Palestina: Mipongatra Ny Hetsi-panoherana Ny Fidangan'ny Vidim-piainana Sy Tsy Fisian'asa

Mitombo be ireo hetsi-panoherana any amin'ireo tany Palestiniana, indrindra fa any amin'ireo tanàn-dehibe any amin'ny faritr'i Cisjoprdanie : Hebrona, Ramallah, Betlehema ary Naplouse.

Maneho  ny  hatezerany amin'ny Manampahefana Palestiniana ireo mpanao hetsi-panoherana, noho ny halafon'ny vidim-piainana sy ny taha avoben'ny tsy fisian'asa ho an'ireo tanora Palestiniana.

Nanomboka ireo hetsi-panoherana ireo taorian'ny nanambaràn'ny Manampahefana Palestiniana ny fiakarana 8% amin'ny vidin-dasantsy sy solika fandrehitra any Cisjordanie amin'ny Septambra. Nisy avy hatrany ny fidanganan'ny vidin-javatra, nefa tsy nisy na kely akory aza fiakaran'ny karama na vola miditra nanerana ny tany Palestiniana.

Nanatri-maso hetsi-panoherana iray tao Hebrona i Aban Idrees ary nibitsika hoe :

@abanidrees: في مدينة الخليل شلل تام في حركةالمرور بعد إحتجاجات اليوم ضد الغلاء والمطالبة بإسقاط حكومة فياض حيث لا تكاد سيارة تتحرك في الشارع
Tena mikatso tanteraka ny fifamoivoizana aty Hebrona taorian'ny hetsi-panoherana anherana ny vidim-piainana lafo, hangatahana ny fialàn'ny governemantan'i Fayyad. Zara raha mihisaka ny fiara eny an'arabe.

Ola Al Tamimi, bilaogera, dia nibitsika ihany koa avy ao Hebrona :

@OlaAlTamimi: شارع عين سارة أكبر شوارع الخليل مغلق بالشاحنات وأجساد الناس .. وبدأت بعض الناس بالتحرك باتجاه مقر الأمن الوطني ومبنى المحافظة
Ain Sarah, làlana midadasika indrindra aty Hebrona, dia voabahan'ireo fiarabe sy olona amin'izao fotoana. Ny sasany amin'ireo mpanao fanoherana dia manomboka mikisaka mankany amin'ny foiben-toeran'ny Fiarovam-pirenena sy ny tranoben'ny kaominina.

Ola nanampy hoe :

@OlaAlTamimi:أول مرة بتاريخ الخليل بتصير مظاهرة وما في حدا بنضرب من أجهزة الأمن الوقائي
Izao no fotoana voalohany nisianà hetsi-panoherana tao Hebrona tsy nisy olona nodarohan'ny Sampandraharaha Mpitandro Filaminana.

Hafez Omar, Palestiniana iray mafàna fo sady mpanakanto, dia nibitsika hoe :

@hafezomar:لأول مرة منذ العام ١٩٣٦ يتظاهر الفلسطينيون من أجل لقمة العيش!! العار لمن يريدنا أن ننسى فلسطين جريا وراء رغيف الخبز…
Izao no fotoana voalohany hatramin'ny 1936 mba nanaovan'ny Palestiniana hetsi-panoherana noho ny fidanganan'ny vidim-piainana! Henatra ho an'ireo izay mitady ny hampanadino anay an'i Palestina sy hitotototo hitady sombi-mofo kely…

Tondraky ny teny faneva mahatsikaiky avy amin'ireo Palestiniana mpanao hetsika ihany koa ny Twitter. Rana Baker nibitsika hoe :

@RanaGaza: من أجمل الشعارات التي رفعت اليوم في فلسطين ضد حكومة ‎‫فياض‬‏ و غلاء الأسعار: “صرت أنزل ع السوق أعمل Like و أروح.” ‎‫‬‏
Iray amin'ireo sorabaventy tsara indrindra natsangana androany tao Palestina hanoherana ny governemantan'i Fayyad ny halafon'ny fiainana: “Amin'izao andro izao rehefa mankany an-tsena aho, manao ‘like’ fotsiny dia mandeha mody !”

Sorabaventy iray hafa no nalain'i Lamees Suradi saripika :

@lames7:أحلى تعليق من نابلس اذا مع الفقرا مش واقفين ولا مع الاسرى واقفين فهمونا ليش بعدكم قاعدين!
Ny fanehoan-kevitra nahafinaritra indrindra avy any Naplouse : “Raha tsy momba ny mahantra ianareo sady tsy momba ihany koa ireo voafonja; azafady indrindra mba ambarao anay hoe nahoana ianareo no mbola eo amin'ny fitondràna!”

iPalestine, mpampiasa Twitter, dia nibitsika mikasika ny andrana saika handoro tena nataonà lehilahy iray antsoina hoe Hussein Qahwaji:

@PFLP67: مواطن قام بسكب البنزين على جسده وجسد ابنته البالغة من العمر 5 سنوات وحاول إحراق نفسه لكن المواطنين منعوه بالقوة.
Olom-pirenena iray no nanondraka solika ny tenany sy ny an-janany vavikely 5 taona ary saika handoro ny tenany, saingy tamin-kery no nanakanan'nyhafa azy tsy hanao izany.

Ny tatitra sasany nilaza fa mararin'nyhomamiadana ilay zanakavavin'i Qahwaji, ary raha ny marina dia manaraka fitsaboana any Jordania, ary tsy ho vitany intsony ny hamangivangy azy any.

Tranga voalohany nahitàna Palestiniana nampiasa ny fandoroana tena ho endri-panoherana ity. Ny 2 Septambra, Ehab Abu al-Nada, 17 taona, dia maty nandoro tena tao Gaza, angamba ho fakàna tàhaka ilay Toniziana Mohamed Bouazizi. Ehab Abu al-Nada dia nandao ny sekoly ary niasa nandritra ny telo ambinifolo ora isanandro aminà karama 30 sekely monja (eo amin'ny US$7.4) mba hanampiany ny rainy amin'ny fandaniana ao anatin'ny fianakaviany.

Nahasarika ny sain'ny maro ilay zava-nitranga, indrindra taorian'ny nivoahan'ny sary iray an'ilay mpitarika ny  Hamas, Ismail Haniyeh niaraka tamin'ny rain'i Ihab ; nitsidika azy i Haniyeh hanome azy ” fanampiana vonjy taitra ” mitentina  US$2000 taorian'ny nahafatesan'i Ehab.

Beny nanontany tena raha hitohy ity hetsika vaovao ity, ary raha hihanaka any amin'ny tanàm-dehibe hafa izy ity. Nanontany i  John Lyndon hoe :

@johnlyndon1: Fandoroana tena tao Gaza; Sariben’ Fayyad dorana ao Hebrona; hetsi-panoherana saika amin'ireo tanàna lehibe any Cisjordanie. Tara loatra ve ny fahatongavan'ny lohataona aty #Palestine?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.