Sodàna: Noràrana ny YouTube Taorian'Ny Fandoroana Ny Ambasady Alemana

Nanafika ny Ambasady Alemana sy Amerikana tao Khartoum ireo mpanao fihetsiketsehana voton-katezerana Sodàney tamin’ny Zoma 14 Septambra 2012 lasa teo, hetsi-panoherana ilay horonantsary novokarina tao Etazonia, izay manevateva ny Mpaminany Mohammad.

Mitondra ny lohateny hoe “The Innoncence of Muslims” na “Tsy Fahalalàn'ny Miozolomana” ilay horonantsary Youtube maharitra 14 minitra, nitarika ny fahatezeran’ireo Miozolomana manerantany ilay horonantsary. Tao Libya, vahoaka voton-katezerana no nanafika ny Ambasady Amerikana tao Ben Ghazi, ka namono nahafaty ny diplaomaty Amerikana tao, sy mpiasan’ny ambasady telo hafa.

Nahenika ny aterineto tao Sodàna ny fiantraikan’ny fanafihana, naparitaka tamin’izany ilay horonantsary YouTube efa nakaton’ny manampahefana ankehitriny, rehefa nolavin’ny orinasa [Youtube] ny fanakatonana izany horonantsary manevateva izany.

New Khartoon: Khalid Albaih shares this cartoon on censorship in Sudan on his Facebook page (17/09/12).

New Khartoon: Khalid Albaih nizara kisarisary miresaka sivana any Sodana ao amin'ny pejiny Facebook (17/09/12).

Bilaogera Sodaney Usamah Mohammed nisioka toy izao tamin’ny 16 Septambra:

@simsimt: Nohamafisin’ireo mpisera tweet Sodaney maro fa efa nakatona ny @YouTube ao Sodàna.

Nanazava i Khalid Albaih:

@khalidalbaih: Voalaza fa nanakatona ny @YouTube i #Sodana taorian’ny fandàvany hanakatona lahatsary nahatonga ny rotaka

Tao amin’ny Twitter, nangataka valinteny ny amin’ny antony nanafihana ny Ambasady Alemana tao Khartoum ny mpiserasera.

Ejypsiana Alyaa Gad, monina ao Soisa naneho hevitra hoe:

مصري في أمريكا يعمل فيلم مش حلو فيحرقوا السفارة الألمانية في السودان. دا سببه الرئيسي أنكم بتضربوا العيال على مؤخرة الرأس كتير. مش باهزر.

@AlyaaGad: Ejypsiana monina ao Etazonia no nanatontosa ilay horonantsary manevateva ka nahatonga azy ireo nandoro ny Ambasady Alemana tao Sodàna. Ny anton’izany dia satria nodonin’izy ireo teo amin’ny lohany mihitsy ny ankizy. Tsy mivazivazy aho.

Tao amin’ny YouTube, yas9966 nizara ity lahatsary ity izay mampiseho ireo Sodaney nanao fihetsiketsehana sy nanafika ireo Ambasady:

Nilaza i Dadatoa Google fa nodoran’ny Sodaney ny Ambasady Alemana satria lavitra loatra no misy ny ambasady Amerikana. Hoy izy nisioka [ar]:

المُبرر الوحيد لحرق “السودانيين” للسفارة الألمانية.. أن السفارة الأميريكية بعيده شوي! ‎:)‏

@UncleGoogle: Ny hany azo lazain’ny Sodaney dia nodorany ny ambasady Alemana satria somary mbola lavitra ny misy ny Ambasady Amerikana

Omar Alhady nanazava hoe:

السودانيين طلعوا مكسلين يروحوا السفارة الأمريكية فعلا، بس بعد ما حرقوا الألمانية وسخنت معاهم، جابوا أتوبيسات وطالعين على الأمريكية

@Asadx: Kamo velona ny Sodaney handeha hamonjy ny ambasady Amerika ka rehefa avy nandoro ny ambasady Alemana izy ireo dia nandray fiara-karetsaka hamonjy indray ny ambasady Amerikana

Saodiana Bassam Al Dakhiel nanome fanazavana hafa [ar]:

سبب مايحدث في ‎‫#الخرطوم‬‏ : أن الحكومة السودانية مشددة أمنها على السفارة الأمريكية لذلك المتظاهرين حرقوا السفارة الألمانية واقتحموا البريطانية!

@Bassam_13: Ny anton’ny zava-nitranga tao Khartoum: Nohamafisin’ny governemanta Sodaney ny fiarovana ny manodidina ny Ambasady Amerikana ka ny ambasady Alemana indray no nodoran’ny mpanao fihetsiketsehana ary notafihany koa ny ambasady britanika.

Nanamarika toy izao kosa ilay Sodaney Mansoor Eltayeb [ar]:

حزب البشير اراد إيصال رسالة للمجتمع الغربي من خلال ‎‫#حرق_السفارة_اﻷلمانية‬‏ أنه في حالة سقوط نظام البشير سيواجهون نظام اسلامي متشدد . لكنه أخفق

@mansoorEltayeb: Te-handefa hafatra ho an’ny tandrefana ny antokon’i Al Basheer amin'ny ny fandoroana ny ambasady Alemana, toy izao ny hafatra: raha mihongana ny fitondran’i Al Basheer, dia ny fitondrana Islamista mahery fihetsika no hatrehin’izy ireo. Saingy tsy nahomby izany.

Nandritra izany, mpanoratra Palestiniana Yaser Al Zaatreh nanambara hoe [ar]:

ما علاقة السفارة الألمانية بالقضية. السودانيون ذهبوا للعنوان الخطأ، مع أننا نعارض استهداف السفارات وموظفيها.



@YZaatreh
: Inona ny idiran’ny ambasady Alemana amin’ny zava-misy. Toa diso làlana ny Sodaney na izany aza manohitra ny fikendrena sy ny famonoana ireo Ambasady sy ny mpiasany izahay.


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.