Sodàna: Noafahana Ilay Mpikatroka Twitter Taorian'ny Roa Volana Nidirany Am-ponja.

 Nanao hetsika mihery vaika ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly sy ny Sampam-piarovana Sodànezy (NISS) tamin'ny tapaky ny volana Jiona 2012. Nisambotra mpanao fihetsiketsehana, mpikatroka, mpikambana sy mpitarika antoko mpanao politika ary olom-pirenena mpahay lalàna tao amin’ny toerana fanaovana fihetsiketsehana, oniversite, toerana ankalamanjana sy tranon’olona maro izay manaraka ny hetsi-panoherana ny NISS.

Na dia izany aza, vao nanomboka nangina ny fihetsiketsehana tao anatin’ny roa volana mahery, noafahan’ny NISS ireo olona notànana; manamarika ny fanafahana ireo olona marobe notànana ny 17 Aogositra.

Anisan'ireo noafahana ilay mpikatroka Twitter Usamah Mohamed Ali izay nosamborina nandritra ny fihetsiketsehana tao Khartoum tamin'ny 22 Jiona.

Usamah Mohamed Ali is a Sudanese Twitter activist who was arrested at a protest. He has tweeted his prison experience following his release.

Mpisera Twitter Sodaney nosamborina nandritra ny fihetsiketsehana i Usamah Mohamed Ali. Nitantara ny zava-niainany nandritra ny famonjana azy izy teo am-pivoahana ny fonja.

Iray volana taorian’ny fisamborana an’i Usamah, nanoratra bilaogy manazava ny fitazomana azy tany am-ponja i Mimz

Ny ampitson’ny fanafahana azy, ni-tweet teny roa [TELO] tsotra izy ary nanamafy tamin’ireo mpanaraka azy fa efa noafahana:

@simsimt: Mitohy ny tolona.

Nampiany hoe:

@simsimt: Mankasitraka ireo rehetra nanentana ny mahakasika ahy aho! Hafatra tamin’ny sioka, lohahevitra & fanohanana nitondra fampaherezana ho ahy isaky ny mamaky izany!

Herinandro taty aoriana, Usamah nanoratra andianà sioka fohy mitantara ny zava-niaretany nandritra fisamborana azy.

Hoy izy nanomboka izany:

@simsimt: Tsy misy fanazavana  amin’ny antsipirihany aloha hatramin’izao, nanatona nisambotra ahy ny polisy #NISS nanao fanamiana sivily raha mbola teo am-pisiokana aho #SudanRevolts

@simsimt: Tadidiko mazava tsara fa nanoratra momba ny fanafihana goavana nataon’ny #NISS izay manakana ny fitantarana ny fihetsiketsehana aho. #SudanRevolts

Nanazava I Usamah fa tsy nanaiky nanome ny tenihiditra tamin’ny findainy izy, ka niteraka ny fahaviniran’ireo manampahefana tao amin’ny NISS:

@simsimt: Mihidy ny findaiko, ary izaho ihany no manana ny tenihiditra aminy, nanjary loza ho ahy anefa izany satria fanararaotam-pahefana maro, fijaliana  & fanadihadiana no niharetako #SudanRevolts

Hoy ihany koa izy nilaza:

@simsimt: Raha tao anatin’ilay fiaran’ny #NISS izay nijanona teo amin’ny faritry ny fihetsiketsehana aho, noterena foana hamelona sy hanome ny tenimiafina amin’ny findaiko. #SudanRevolts

@simsimt: Nolaviko hatrany anefa izany. Rehefa tsy hitan’izy ireo intsony izay atao, naiditra tanaty fiara manokana an’ny #NISS aho hoentina any Bahri. #SudanRevolts

Nitantara ny fampijaliana ara-tsaina sy ara-batana niaretany  nandritra ny fihazonana azy izy:

@simsimt: Tao amin’ny tranoben’ny #NISS, tabataba, vono marary sy karazana fandrahonana maro no niaretako nandritra ny 4 na 5 ora teo, mba hampandeha ny findaiko #SudanRevolts

@simsimt: Norahonana aho/ novetavetaina/fampijaliana imbetsaka nandritra izany andro izany. Nampijaly ahy na dia manam-pahefana ambony tao amin’ny#NISS aza indray maka. #SudanRevolts

Nanamarika ihany koa izy hoe:

@simsimt: Niaritra vono mahery vaika teo amin’ny lohako aho, satria raha mbola teny amin’izy ireo ny findaiko, naharay antso avy any Etazonia aho. #SudanRevolts

@simsimt: Nikiakiaka tamiko toy izao ilay mpampijaly romotra toy ny adala “mpitsikilo ianao, MPITSIKILO, MPITSIKILO!” sady namono ahy koa! #SudanRevolts

Nanazava ihany koa izy fa tsy navelan’ilay manam-pahefana ambony ao amin’ny NISS natory mihitsy:

@simsimt: Rehefa tsy hitan’izy ireo intsony izay natao tamiko, tsy navelan’ilay manam-pahefana ambony teo anoloako hatory aho. #SudanRevolts

Nofehezin’i Usamah hoe:

@simsimt: Fantatro avokoa ireo tompon'andraikitra ao amin'ny #NISS izay nampijaly ahy. Tadidiko ny tavan’ireo manam-pahefana nampijaly sy nanararaotra ahy. #SudanRevolts

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.