Ekoatera: Hazolava Doro Ala

Nanomboka tamin'ny voalohan'ny volana jiona 2012, miisa 2568 ny doro ala niseho manerana ny firenena ao Ekoatera

Vao nalefan'ny mponina sy ny mpitantana ny fanairana, nibahana tao amin'ny twitter ny tenifototra  #incendiosforestales, mba ahafahan'ny olona manome vaovao sy manome ny heviny momba ny fanairana fa latsaka an-katerena ny firenena ankehitriny.

Mitondra ny tenin'ny Ben'ny tanànan'i Quito, Augusto Barrera, nandritra ny tafatafa nifanaovana tamin'ny Gama TV ny gazety mpiseho isan'andro El Comercio:

[…] olombelona no niavian'ny 99% afo, tsy ao amin'ny zara-tany Quito ihany, fa any amin'ny faritra andeana ihany koa, ary mbola miampy zavatra telo hafa : vanim-potoana tena maina loatra mipetraka ho tantara, ny taratry ny masoandro niakatra ary ny rivotra mafy fitsoka.

Misy ny mpisera tambajotran-tserasera tahaka an'i Rosero B. (@ricroserob) mampiseho amin'ny alalan'ny sary ny fiharatsin'ny doro ala ao amin'ny kaominin'i Quito :

Sarin'ny fahamaizana ala manakaiky ny anjerimanontolo iraisampirenena SEK. Sary nozarain'ny mpisera Twitter @ricroserob

Mifokofoko i Martha Medranda A. (@martha_elena_m) :

@martha_elena_m:Mampalahelo ny mijery ny havoana maitso manodidina an'i Quito mivadika ho volombatolalaka !! Maika !!.. #incendiosforestales

Saingy manome ny heviny momba ity raharaha ity i Ramiro Benavides (@ramirobl2012) :

@ramirobl2012:Tsy niniana ny afo rehetra. Misy ny fako sy ny potipoti-javatra mirehitra tampoka rehefa tsy voadio tsara ny akata !

David OSO Pérez (@maconhoso) mizara ny joro ijerena an'i Carcelén, avaratr'i Quito, izay mila tsy ho tazana intsony noho ny setroka ny tendrombohitra :

Fahamaizan'ala any Carcelen. avy amin'i @maconhoso

Ny mpamono afo ao Quito, amin'ny alalan'ny kaonty Twitter (@BomberosQuito), no mampahafantatra ireo asa tanterahiny ifehezany ireo afo mieli-patrana any an'ala ; indrindra fa ao amin'ny faritra Panecillo, Angamarca, Balcones del Norte, San Bartolo, Terminal Quitumbe, Playa Chica, Zambiza ary Pomasqui.

Mandrisika ny olona ihany koa ny @BomberosQuito hitandrina sy hitory ireo olona heverina ho tompon'andraikitra amin'ny fandoroana.

@BomberosQuito:Teneno ny anaran'ireo tompon'antoka ! #incendiosforestales ao amin'ny laharana manaraka izao : 2505560

Filazana iray ao amin'ny Ecuavisa, ny takarivan'ny 11 septambra :

Guayaquil no tanàn-dehibe voalohany eto amin'ny firenena manana mpamonjy voina manokana miady amin'ny doro ala. Napetraky ny tanàna tamin'ity taona ity tokoa manko ny andiana mpamonjy voina izay napetraka tamin'ny takelaby iray amin'ny 43 mampahafantatra ny tanàna ny asan'izy ireo.

Miezaka mafy ny minisiteran'ny tontolo iainana (MAE) , ny sekretariam-panjakana misahana ny voina, ny mpamonjy voina ary ny fitsinjaram-paritra fandrao tsy voafehy intsony ny toe-draharaha. Manambara ny MAE ao amin'ny vohikalany, fa eo am-panadihadiana ny toe-draharaha ankehitriny mba ahafahana mandray fepetra eo noho eo.

Nanao fanentanana manerana ny firenena ihany koa ny minisiteran'ny tontolo iainana, hisorohana ireo fahamaizan'ala izay manimba ny rivotra iainana, izay mitondra ny lohateny hoe : “Andao karakaraina ny alantsika”

Mbola manohy ny asany any amin'ny faritr isan-karazany ihany koa ny manampahefana ary manaitra ny mponina fa azon'izy ireo toriana ny mpandoro (tanety) amin'ny fiantsoana ny 1 800. Mampahatsiaro tena ny olom-pirenena amin'ny alalan'ny tambajotran-tserasera ihany koa ny manampahefana amin'ny fampiasana ny tenifototra #CuidemosLosBosques.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.