Repoblika Dominikana : Volavolan-dalàna Fanenjanana Kokoa Ny Fanasaziana Ny Tsy Ampy Taona

[rohy amin'ny teny espaniola] Ny 19 Septambra lasa teo, nandany taorian'ny famakiana fanindroany ny lalàna mampiady hevitra izay manitsy ny andininy fito ny Lalàna momba ny Fiarovana ny Zon'ny Zazalahy, Zazavavy ary ny Adolantsento (Minor Code-PDF) Ny Antenimieram-Pirenena. Mikendry ny hampiakatra ny fanasaziana faratampony ho an'ny nahafaty olona mialoha ny fahafenoan'ny taonany ity Fanitsiana ity. Mbola tsy nandalo ary tsy niadian-kevitra tao amin'ny Antenimieran-Doholona ity volavola hampakatra 3-10 taona am-ponja ireo mpamono olona anelanelan'ny 13 ka hatramin'ny 15 taona, raha ho an'ireo anelanelan'ny 16 ka hatramin'ny 18 taona kosa dia miakatra 5-15 ny taom-pamonjana.

99 tamin'ny depiote 112 nandray anjara no nandany tamin'ny famakiana voalohany ny volavolan-dalàna, fa tamin'ny famakiana faharoa kosa dia nahazo fanekena 95; izany hoe nahazo ny maro an'isa hatrany nandritra ny fanadiana in-droa ny lalàna. Nahazo ny fanohanan'ny lany depiote in-telo sady filohan'ny Antenimieram-pirenena amin'izao fotoana, Abel Martínez, izay nilaza fa fepetra natao hampihenana ny tahan'ny fandikan-dalàna ity volavola ity. Misy koa ireo olo-malaza hafa mihevitra fa ilaina ity fanitsiana ity. Ohatra iray amin'izany ilay depiote efa lany in-dimy, Pelegrín Castillo, izay nanambara toy izao tamin'ny kaontiny Twitter:

@pelegrinc: Fanitsiana ny Lalàna Misahana ny tsy ampy taona @diputadosrd. Mampalahelo ny nampihenjanana ny fanasaziana ireo tsy ampy taona, saingy tsy azo nihodivirana ilay izy.

Saingy tsy maneho fanohanana ilay lalàna tahaka izany ny fiarahamonim-pirenena isan-karazany. Ny UNICEF (Tahirin'ny Firenena Mikambana Misahana ny Ankizy) no nitari-dalana tamin'ny fitsikerana ity andinin-dalàna ity. Nanambara mazava ny fijoroany manohitra ny volavolan-dalana nandritra ny famelabelaran-kevitra io fikambanana io tamin'ny faha-20n'ny volana, tamin'ny fanasongadinany fa tsy izao no vahaolana amin'ny firoboroboan'ny fanaditràna izay itoloman'ny Repoblika Dominikana amin'izao fotoana izao. Toy izany ihany koa ilay mpikatroka ara-tsosialy malaza, Sergia Galván, izay tsy mitsahatra ny mamerimberina ao amin'ny Twitter ny tsikera tahaka ny hoe:

@sergiagalvan: Azo iadian-kevitra ny fanasaziana ny zazavavy, zazalahy ary adolantsento izay saika tratran'ny fanilikilihan'ny fiaraha-monina ny ankamaroany.

@sergiagalvan: Manontany aho, ny fanagadrana elaela kokoa ny zazavavy, zazalahy ary ny adolantsento ve no ady amin'ny fahaditràna?

Ho fanampin'izany, manambara ihany koa ilay mpahay lalampanorenana malaza, Nassef Perdomo:

@NassefPerdomo: Mampalahelo ny ho avin'ny firenena mino fa any am-ponja no toerana mendrika ny zanany, fa tsy any an'efitrano fianarana.

Na dia ao amin'ny Antenimieram-pirenena aza, na dia azo hamaivanina aza ny havitsiany dia nisy tokoa ny fifanoheran-kevitra. Ny solombavam-bahoaka Guadalupe Valdez – malaza amin'ny asany momba ny zon'ny vehivavy sy ny miralenta – raha tsy nitsipaka ny tolo-dalàna, dia niantso ny isian'ny marimaritra iraisana, sy handrefy ny tombontsoa azo avy aminy mbamin'ny voka-dratsiny tao amin'ny lahatsoratra navoakany tao amin'ny hàbakany |vohikalany] mialoha ny handaniana ny lalàna vaovao.

Amin'izao fotoana izao dia andrasana ny adihevitra ao amin'ny Antenimieran-doholona momba ity fandraisana an-tanana ity hotontosaina amin'ny herinandro sy ny mety ho fifanarahana vita miaraka amin'ny UNICEF sy ireo fikambanana miaro ny zon'ireo vondron'olona iharan'ny tolo-dalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.