Korea Atsimo : Manitsakitsaka Ny Lalampanorenana ny Lalàna Momba “Tena Anarana” Amin'ny Aterineto

Nanapaka ny Fitsarana Tampony any Korea Atsimo tamin'ny 23 aogositra 2012 fa mifanohitra amin'ny Lalampanorenana ny fanerena ny mpiserasera hampiasa ny tena anarany amin'ny aterineto.

Sombin-dahatsoratra ao amin'ny gazety koreana iray, Kyunghyang Shinmun :

Nofidian'ny mpitsara tsy nisy nitsipaka fa mandika ny Lalàmpanorenana ny andalana faha-5 amin'ny andininy faha-44 amin'ny lalana momba ny fampiroboroboana ny famoaham-baovao sy ny fampiasana ny tambajotram-pifandraisandavitra mbamin'ny fiarovam-baovao, izay mangataka amin'ny vohikala manana mpitsidika mihoatra ny 100 000 isan'andro mba hanamarina ny tena anaran'ilay mpiserasera rehefa mamoaka hevitra ao amin'ny vohikala izy ….

Nankinina tamin'ny filazana fa manohintohina ny fahafaha-miteny sy manapa-kevitra momba ny antonta-kevitra manokan'ny mpiserasera tsirairay, ary ny fahafaha-mitenin'ny mpandraharaha ny politikan'ny tena anarana. Nomarihan'ny tribonaly fa: “Raha tiana ny hamehezana ny fahafaha-miteny, tokony hazava tsara ny tombontsoam-bahoaka ao anatin'izany”.

“Mbola miandry izany fihenan'ny famoahan-kevitra tsy manara-dalana izany izahay, ary amin'ny fandosiran'ny mpiserasera mankany amin'ny vohikala any ivelany dia lasa miteraka fanavakavahana mamely ny anatiny indray [ka mampahazo vahana ny orinasa vahiny] ity politika ity. Noho ireo toe-javatra ireo, sarotra ny milaza fa nanatsara ny tombontsoam-bahoaka isika. “

Efa nanandrana nametraka rafitra manamarina ny tena anarana ny Antoko Lehibe nasionaly tamin'ny 2003, saingy tsy nahomby noho ny fanoheran'ny olona. Nandany lalam-pifidianana manery ny mpiserasera hanamarina ny tena anarany mialoha ny amoahany hevitra amin'ny vohikala manana fifandraisany amin'ny fifidianana ny Antoko avy eo mba ahafahany mifehy ny herim-panintonan'ny famoaham-baovao an-tserasera mandritra ny valim-pifidianana. Tamin'ny 2007, izay taom-pifidianana ihany koa, tamin'ny nilazany fa nampiroborobo ny fanendrikendrehana avy tamin'ny olo-tsy fantatra, dia noitarin'ny governemanta tamin'ireo vohikala mahazo mpijery mihoatra ny 300 000 isan'andro ny rafitry ny filazana ny tena anarana. Saingy nahenany mankany amin'ny mpitsidika 100 000 izany tamin'ny 2009, ka nahatery ny vohikala lehibe hampihatra ity politika ity.

Mampiady hevitra fatratra ny rafitra manamarina ny tena anarana any Korea. Nanao famakafakana lalina momba ity toe-draharaha ity ny IT Times tamin'ny janoary 2012 :

Noho ny politikan'ny tena anarana dia lasa lasibatry ny fanaovana piratazy na anatiny na ivelan'ny firenena ny vohikala koreana tatsimo. Nahatratra ambaratonga ambony izany tamin'ny herintaona, ny fanafihana an-tserasera avo lenta nifanesisesy no manaporofo fa tsy mety ampiharina rafitra mitaky ny tena anarana – Ny tranga tena fanta-daza tamin'izany dia ny an'ny SK Communications’ SNS Cyworld [fr], izay namoaka ny mombamomba ny olona tsirairay nahatratra Koreana 35 tapitrisa, mihoatra ny atsasaky ny mponina ao an-toerana. Etsy ankilany, tsy nahomby ny ezaka hanapotehana ny adihevitra an-tserasera. Araka ny fanadihadiana nataon'ny KCC, mandrafitra ny 13,9 isan-jaton'ny hafatra mivoaka amin'ny forum aterineto tamin'ny 2007 ny hafatra mamoa-tsampona, saingy tsy nihena afa-tsy teboka 0,9 isan-jato izy io tamin'ny 2008, herintaona taorian'ny fampiharana ny lalàna. Namoaka rafitra ahafahan'ny mpanao politika tsy menatra, sy ireo piraty tsy manan-kevitra afa-tsy zava-dratsy, tokoa manko ny governemanta koreana, ary natao amin'ny anaran'ny filaminam-bahoaka izany.

Sahiran-kevitra ihany koa ny fitondrana korena tatsimo raha tsy nanaiky ny hanaraka ny rafitra fanamarinana ny anarana tena izyny YouTube ao amin'ny Google tamin'ny 2009. Tamin'ny fanambarana fa tsy maintsy hajaina ny fahafaha-miteny amin'ny terineto, nakombon'ny Google ny fomba fampiasana ny lahatsary sy ny fametrahan-kevitr'ireo mpiserasera ao Korea Atsimo. Saingy tsy maintsy manova ny firenena misy azy fotsiny ny miserasera mba ahafahany mampiditra sary sy mametra-kevitra indray, izay tsy voalazan'ny lalàna synitraka adihevitra mafotaka tao amin'ny firenena. Nanosika ny KCC hanao fanadihadian'ny manam-pahaizana manokana eo amin'ny lafiny lalàna ny raharaha, reehefa avy nojerena raha azo atao ny manasazy ny Google na tsia, ka nivoahan'ny fanapaha-kevitra fa tsy ampiharina amin'ny ny lalàn'ny tena anarana, izay nanampy trotraka ny olana. Nanameloka ny fanavakavakana izay maharatsy toerana azy ireo eo manoloana ny fifaninanana amin'ny orinasa iraisampirenena ny tsy maintsy nanarahan-dry zareo ny lalàna – nandany vola ho amin'ny fampivoarana ny aterineto, ny fanaraha-maso sy ny vola tsy maintsy laniana amin'ny fiarovana – ny orinasa koreana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.