny fanambarana avy amin'ny Praiminisitr'i Torkia izany, izay nilaza hoe:

All we want in this region is peace and security. We have no intention of starting war. We are aware of the outcome, consequences, of war in Iraq and Afghanistan … we see the same in Syria.

Fandriampahalemana sy filaminana ihany no hany tadiavinay. Tsy manana eritreritra hanomboka ady izahay. Efa mialo izahay amin'ny fiafarana, fiantraikan'ny ady any Iràka sy Afghanista … mahita ny mitovy amin'izany isika any Syria.

Namoaka fanambarana avy hatrany ny Sampam-Baovaom-panjakana Syriana (SANA) fa maneho fiaraha-miory amin'ny fianakavian'ny maty sy amin'ny vahoaka tiorka.

Mihoatra ny 5000 ny mpanao fihetsiketsehana nidina an-dalamben'i Istanbul manohitra izay mety ho ady atao amin'i Syria. Ny alakamisy alina, fanoherana ny antoko AK no nilaharana an-dalambe, mihiaka ny mpanao fihetsiketsehana,

The AKP wants war, the people want peace. No to war, peace right now.

Mitady ady ny AKP, mitady fandriampahalemana ny vahoaka. Tsy ilaina ny ady, fandriampahalemana izao dia izao.

Cherine Atalla nisioka ity sary tamin'ny fihetsiketsehana ity, izay mivaky hoe “Avoahy ny tanana Syria”:

Marika entin'ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny ady mivaky hoe avoahy ny tanana Syria, nozarain'i @Cherine_89 hita Twitter. Famoahana nahazoana alalana.

Any Torkia, ny filamatra manao hoe Savasa hayir, izay midika hoe “tsy mila ady,” no lasa lohahevitra nironana be mpanaraka inidrindra teo amin'ny mpisera Twitter ny alakamisy maraina. Ary hatramin'ny fahazoan'ny miaramila miampita sisintany alalana [avy amin'ny antenimiera] dia nisara-kevitra momba ity raharaha ity ny tambajotra sosialy, niteraka fitosa-kevitra avy amin'ny mpîkatroka, mpitarika ary ny tahaka izany.

Avy any Torkia i Hulya Ataoglu misioka:

@cramelin: #savasahayir #notowar No to war, not now, not ever.

#savasahayir tsy mila ady, tsy izao, tsy mandrakizay.

Ozgur Gurbuz, avy any Istanbul, niteny:

@ozzgurbuz: Peace is the only way #noWar #savasahayir from Istanbul. Getting more and more here.

Fandriampahalemana no lala-tokana #savasahayir avy aty Istambul. Miha-mahazo vahana aty.

Thousands protest against war on Syria in Istanbul

An'arivony ao Istambul manohitra ny ady atao amin'i Syria. Saripika nozarain'i @zappika hita Twitter

Ary Sarper Ere nisioka ny sary eto ambony tamin'ny hetsika manohitra ny ady amin'i Syria, milaza hevitra hoe “Fandriampahalemana eto an-toerana, fandriampahalemana manerantany”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.