Yemen: Hatezerana Noho Ireo Sivily 13 Matin'ny Fanafihana ‘Drone’ Amerikana

Fanafihan'ny ‘drone’ Amerikana iray hafa indray no niantraika tamin'i Yemen tamin'ny Alahady, tao Al-Baydha, nikendrena ireo mpitolona efa “noahiahiana” toy ny mahazatra. Ao anatin'izay efa lasa fahazarana ankehitriny, tsy voa izay nokinendry ary araka ny tatitra avy any an-toerana dia sivily 13, ahitàna vehivavy telo no maty.

Josh Begly, izay nanamboatra rindrankajy mitily ireo ‘drones’ Amerikana, izay nahiliky ny Apple, nibitsika hoe :

@joshbegley: Tao anatin'ny 6 andro nandavan'ny Apple n y ‘Drones+ app’ noforoniko, andro 5 no nisian'ny fanafihana ‘drones’ tao  Yemen & Pakistan.

Iona Craig, mpanao gazety izay miasa any Yemen, dia manamarika hoe :

@ionacraig: Ny tokony holazain'ity dia : ‘Tsy mahavoa izay nokinendriny ny ‘drone’ Amerikana, mamono vehivavy telo': http://bit.ly/PBj8gN #Yemen

Mibitsika ny fanehoan-kevitra iray avy amin'ny manampahefana Yemenita izy :

‏@ionacraig: Sonian'ireo fanafihana Amerikana any #Yemen:”Mbola eo am-panaovana fanadihadiana ny momba ireo lehilahy ireo izahay & ny hoe hatraiza  no fifandraisan-dry zareo amin'ny al Qaedahttp://bit.ly/R9QmTg

Zendana ireo mpikirakira aterineto tamin'ny fifanoheran'ireo tatitra, izay tany amboalohany nilaza fa ilay fanafihana dia nataon'ny ‘drone’ Amerikana avy eo ka navadika indray hoe fiaramanidina mpiady Yemenita ny tantara.
Glen Greenwald, mpamoaka lahatsoratra ho an'ny The Guardian, manontany hoe :

@ggreenwald: Avy amin'ny ‘drone’ Amerikana ve (http://is.gd/sVTw5d ) sa fiaramanidina mpiady Yemenita (http://is.gd/wi8McU ) ny fanafihana nahafaty olon-tsotra tamin'ny Alahady tao Yemen e?

Nitondrany fanazavana taty aoriana kely :

‏@ggreenwald: @ionacraig Reuters izao milaza koa fa fiaramanidina Yemenita ilay izy, amin'ny fitanisàna manampahefana sy “mponina” http://is.gd/YJ60AI

Iona Craig mamaly hoe :

@ionacraig: @ggreenwald Tsy atao mahagaga raha Reuters milaza azy iny ho ‘drone’ Amerikana rehefa miresaka fahafatesanà mpitolona: http://bit.ly/OLsxlb mivadika ho Yemenita rehefa olon-tsotra no maty.

Kanefa, hoy i Micah Zenko :

@MicahZenko: Fanafihana ‘drone’ Amerikana iny izay nahafatesana olon-tsotra 13 tao #Yemen, manampahefana Yemenita 3 no miteny izany hoy i @HakimAlmasmari bit.ly/REJ4HJ

Hatreto, ireo  Yemenita mpampiasa Twitter dia efa zatra tsara an'ity karazana tantara ity.  Ibrahim Mothana nibitsika lahatsoratra iray  mikasika ny zava-nitete tao amin'ny Wikileaks izay nampiseho ho hitam-bahoaka ny fifanarahana miafina nataon'ny filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh tamin'ny fandefasana fanafihana bala afomanga Amerikana natao tamin'ny Al Qaeda, saingy nolazaina fa fanafihan'ny Yemenita izy ireny

@imothanaYemen :

Manontany tena ve hoe ahoana no hivadihan'ny ‘drone’ Amerikana ho lasa fiaramanidina mpiady Yemenita?! http://www.guardian.co.uk/world/2010/dec/03/wikileaks-yemen-us-attack-al-qaida … #Yemen

Mpanao gazety mpanadihady iray, Abdul Ilah Shayi, no nogadraina taorian'ny filazany  ny maha-voarohirohy ny Amerikana tamin'ny fanafihana balafomanga iray tany Al-Ma'jala izay nahafatesana olona 55. Tokony ho afaka tamin'ny famotsoran-keloka fanomen'ny filoham-pirenena tamin'ny 1 Febroary  2011 izy, saingy notohizana notazonina hatrany vokatry ny tsindry aloka mivantana avy any amin'ny Trano Fotsy taorian'ny antso an-telefona nataon'ny filoha  Obama ho an'i Saleh

Naneho ny hatezerany  sy ny fanoherany ny fanafihan'ireo ‘drones’ Amerikana any Yemen ry zareo Yemenita

@aliaeshaq: Sivily 11 no maty tamin'ny fanafihana ‘drone’ farany tao Baida, #Yemen. Teneno hoe TSIA, tsy ilaina ny ‘drones'! Mila mahafantatra izao tontolo izao fa olombelona ireo #NoDrones

@al3ini: Tsy mila #drones … Mamono tsy misy fanamarinana araka ny lalàna an'ireo Yemenita ry zareo #Yemen

@Ulfatak: Olon-tsotra aho. Olon-tsotra ianao. Olon-tsotra 1 maty dia efa 1 tafahoatra. #US #Drones #Yemen

@imothanaYemen: Ny fanafihana amin'ny ‘drone’ lazain'i Brennan fa “ara-dalàna, manaraka ny fepetra, ary natao am-piheverana” tao Yemen dia namono tsotra izao fotsiny olon-tsotra 13, nahitàna vehivavy 3  & ankizy 3 http://edition.cnn.com/2012/09/03/world/meast/yemen-drone-strike/ #US

@Sarah_Sanaa: Ry #Amerikana malala isany, mba fantatrareo ve hoe fomba ahoana no iarovan'i #Obama anareo? Amin'ny famonoana #Yemen -ita mismisy kokoa Heverinareo ve fa hitombo ao anaty fandalàna fandriampahalemana ny zanak'izy ireny? #Drones #US

Fanentanana iray #NoDrones (TsyMilaDrone) no natombok'ireo Yemenita mpampiasa Twitter tamin'ny May indray ary nampiasàna ny tenifototra #Nodrones hanehoan-dry zareo ny hatezerany sy angatahany ny hampitsaharana ny fanafihana ataon'ny Amerikana ao Yemen.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.