Libya: Mamaky Ady Amin'ireo Toerana Masin'ny Soufis ny Salafista

Iharam-panafihana – ataon'ireo Salafista – ireo toeram-pivavahana sy vakoka Soufis. Notafihan'ireo Islamista fatra-pifikitra amin'ny nentin-drazana ireo toerana masina sy fitehirizam-bokin'ny Soufis tany avaratra-andrefan'i Zliten, ao an-tanànan'i Misrata, sy tao Tripoli renivohitra. Ireo fanafihana, nohelohin'ny UNESCO, dia niteraka hatezerana teo amin'ireo Libiana.

Araka ny fampitàm-baovaoa avy amin'ny Firenena Mikambana :

Ireo toerana ireo dia lalàin-dry zareo Soufis tokoa, sampana iray amin'ny Silamo fantatra loatra amin'ny maha-tony fihetsika azy ireo, saingy heverin'ny sampana hafa ho mandeha mifanohitra amin'ny ara-pivavahany sy ny finoana Silamo kosa.

Ao amin'ny Facebook, Abdullah, mpaka sary, dia mizara saripika avy amin'ireo hetsi-panoherana tao Benghazi nanoherana ireo fanafihana Maoske sy toerana masina Soufis ary ny fanimbazimbàna fasana

Mivaky toy izao ny famantarana ny sary eto ambany [ar] :

Lavina ny fanimbàna sy ny famotehana; lavina ny fandoroana boky; lavina ny ‘extremisme'; lavina ny fatwas Saodiana [baikom-pivavahana]

Ny famantarana faharoa dia mivaky hoe :

Lavina ny foto-kevitra Wahabbi. Libya ity fa tsy Afghanistan

Benghazi protestors angry at the desecration of tombs

Mpanao hetsi-panoherana tezitra tamin'ny fanimbazimbàna fasana. Saripika nozarain'i  Abdullah Doma tao amin'ny pejiny Facebook

Saripika iray faharoa [ito ambany ito], avy amin'io hetsi-panoherana io ihany, no mampiseho vehivavy iray mitazona sorabaventy mivaky hoe :

Avelao hitoetra am-piadanana ny maty sy ny velona!

A woman protestor in Ben Ghazi holding a sign which reads Leave the dead and the living alone!

Vehivavy iray mpanao hetsika ao Ben Ghazi mitazona sorabaventy mivaky hoe Avelao hitoetra am-piadanana ny maty sy ny velona! Saripika nozarain'i Abdullah Doma ao amin'ny pejiny Facebook

Ao amin'ny YouTube, Kalam Research dia mizara andianà lahatsary mitantara ny fahavoazana. Anisan'ireny ity lahatsary ity [nobahanan'ny tompony ny fahafahana mametraka ny lahatsary], mampiseho ny fanimbàna ny Maoske Sidi Abdussalam tao Zlient, sary nalaina tamin'ny 24 Aogositra 2012.

Ilay lahatsary dia maneho ireo fandravàna faobe manjo ireo maoske, tafiditra anatin'izany ny rindrina, hatramin'ny fanimbàna ny andrin-trano sy ny tilikambo avy any anatiny. Ilay maoske dia  toeram-ponenan'ny manampahaizana Soufi tamin'ny taonjato faha-15 sisa tavela ary nanana tranomboky nanan-tantara nifamatotra tamin'ireo boky tsy voasanda vola nisy tao aminy, izay potik'ireo mpanafika azy rehefa nodoran-dry zareo ilay tranomboky.

Lahatsary iray hafa no mampiseho ny fanimbazimbàna ny Fasan'i Sidi Al Makari, ao amin'ny Làlana Sha't ao Tripoli. Ity lahatsary ity dia nalaina ihany koa tamin'ny 24 Aogositra.

Lahatsary iray hafa no manome antsipirihany amin'ny fanimbàna ny Zawiyat Blat, mbola ao Zliten ihany koa.

Ary lahatsary iray hafa no manasongadina ny fanimbazimbàna ireo Fasana Ottoman Qaramanli : Fianakavian'i Yusuf Pasha Qarmali ao amin'ny Làlana Sha't ao Tripoli

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.