Kenià: Tompondaka Safari Rugby 7s Mampientanentana Ny Mpanohana

Lalao ara-panatanjahantena lehibe iray no niainana tany Afrika Atsinanana ny 21 ka hatramin'ny 23 Septambra, 2012 teo, tany Nairobi, renivohitr'i Kenià – ny Safari Sevens [ilalaovan'olona fito] , lalao fifanintsanana baolina lavalava ataon'ireo firenena fito mifanakaiky izay nanomboka tamin'ny 1995 fa efa tafiditra ao amin'ny fandaharam-potoana amin'ny fihaonana ara-panatanjahantena Keniana.

Nampisongadina ny hakingan'ny mpilalao baolina lavalava Keniana io fifanintsanana io ary nahatonga azy ireo ho iray amin'ireo ekipa ilalaovana olona fito manintona amin'ny fifanintsanana Federasiona Iraisam-pirenenana amin'ny  Baolina lavalava. Ny mpanohana sy ny bilaogera dia nizara ny eritreriny momba io fifanintsanana io tahaka izao :

@JoyDoreenBiira – mpanolotra TV ogandey manana ny lazany -ao amin'ny Chronicles in My Head mitantara ny hitany (voalohany) nandritra ny Safari7s ;

Tiako ny lalao ara-panatanjahantena noho ny antony tsotra ihany satria izy mahangona vahoaka betsaka. Amin'ny fihaonana ara-panatanjahantena no hanadinoana ny resaka foko, ny fari-piainana, ny resaka politika sy ny fahasamihafana maro isankarazany…Ary amin'izany, io fanohanana ny ekipa io dia fanehoana faratampony sy am-pitiavana madio ny lalao izay napetraka mialoha ny zavatra rehetra. Noho izany, nolaniako tany amin'ny kianjan'i Nyayo tao Nairobi no tontolo androko ny Alahady 23 Septambra 2012; voalohany nanohana ny ekipan'i Kenià sy ny ekipan'i Oganda, faharoa hahatsapa ny traikefa indindra fa ny tambajotra sosialy miaraka amin'ny mpanohana ny lalao tahaka ny nifaliako tamin-javatra hafa teo ambony kianja. Izany no tena karazana fahafinaretana andrasana amin'ny fanatanjahantena…. Ary toerana marina ho an'ny tambajotra miaraka amin'ny firaisan'ny tanora.

Nyayo National Stadium during 2012 Safari Sevens - Image by www.mythoughtbar.blogspot.com

Kianja nasionaly Nyayo nandritra ny Safari Sevens 2012 – Sary avy amin'ny www.mythoughtbar.blogspot.com

Bilaogera iray hafa, Pitzevans tao amin'ny bilaoginy, Area 51 dia manan-kambara mikasika ny traikefany tamin'ity fifanintsanana ity :

Noheverina ho isan'ny lalao ara-panatanjahantena goavana teto amin'ny firenena tamin'ity taona ity ny Safaricom Sevens. Taorian'ny ezaka tsy dia mankaiza loatra vitan'ny ekipa olaimpika keniana, dia tokony hiezaka hampientanentana sy handrendrika meday maro maro ho an'ny firenena. Nefa mino aho fa fantatry ny rehetra amin'izao fotoana izao ny ezaka vitan'ny ekipantsika sy ireo ekipa matanjaka tonga mamangy ity firenena mamintsika ity sady mandrombaka izay tokony apetraka ao amin'ny efitranontsika fitoerana amboara efa vovohana [efa tsy nahazo amboara?]. Tsy ho any aho, tsy mpiresaka fanatanjahantena sady tsy mpankafy baolina lavalava aho. Izay aho ary manao izay itoviana aminareo rehetra ireo, mpankafy lanonana lozantany, olon'izao tontolo izao mivelatra ao anatin'ny fiarahan'ny mpinamana amin'ny fikaonan-doha akaikin'ny toaka ho fomba iray hanamafisana ny maha-mpinamana. Ilay mpampifaly tsy maintsy manala azy sy mimano ao anatin'ny bodofotsin'ny finamanana sy ny fifampizarana izay mahaliana.

 

Nanana ny heviny momba io fifanintsanana natao tahaka ny lalao ara-panatanjahantena goavana teo amin'ny firenena io ny The Blodwyn World:

Fahombiazana ny andiany faha 17n'ny Safaricom Sevens. Tsy liana baolina lavalava loatra aho fa tsy maintsy mijery 7s. Tsy mampino ny sary sy ny feo. Raha azo atao, ataoko iray amin'ny marika famantarana ny Firenena ity lanonana ity. Tsy mbola nahatsapa ny tenako ho … Keniana tahaka izao aho. Tahaka ny mpanohana mipetraka  eny amin'ny toerana natokana ho an'ny mpijery ary manaraka ny lalaon'i Kenia rehefa mihoraka mamporisika ny firenenao ny mpanohana an'arivony … dia … tena mahavariana. Ary izay no fomba fijerin'ny mpanohana.Tsy azoko sary an-tsaina ahoana ny fahatsapana rehefa eny an-kianja sy iray amin'ireo ampirisihana satria ianao no misolo tena ny firenena. Mampientanentana.

Nilaza ny lanjan'ny fifaninanana izay nisy tao anatin'ny 17 taona lasa SportsKenya :

Fotoana fanararaotra indrindra hahazoan'ny baolina lavalava Keniana loka Safari Sevens na ny tsaratsara kokoa #Safari7s ny andiany faha 17 lalao fifanintsanana rugby lehibe nandritra ny 3 andro eto Afrika Atsinanana. Ho an'izay tsy zatra io endri-dalao fohy kokoa io, nanomboka nandritra ny taompolo 1990 izy io ary haingana ny nizaran'i Kenià azy sy nitondrany ny vokatra tsara na ratsy mifandimbindimby eo. Tsy fanambaniana ny fandraisana anjaran'i Kenià amin'ny lalao fa ny fandraisana anjaran'i Humphrey Kayange no fototra nampidirana ny lalaon'olona fito ho lalao olaimpika. Hanomboka amin'ny 2016 any Rio, any Brezila izany. Raha hiverenana ny #Safari7s, amin'ity taona ity ny fifanintsanana dia natao mba hijerena ny fanomanana ny mpilalao  ho ao amin'ny  ekipam-pirenena amin'ny taom-pilalaovana 2012/13.  Hanamarika ihany koa ny Zoma fisehoana voalohany ho an'ny mpanazatra Mike sy ny fomba mety atao eo anoloan'ny mpijery keniana.

Ireo izay miserasera amin'ny tranonkala Twitter ihany koa dia manana izay zavatra mahaliana holazaina mikasika iny lalao iny. Amin'ny fampiasana ny tenifototra #Safari7s sy #Safaricom7s ireto ny santionany amin'ny fanadihadian'izy ireo :

@SaddiqueShaban Natao ho an'ny orana ny elo. Fanajàna lehibe ho an'ny mpilalao, mpanohana ary ny tsirairay izay tafiditra ao amin'ny #safari7s ! Toetr'andro mendrika ho an'ny fifanintsanana !
 
@sunnysunwords Saf-7s fialamboly ho an'ny ankamaroan'ny olona dia fihaonana nokarakaraina, miendrika lanonana, misy efitra hisintahana.
 
@KenyaRugby247 Nilalao tahaka ny mpilalao matihanina Dennis Ombachi. Hery sy hafainganana, tsy nandresy izany #safaricom7s
 
@SafaricomLtd Niady mafy ny Morans an'i Kenià, tsara ny lalaony saingy tsy nanam-bintana ry zareo. Mankasitraka azy izahay ! #Safaricom7s
 
Ny fandihy Keniana Kayumbet dia natao ho fankasitrahana ny mpanohana ny baolina lavalava Keniana maneran-tany (ny lahatsary mirakitra ilay dihy, dia nampakarin'i ho any amin'ny Youtube tamin'ny 10 Mey 2010) :
 
 
Ary tahaka ny namaranan'i @JoyDoreenBiira ny bilaoginy :
Ary tsotra ny milaza fa na iza ianao na iza   ……….. ny lanonana ara-panatanjahantena no tokana hanadinoanao ny adin-tsainao eo am-pidirana ary raisinao indray rehefa vita ny lalao fanatanjahantena.
 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.