Iran: Manodidina Ilay Sarimihetsika Anti-Islamo Ihany

Demonstration by Swiss embassy in Tehran

Hetsika Manoloana Ny Masoivoho Soisa any Tehran. Loharano: IRNA

Nitatitra ny Sampana Fampahalalam-baovaon'ny Repoblika Islamika (IRNA) tamin'ny zoma 14 Septambra 2012 fa “Ny Iraniana rehetra manerana ny firenena dia hanao fihetsiketsehana anio aorian'ny Vavaka Zoma ho fanoherana ny sarimihetsika fanompana ny Mpaminany Mohammad.” Araka ny mahazatra, mandoro ny saina Amerikana sy Isiraeliana.

Mandritra izany fotoana izany ny mpitarika faratampon'i Iran, ny Ayatollah Ali Khamenei, tamin'ny Alakamisy nangataka mba hofaizin'i Etazonia ireo ao ambadiky ny “Ny Tsy Fahalalàn'ny Miozolomana” sarimihetsika iray mamely ny Islamo ampangaina ho miteraka hetsi-panoherana mahery setra any Afovoany Atsinanana sy any Afrika Avaratra.

Iray amin'ny ivon'ny toerana hanaovana ny hetsika ny manoloana ny ambasady Soisa any Tehran. Ny fitondrana Soisa, tamin'ny alalan'ny ambasadiny, no nampiasaina ho Hery Fiarovana an'i Etazonia ao Iran hatramin'ny 21 Mey 1980. (sary etsy ambony).

Mifampizarana ny heviny isan-karazany momba ny sarimihetsika sy ny fihetsiketsehana ny mpamaham-bolongana Iraniana.

Tsy mangina

Niaregh manameloka [fa] ny sarimihetsika, miangavy ny Filoha Obama hanao fialantsiny amin'ny Miozolomana manerantany sy hanakana ny sarimihetsika. Mangataka ny tontolo Islamika ihany koa ilay Bilaogera hanameloka ilay sarimihetsika ary tsy hangina. Lazain'ilay bilaogera fa miaina ao anatin'ny vanin'andro anjakan'ireo milaza tena ho mitondra izao tontolo izao mihiaka ny teny filamatry ny zon'olombelona isika, saingy tsy mahalala ny hasin'ny fivavahana ka manompa ireo fivavahana ireo.

Nahita ilay sarimihetsika ve ianareo?

Saeed Shabani manoratra [fa]:

Manao fihetsiketsehana manoloana ny masoivoho Soisa ao Tehran ry anabavin'ny Basiji [milisy islamika]. Mitondra sora-baventy tahaka izao ny mpanao fihetsiketsehana: Raha manome ahy ny baikon'ny jihad i Khamenei, tsy afa-mijoro hiady amiko ny tafik'izao tontolo izao. Tiako ho fantatra hoe inona no tiany lazaina amin'ny hoe “tafik'izao tontolo izao”.

Barfaye Koohe Dena manontany [fa]:

Hiverina ve ny tantara ka hanaraka ny dian'i Jimmy Carter i Barack Obama? [milaza ny faharesen'ny filohan'i Etazonia avy amin'ny demokraty nanoloana an'i Ronald Reagan tamin'ny 1980] …amin'ity lahatsoratra ity no tiako ilazana amin'ny Islamista mahery fihetsika, raha ratsy ny fanompana ny Miozolomana, dia ahoana no anaovanao ny fanompana ny fivavahana hafa ho tsara?

Arman manontany [fa]:

Efa nahita ilay sarimihetsika ve ianareo ry mpanao fihetsiketsehana? Raha manontany ny iray amin'ireo mpanao fihetsiketsekana ireo izany fanontaniana izany aho dia tsy hahavaly ireo. Anarivony ny maty noho ny fahalotoan'ny tontolo iainana, ary maro ny maty eny an'arabe noho ny fiaran-dry zareo tsy manara-penitra, ary tsy manao na inona na inona hampivoarana ny toe-draharaha ny fitondrana – nefa tsy misy miteny na inona na inona ianareo.

Fako saingy…

Artificial Intelligence manoratra:

Mahita ilay sarimihetsika farany momba ny Muhammad ho marikivy, maharikoriko ary tena fako tanteraka aho. Ary mino aho fa tokony hanao sarimihetsika manadrohadro ny Miozolomana, Muhammad na ny Olobe miozolomana ny rehetra… Eh! tokony hanadrohadro an'i Mosesy, Jesoa ary ny mpaminany hafa rehetra ianao dieny izao. Maharikoriko daholo izany fa tsy mendrika hanaovana herisetra, fandrahonana herisetra na fampitahorana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.