Madagasikara: tezitra nohon'ny fahatapahan-jiro matetika ny vahoaka ka nanafika ny #JIRAMA Farafangana

Ny namana avylavitra no nanaitra voalohany tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera [na twitter] fa :

@avylavitra: #JIRAMA #FARAFANGANA notafihan'andian'olona omaly [ndlr. Alahady 2 septambra 2012] tamin'ny 7 ora alina #Madagascar

Nohamarinin'ny « L'express de Madagascar » tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera izany taty aoriana :

@LExpressMada: Nopotehin'ny olona ny Jirama tao Farafangana nohon'ny fahatapahan-jiro matetika

Tsy maharaka ny herin'ny milina araka ny tatitry ny vohikala « tananews » :

Les besoins en électricité de la ville de Farafangana s’élèvent à 660 KW. La Jirama est obligée de faire un délestage de 6 heures par jour étant donné qu’elle n’est en mesure de fournir que 160 KW

“Mahatratra 660 KW ny herin'aratra ilain'ny tanànan'i Farafangana anefa 160 KW monja no afaka atolotry ny JIRAMA izay voatery manapaka ny herin'aratra ora 6 isan'andro”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.