Arzantina: “Ampy izay” Hoy Ireo Mpanao Hetsi-panoherana Ny Politikan'ny Governemanta

Ny 13 Septambra 2012, marobe ireo diabe sy cacerolazos (hetsi-panoherana fitondràna vilany sy kaseraoly) natao taminà tanàna samihafa nanerana an'i Arzantina mba hanoherana ireo politika vao haingana nolanian'ny governemantan'i Cristina Fernandez de Kirchner. Ilay fanetseham-bahoaka dia nokarakaraina tamin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy, izay nikiahan'ireo olona ny  “Rariny, Fahalalahana, Fandriampahalemana, Fidanganan'ny vidim-piainana, [a] Fanidiana ny Tsenan'ny Fifanakalozana “ [es].

Ny pejy Facebook “Yo no voté a la Kretina y Ud?” [es] (tsy nifidy an'ilay Mitapy iny aho, ary ianao ?) dia manaparitaka ilay fanambaràna [es] ary taty aoriana kely dia namoaka sary maro momba ireo hetsika natao tany amin'ny tanàna samihafa. Ny pejy El Cipayo [es] koa dia nizara lahatsary sy saripika maro momba ireo fihetsiketsehana.

Ao amin'ny YouTube,  Yamil Santoro [es] dia nizara lahatsary iray izay nomeny lohateny hoe “Bare Argentina” na “Arzantina Miboridana”, ka tao anatin'izay no niboridànany raha niteny tamin'ireo mpijery ny antony tokony handraisan'izy ireo anjara amin'ny hetsika 13 Septambra. Ilay lahatsary dia mamintina amin'ity fehezanteny manaraka ity hoe :

“No dejes que te sigan robando tu futuro, no dejes que te sigan robando tu libertad. Resistí, vos podés”

“Aza avela hanohy ny fangalàrana ny hoavinareo ry zareo, aza avela hangalatra ny fahafahanareo izany.  Manohera, azonareo atao  izany”

Ny pejy Facebook El anti K [es] dia manely [es] ilay antso amin'ny alàlan'ity hafatra ity :

Hoy 13 de Septiembre nos manifestamos en Plaza de Mayo y en todo el país. Pueden ver los puntos de reunión en la convocatoria y comunicarse con las personas que asistirán al evento en tu provincia. Ganar una elección no da impunidad para cometer delitos y para ocultar inflación e inseguridad ! Este gobierno debe saber que todos debemos ser escuchados ! El dia de hoy si queres compartir información con nosotros que estaremos en el evento, podes enviarnos sms al 15-6-808-9938. Demostremos que no tenemos miedo !

Androany 13 Septambra isika dia hanao hetsi-panoherana ao amin'ny kianja Plaza de Mayo ary manerana ny firenena. Azonareo atao ny mijery ao anatin'ilay antso ireo toerana ifamoriana ary mifandray amin'ireo olona izay manatrika ny hetsika any amin'ny faritany misy anareo. Ny fandresena tamin'ny fifidianana tsy manome anao ny satan'ny tsimatimanota mba hanatanterahana heloka bevava sy hanafina ny fidanganam-piainana ary ny tsy fandriampahalemana! Tokony ho fantatr'ity governemanta ity fa tokony ho henoina ny tsirairay! Raha te-hizara vaovao aminay ianareo, afaka mandefa hafatra fohy aminay ato amin'ity 15-6-808-9938. Ndeha hasehontsika fa tsy matahotra isika !

Hetsi-panoherana tao an-tanànan'i Rosario – Sary nozarain'ilay mpampiasa Twitter @meindol

Nibitsika ihany koa ireo teratany Arzantina, mikasika ny hetsi-panoherana samihafa natao nanerana ny firenena. Nitatitra i Antonio Ledesma (@agrledes) [es] avy any Rosario hoe:

@agrledes [es] : En rosario es multitudianria [sic] la convocatoria en el monumento a la bandera.

@agrledes [es]: Aty Rosario dia misy hetsi-panoherana goavana tarihan'ny Flag Monument.

@carteraspalermo [es] miteny hoe :

@carteraspalermo: Siento una profunda emocion ver gente como uno que labura 10 horas por dia , que la pelea todos los dias unida en plaza de mayo!!!!

@carteraspalermo [es]: Mahatsapa fihetseham-po lalina aho eto am-pahitàna ireto olona marobe izay miasa ora 10 isanandro, sy miady mafy isanandro ary ankehitriny dia mitambatra eto an-kianjan'i Plaza de Mayo !!!!

Nandritra ny mbola nitrangan'ireo hetsi-panoherana, lasa lohahevitra noresahana betsaka tao an-toerana ny tenifototra #SanJuan [es] tao amin'ny Twitter satria tao amin'ny faritanin'i San Juan ny Filoha Cristina Fernandez de Kirchner nitokana indostria. Ny Masoivohom-pirenena momba ny Vaovao , Telam [es], dia namoaka ampahany tamin'ny kabariny :

“nerviosa no me voy a poner ni me van a poner”, y destacó además que Néstor Kirchner “murió de pie como un árbol y dio sus frutos: ustedes, que están de pie”.

“Tsy hisavoritaka aho, na hisy olona hampisavoritaka ahy” sady nanipika hoe [ny vadiny sady filohan'i Arzantina fahiny] Nestor Kirchner ” dia maty nijoro toy ny hazo nanome voankazo: ianareo, izay mijoro ireo.”

Raha miresaka ny fehezanteniny, Javier (@Avetuitera) [es] nibitsika hoe :

 @AveTuitera: Desde San Juan… Kristina: Yo Nerviosa, no me voy a poner… Otra frase que denota su Soberbia… BASTA

@AveTuitera [es]: Avy aty San Juan… Kristina: Tsy hisavoritaka aho… fehezanteny iray hafa izay mampiseho ny fihebohebony… AMPY IZAY

Amin'ny lafiny iray, nandritra ny harivan'ny 13 Septambra, Diego Sívori (@Diegosivori) [es] dia nampahatsiahy ireo mpanjohy azy hoe :

@Diegosivori: Hace un año el 54% le dijo sí a Cristina. Al que no le guste el resultado electoral y democrático, que espere a las próximas elecciones.

@Diegosivori [es]: Taona iray lasa izay, 54% no nanao ‘eny’ ho an'i Cristina. Ireo izay tsy tia an'ity vokatra ara-demaokratika ity dia tokony hiandry mandra-pahatongan'ny fifidianana manaraka.

Ireo tenifototra hafa nanjary noresahana betsaka tao an-toerana dia ny #cacerolazo [es] (hetsi-panoherana fitondràna vilany sy kaseraoly), #Cristina [es] sy #13ASTA [es] (ampy izay)

Hetsi-panoherana tao Buenos Aires – Sary nozarain'ilay mpampiasa Twitter @CarlaBHO

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.