Malezia: Olana Ara-Bola Nampikatona Gazety An-Tserasera Tsy Miankina Shinoa

Nikatona tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny 31 aogositra 2012 lasa teo ny Merdeka Review, gazety an-tserasera tsy miankina shinoa izay niorina tamin'ny taona 2005 tany Malezia. Noho ny fialan'ny mpanohana lehibe indrindra dia tratran'ny olana ara-bola ny orinasam-baovao hatramin'ny 2011.

Niezaka nanampy ity vohikalam-baovao ity mba ho afa-miasa ihany ny olona hatramin'ny faraparany teo; mbola azo nojeren'ny [zh] besinimaro ny vohikala.

Toy izao ny votoatin'ny [zh] fanambarana fikatonana:

停刊之后,《独立新闻在线》将秉持“取之社会,用之社会”的精神,让网站继续保持开放,作为公众乃至学者免费检索新闻史料的研究资源,藉此延续《独立新闻在线》之精神。伺服器公司闻讯,答应赞助一年,令我们深为感动。

《独立新闻在线》停刊,部分原因固然是因为社会缺乏让异议新闻网站得以足以稳健前进之希望与条件,然而民心思变业已发生,且教育日益普及促使读者对何为“新闻”的期许,要比上一代人高很多。在相对威权的社会,网络媒体与民主化进程息息相关,但民主化向前没跨一步之际,网络媒体理应也有更好的客观条件,以利永续经营。
这是我们的期许,能否实现、何时实现,广大读者群“给力”多大,固然能起重要作用,但是完全依赖市场的养分存活,异议新闻网站亦有变质之风险。我们能否想象一个有利于异议新闻网站存活甚至焕发的公共政策?这不仅有赖于广大读者集思广益,亦有赖于从政者与决策者从善如流,坐言起行地推动民主化进程。

Independent Online Media, Merdeka Review, Stopped Operation on 31 August 2012.

Nampitsahatra ny asany ny 31 aogositra 2012 ny gazety an-tserasera tsy miankina, Merdeka Review.

Hiezaka ny ho hita an-tserasera hatrany ny Merdeka Review mba ho afa-mamaky sy manao fikarohana malalaka (tsy andoavam-bola) ny rehetra. Ny fisiana sehatra malalaka ho an'ny rehetra no nijoroanay hatramin'izay. Te-hisaotra ny mpampiatrano ny tahirin-kevitra izahay noho ny nampiatranoany anay maimai-poana nandritra ny herintaona.

Anisan'ny antony nikatonanay amin'ny ampahany ny tsy fisiana foto-drafitrasa sosialy manohana ny famoaham-baovao manivaka na dia manantena “vaovao” avo lenta kokoa aza ny olona raha oharina amin'ny taranaka teo aloha. Ao amin'ny azo heverina ho fiaraha-monina somary mandidy dia mifandray akaiky dia akaiky ny famoaham-baovao an-tserasera sy ny demokratizasiona. Hanampy ny fanavaozana politika ny fampandrosoana tsara kokoa sy maharitra. Manantena izahay fa hipoitra haingana ireo fepetra ireo. Tena miankina amin'ny fanohanan'ny olona mihitsy io. Etsy ankilany, tsy afa-miankina tanteraka amin'ny tsena izahay satria hampidi-doza ny toerana misy ny orinasam-baovao tsy miankina izany. Hanampy amin'ny fanatsarana ny toerana ahafahan'ny vohikalam-baovao tsy manara-driandrano ve ny politikam-panjakana? Mila mampitovy ny tadin-dokanga isika ka hiaro ny demokrasia mba hahafahan'ny mpanapa-kevitra ara-politika mihaino ny soso-kevitsika.

Maro ireo mpankasitraka ilay orinasam-baovao no nampiseho ny faniriany fa mbola hiverina izy aoriana ao. Yu-Ling Chong, izay monina ao Singapore, mahatsiaro malahelo amin'ny fahaverezana:

Merdeka Review no iray amin'ny famoaham-baovao manindry lentam-pahefana mavitrika indrindra eto Malezia. Misy ny fitantaram-baovao sahisahy izay tsy tiana na tsy sahin'ny gazety be mpanaraka eto Malezia taterina. Manome feo ho an'ny fiaraha-monina izy. Ankoatra izany, mitatitra ny toe-draharaha mahazo ny vondron'olona voahilikilika isan-karazany eto Malezia ny Merdeka Review nandritra ireo taona maro ka manome fotoana ho an'ireo mpamaky hihaino ny feo avy aminy. Na izany aza, tsara ny fandraisana anjaran'ny Merdeka Review.

Saingy indrisy noho ny tsy fisian'ny fanohanana ara-bola, nampitsahatra ny asany ny Merdeka Review androany. Tsy maninona na dia malahelo sy diso fanantenana aza ny mpamaky, tsy manan-tsafidy afa-tsy ny manaiky ny zava-misy isika.

Manantena fotsiny isika fa indray andro any, ho velona indray ny Merdeka Review ka hanohy ny fampiroboroboana ny fahalalaham-pitenenana eto Malezia. Ho velona anie ny fanahin'ny Merdeka Review!

Nahatonga ny tanora Shinoa maro handray anjara amin'ny hetsika ara-politika sy sosialy ny Merdeka. Ah Lye, mpikatroka any Malezia manoratra [zh] ao amin'ny Facebook-ny ny dikan'izany hoe famoaham-baovao tsy miankina izany:

阅读这个媒体整七年,她一路来孕育了我的醒觉,在她里头我学习了不少。谢谢独立新闻在线,能够撑到今天已经是奇迹,过程里有不少人的努力和牺牲。

29 岁到 36 岁,七年里,这个国家经历了很多,我也对这个土地,有了不一样的认识,而你们,肯定在这个七年里,伴随了很多人经历了他们的七年,可能是中学的七年,出来社会的七年,步入中年的七年,结婚生孩子的七年,慢慢老去的七年。尤记得在这七年里一些笔战过的朋友,如今,他们很多应该都已经是社运里的老前辈了。希望你们继续在各自的岗位里,捍卫这个社会的正义。

Namaky ity gazety an-tserasera ity nandritra ny fito taona aho. Nampiakatra ny fahalalako ara-tsosialy ary nianatra zavatra maro tao amin'ny vohikala aho. Tena te-hankasitraka ny Merdeka Review aho. Ary tahaka ny fahagagana ihany raha afa-niavo-tena nandritra ny taona maro izy io. Olona maro no efa sorona.

29 ka hatramin'ny faha-36 taona, nandalo zavatra maro tokoa ity firenena ity nandritra ny fito taona ary nampivelatra fahalalàna maro amin'ity sombin-tany ity aho. Mety ho nandany fito taona niaraka tamin'izy ireo koa angamba ianao, raha tany amin'ny kolejy ianao, na raha niditra orinasa ianao, raha vatombatony ianao, na raha nanambady misy zaza, na niha-antitra ianao. Nisy ny namana niadian-kevitra an-tserasera no efa miaina ny fikatrohana ara-tsosialy. Manantena aho fa mbola hiaro ny rariny ara-tsosialy ianareo amin'ny toerana vaovao misy anareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.