Bahrain: Nifanjevo Ny Tao Amin'ny Fitsarana Noho Ny Fanalavana Ny Fitazonana Ireo Ankizy Roa Tsy Ampy Taona

Nohalavain’ilay mpitsara Bahrainita fito andro ny fitazonana ireo zaza tsy ampy taona 12 sy 13 taona ao amin’ny “Ivon-toeram-piarovana ny Zaza tsy ampy taona” noho ny fiampangana azy ireo ho nandoro kodiarana sy nanao fivoriana tsy ara-dalàna. Fanitelony izao fanavaoza-pitazonana izao hatramin’ny nisamborana azy ireto izay midika fa efa 28 andro izay no notànana ireto ankizy mandra-panadihadiana azy ireo indray.

Nosamborina tamin’ny 7 Aogositra 2012 i Mirza Abul Shaheed Mirza (12 taona), Mohsin Mohammed Sadiq Al-Arab (13) ary i Mohammed Abbas Al-Moolani (16), taorian'ny fisafoana nataon’ny polisy ka nahatratrana azy ireo nandoro kodiarana tao amin’ny araben’ny tanàna Hamad , araka ny filazan’i AlWefaq sy AlAyam Newspaper [ar] izay nitantara ny zava-nitranga saingy tsy nanome ny anaran’ireo ahiahiana. Tsy azo sokajiana ho tsy ampy taona i Al-Moolani (16) araka ny voalaza ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana Bahrainita ka notànana tany am-ponja tena izy.

Mirza AbdulShaheed (12) & Mohsin AlArab (13) in court. Manama, Bahrain. Image by Twitpic user and their lawyer @Duaa_al3mm

Mirza AbdulShaheed (12) & Mohsin AlArab (13) teo amin'ny fitsarana. Manama, Bahrain. sary mpisera Twitpic  sady mpisolovava azy ireo @Duaa_al3mm

Mpisera Twitter maromaro no tonga tao amin’ny efitra nanaovana ny fotoam-pitsarana ka novakiana teo anatrehan’ireo ray aman-dreny niandry tao ny fanalavana ny fe-potoana hitazonana ireo zanany, nilaza ireo fianakaviana fa maro ireo latsa-dranomaso, anisan’izany ilay renin’i Mirza Abdulshaheed (12 taona), izay nivoaka tany ivelany. Tonga tao ihany ihany koa i Zahra AlShaikh, hanatrika ny fitsarana ny rahavaviny Zainab AlShaikh, hoy ireo mpisera twitter [ar]:

ما زالت كلمات أم الطفل المعتقل #ميرزا_عبدالشهيد ترن في أذني ببكائها وتهذي :لم أشتري له ثياب العيد والمدارس بتفتح وما أخذت له ثياب المدرسة 🙁

@ZAlshaikh_BH: Mbola reko manako ato an-tsofiko ny tenin’ny renin’i  Mirza AbdulShahid, niteniteny hoe tsy nividy akanjo  hanaovana tamin'ny Eid, efa hiditra hianatra tsy ho ela indray fa mbola tsy nividy akanjo ho azy ihany koa.

Nisioka ny sarin’i Mizra niezaka nampangina ny reniny nitomany i lShaikh [ar].

أين القلوب الرحيمة ؟ أدميت قلوبنا وهم يجرون الطفل #ميرزا_عبدالشهيد وهو يأبى أن يترك والدته بعد أن سقطت مغشيا عليها

@ZAlshaikh_BH:Aiza no fo mangoraka? Nalahelo ny fonay raha nanala an’i Mirza tamin’ny reniny izy ireo.

Mirza AbdulShaheed pulled away from his unconscious mother. Image by Twitpic user @ZAlShaikh_BH

Mirza AbdulShaheed noesorina niala tamin-dreniny. Sary: @ZAlShaikh_BH

Tohina tanteraka ny fon’ireo mpisera Twitter ao an-toerana tamin’ny fanohizana ny fihazonana an’izy telo,   indrindra taoriana ny fanambarana nataon’ny mpampanoa lalàna mikasika ny fanafahana [ar] ireo polisy nosamborina noho ny raharaha momba an’I Hussam AlHaddad, 16 taona ,izay namoy ny ainy nandritra ny fifandonana tamin’ny polisy tao Muharraq tamin’ny 20 Aogositra 2012.

معادلة لا أفهمها أن يخلى سبيل متهما بالقتل العمد، بينما يتم التحفظ على طفل في 12 من عمره!! فأينها حماية المجتمع في هكذا معادلة!!

@AMJAD_LAWYER:Hafahafa izany, tsy azoko mihitsy! Nahoana ny olona namono olona no nomena fahafahana fa ny ankizy  12 taona tsy ampy taona mbola tazonina. Toy izany ve no hiarovanareo ny fiarahamonintsika ?

Namoaka fanambarana ny AlWefaq National Islamic Society (Fikambanana Islamika) izay nanasokajiany fa Mirza Abdulshaheed no “gadra politika tanora indrindra eto an-tany” satria noho ny antony politika no nanenjehana azy.

Vao haingana, mba hanamarihana ny Eid Al Fitr, nandefa fanentanana ny AlWefaq sy ny  fikambanan’ny mpanohitra tamin’ny alalan’ny teny filamatra hoe, “An Eid without Kids (Eid tsy misy Ankizy)” izay manasongadina ny tantaran’ireo ankizy maherin’ny 90 mbola tsy ampy taona kanefa nogadraina any am-ponjan’ny olon-dehibe noho ny fiampangana azy ireo izay tsy mifanaraka amin’ny taonany”. Ireo ankizy latsaky ny 15 taona ihany no jeren’i Bahrain manokana.

Ireo tsy ampy taona mihoatra ny 16 taona ka manana raharaham-pitsarana dia azo gadraina any am-ponja araka izay fantatry ny mpitsara fa mifanaraka amin’ny heloka vitany.  Nolavin’ny Antenimieram-pirenena Choura ny volavolan-dalàna manova izany fe-taona izany ho 18 taona tamin’ny volana Mey 2011, araka ny filazan’ny gazety Akhbar AlKhaleej [ar].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.