Arabia Saodita: Mitohy Ny Fitsarana Ilay Mpiaro Ny Zon'olombelona Fanta-daza

Nalaina ambavany fanindroany tao amin’ny fitsarana Ady heloka Bevava Riyadh  vao maraimben’ny 1 septambra lasa teo ireo Saodiana malaza mpiaro ny zon’olombelona sy reformista Mohammad al-Qahtani sy Abdullah al-Hamid, izay nandray anjara tamin’ny fananganana ny Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo Ara- sivily sy Ara-politika noho ny tolona maro momba ny fiarovana ny zon’olombelona niantsorohan’izy ireo. Tamin’ny volana Jiona lasa teo no nohenoina tsirairay voalohany izy ireo tao amin’ny fitsarana, nanapa-kevitra ny mpitsara tamin’izany fa hohenoina miaraka amin’ny fotoana iray izy ireo amin’ny fangalana ambavany manaraka.

Anisan’ny fiampangana hanenjehana an’i al-Hamid ny:

الدعوة والتحريض على مخالفة النظام، وإشاعة الفوضى، والإخلال بالأمن والطمأنينة العامة، من خلال إعداد وصياغة ونشر بيان يدعو إلى التظاهر في الميادين العامة […]

Fiantsoana sy fitarihana ny olona hanitsakitsaka ny lalàna, fanakorontanana sy fanohintohinana ny filaminam-bahoaka sy ny fandriampahalemana tamin’ny alalan’ny lahatsoratra sy  fanentanana ny vahoaka hamonjy fihetsiketsehana ao amin’ny kianjam-bahoaka […]

صف نظام الحكم السعودي – ظلماً وتعدياً – بأنه نظام بوليسي يقوم على الجور والقمع ويتبرقع بالدين واستخدام القضاء لتقنين الظلم من أجل استمرار الفتك المنهجي بحقوق الإنسان.

Fiantsoana tsy ara-drariny ny fitondrana Saodiana ho toy ny fitondrana miaramila napetraka tamin’ny tsy rariny sy tamin’ny famoretana sy ny fanohizana ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona

Abdullah al-Hamad mipetraka amin'ny tany rehefa feno olona ny tao amin'ny efi-pitsarana. Sary: @abdulrhmansh

Andro vitsy lasa, niantso ny vahoaka i  al-Hamid  mba hanatrika ny fangalana ambavany atao azy ireo ary maro ireo reformista namaly ny antso.

Anisan’ireo nanatrika izany ilay mpanao gazety Saodiana Nawaf al-Qudaimi ary ni-tweet hoe:

عبدالله الحامد يحول المحاكمة إلى درس للتاريخ والقضاء حول حقوق المتهم وأصول العدالة الشرعية […]

@Alqudaimi: Nataon’i Abdullah al-Hamid toy ny valandresaka ny fangalana ambavany  natao azy. Hijanona ho tantara izany […]

Anisan’ireo tonga nanatrika ny fitsarana ilay mpanao gazety Saodiana sady mpiaro ny zon’olombelona  Iman al-Qahtani. Nandefa sioka izay zava-nitranga izy:

الحامد مخاطبا القاضي أين أنتم من ضحايا الاعتقال التعسفي والتعذيب وهم يريدون ضرب حسم بسبب رصدنا المضطهدين #محاكمة_الحامد_والقحطاني

@ImaQh: Hoy i al-Hamid tamin’ny mpitsara: Nahoana ianao no tsy mba manadihady ireo niharan’ny fisamborana sy fampijaliana amin’ny antony?  Te hanimba ny [Fikambanana  Saodiana Miaro ny Zo sivily sy politika]  ireo satria fantatray avokoa ireo niharam-boina.

Nanapa-kevitra ny mpitsara fa tohizana ny ampitso ny fanadihadiana, ny 2 Septambra,  saingy tsy misokatra ho an’ny daholobe izany:

لا تظنوا ان المحاكمة علنية بل من حضر دخل بدون استئذان والقاضي أصر علي عدم حضورنا غداً #محاكمة_الحامد_والقحطاني

@ImaQh: Tsia, tsy mahazo atrehin’ny daholobe ny fanadihadiana fanindroany. Nangataka alalana tamin’ny mpitsara hanatrika izany fanadihadiana fanidroany atao ny ampitso izany ireo tonga nanatrika ny fanadihadiana [tamin’ny 1 septambra] saingy nilaza ilay mpitsara fa tsy mahazo atrehin’izy ireo izany.

Bilaogera Saodiana fanta-daza Fouad al-Fahran naneho ny fanohanany tamin’ny sioka:

مجرد يوم عادي آخر في حياة د. أبو بلال و د. القحطاني.. يوم تاريخي لنا #محاكمة_الحامد_والقحطاني

@alfarhan: Andro iray hafa momba fiainan’ny  Dr. al-Hamid sy Dr. al-Qahtani. Andro manan-tantara [ho antsika rehetra]!

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.