Torkia: Tara-pahazavana Bitika Amin'ny Fifampiraharahana Amin'ny Mpioko Kiorda

Tamin'ny herinandro lasa teo ny praiminisitra tiorka Recep Tayyip Erdoğan no nanamarika ny fanombohan'ny [mg] fitadiavana hifampiresaka bebe kokoa eo amin'ny PKK (Antokon'ny Mpiasa Kiordistana) sy ny governemanta. Tany aloha ny mpioko Kiorda no niantso matetika ny isian'ny fifampiraharahana, ary noho ny fiitatry ny gidragidra, dia lasa manery ny tokony isian'izany fifampiraharahana izany.

Tsy dia nampihiratra loatra ny vaovao satria matetika ny governemanta tiorka no tsy manatontosa ny fampanantenany amin'ny vahoaka kiorda.

Araka ny nolazain'ny Kiorda iray monina any Chicago, tetika vaovao ataon'ny PM Erdoğan io mba hahatsara toerana azy mandritra ny fifidianana ankapobe hotanterahina manaraka. Ary navoitran'i Osman Ates, na ny governemanta tiorka na ny hetsika Gulen dia samy mino fa ho tafaharo amin'ny vahoaka rehetra ny vahoaka kiorda.

@osman_ates: The point is Turkish government and Gulen movement believe that the Kurds will be assimilated sooner or later. [Note: The Gulen movement secularises the Kurdish question, and within school establishment they promote a Turkish narrative of history, which often excludes Kurdish people and their struggles]

Aoka havoitra fa na ny governemanta tiorka na ny hetsika Gulen dia samy mino fa na ho ela na ho haingana ho tafaharo amin'ny rehetra ihany ny Kiorda. [fanamarihana: ataon'ny hetsika Gulen ho ivelambelany ny resaka Kiorda, ary any amin'ny sekoly dia ampiroboroboin-dry zareo ny fomba fijery tiorka ara-tantara, izay matetika manilika ny vahoaka kiorda sy ny tolona ataony]

Kurds hold banners and flags against the President of Turkey in Rome, Italy. Image by Stefano Montesi, copyright Demotix (08/05/12).

Kurds mitazona teny faneva sy saina manohitra ny filoha Tiorka any Roma, Italia. Sarin'i Stefano Montesi, copyright Demotix (08/05/12).

Gadra Politika

Ny voajery matetika loatra dia ny isan'ny gadra politika kiorda any Torkia, sy ny mpanao politika Kiorda mahazo fandrahonana matetika fa esorina amin'ny ny tsy fahazoana misambotra azy ireo amin'ny maha-parlemantera azy.

Nolazain'ny filoha mpiara-mitantana ny antoko Fandriampahalemana sy Demokrasia (BDP) Selahattin Demirtaş vao haingana tao amin'ny gazety mivoaka isan'andro Hurriyet fa “mandrava ny lalana mankany amin'ny fifampiresahana ny zavatra tahaka izany [fanesorana ny tsy fahazoana misambotra azy].” Nampiany hoe:

Six BDP deputies are still behind bars, and the government has not lifted a finger for their release. In addition to that, another nine of our deputies will be thrown in front of the judiciary, and we will be cheated by the prime minister to restart the negotiation process. That’s not going to happen.

Mbola any am-ponja hatramin'izao ny depiote enina avy ao amin'ny BDP, ary tsy manao na inona na inona amin'ny famotsorana azy ireo ny governemanta. Ankoatra izay, mbola halefa eo anoloan'ny fitsarana ihany koa ny depiote sivy hafa avy ao aminay, nefa dia jokojokoin'ny praiminisitra izahay hanomboka ny fifampiresahana. Tsy hisy izany.

Rariny izany ahiahin'ny mpikatroka kiorda izany raha jerena ny hanatanterahana indray ny fifampiersahana, na fomba hahazoana fotoana betsaka kokoa ho an'ny Antokon'ny Rariny sy ny Fampandrosoana (AKP).

Tsy mazava tsara ny valinteny, fa hiharihary izany amin'ny alahady 11 Oktobra 2012 mandritra ny fivoriamben'ny AKP, izay hiresahan'i Recep Tayyip Erdoğan lavalava kokoa momba ny Fidiran'i Torkia ao amin'ny Vondrona Eoropeana, ny olana ara-toekarena mianjady amin'i Torkia, ny firehidrehitry ny herisetra avy amin'ny mpioko kiorda sy ny politika vaovao manoloana ny firenena manodidina.

Mandritra ny kabary anatin'izany fivoriambe izany ho mety hamaliana ny ahiahin'i Demirtaş momba ny drafi-pifampiresahan'ny praiminisitra tiorka izay nilaza tahaka izao tamin'ny tafatafa farany natao taminy:

I am not so sure whether he [Recep Tayyip Erdoğan] wants to commence a new process or to gain some time to get through his party’s convention. If he wants to launch a process, the government should have a plan outlining the legal and constitutional steps to be taken. Swearing and slamming his Kurdish counterparts are not the language of peace and finding a solution. This shows the flippancy of the government. They should overcome this dilemma.

Tsy fantatro loatra na hanao fifampiraharahana vaovao izy [Recep Tayyip Erdoğan] na te-hahazo andro ahafahany manavatsava ny fivoriamben'ny antokony. Raha te-hiditra amin'ny fifampiresahana izy dia tokony hametrapetraka ny dingana eo amin'ny lalàna sy ny lalàmpanorenana mifandraika amin'izany. Tsy fomba firesaka mitady fandriampahalemana sy fitadiavam-bahaolana izany sady mampanantena no mamelaka ny Kiorda ifampiresahana izany. Izany no mampiseho ny fihazohazoan'ny governemanta. Tokony handresy izany fisalasalàna izany ry zareo

Vao tsy ela izay ny filoha mpiara-mitantana ny Antokon'ny Fandriampahalemana sy ny demokrasia (BDP), Gülten Kışanak, no niteny:

Violence dominates now from the Kurdish side and is also defining state policy. Let’s return to the path of dialogue and negotiations and lessen the war. We need to focus on policies for peace and establish a climate of peace. Otherwise it’s insincere to work on a constitution while people are dying and blood is being spilt.

Manjaka ny herisetra nataon'ny Kiorda amin'izao fotoana izao ka izay no mamaritra ny politikam-panjakana. Andao hitodi-doha ho any amin'ny lalan'ny fifampiresahana ka hamela hatreo ny ady. Mila mifantoka amin'ny politika fampanjakana ny fandriampahalemana isika ary hanorina ny tontolom-pandriampahalemana. Fa raha tsy izany, fihatsarambelantsihy ny mandrafitra lalampanorenana nefa miala aina ny olona ary mandriaka ny rà.

Tsy mety ny ataon'ny governemanta tiorka hihevitra ny hifampiresaka amin'ny mpioko, nefa mampiditra am-ponja mpanao politika Kiorda ary mandrahona azy ireo amin'ny fanesorana aminy ny iminite-ny [fanesorana ny tsy fahazoana misambotra azy] amin'ny maha-parlemantera azy. Matetika ny mpanao politika mpanohana ny Kiorda no voasivana na entina eny amin'ny fitsarana, na dia voafidy amin'ny fomba demokratika aza.

Raha toa ka migadra noho ny fanohanana fomba fijery politika hafa fotsiny ny mpanao politika sy ny mpikatroka, kely ny fanantenana hisian'ny fifampiraharahana matotra amin'ny mpioko.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.