Québec : Fifidianana Solombavambahoaka Mafampàna Taorian'ny Lohataona “québécois”

Hatao amin'ny 4 Septambra 2012 izao ny fifidianana solombavam-bahoaka 2012 any Quebec. Hifidianana ireo solombavambahoaka andiany faha-40 ho ao amin'ny Antenimieram-pirenen'i Québec izy io. Ireo fitsapan-kevitra farany dia maneho fa ireo mpitaky fizakan-tena avy amin'ny antoko Parti Québécois (PQ) no mitarika. Ny fifaninanana eo amin'ny federalista sy ny mpitaky fizakan-tena no nandrafitra hatry ny fiainana ara-politikan'i Québec. Saingy tamin'ity taona ity, ny vokatry ny fitokonan'ireo mpianatra ho setrin'ny fiakaran'ny vola samihafa fandoa eny amin'ny anjerimanontolo dia ho singa iray lehibe amin'ny safidin'ireo mpandatsa-bato. Maneho hevitra momba ilay fitsapan-kevitra ireo mpikirakira aterineto ao Québec, herinandro vitsy mialoha ny fifidianana.

Ny efitrano fivorian'ny Antenimieram-pirenen'ny Parlemanta ao Québec avy amin'ny Wikipédia CC-license-3.0

Embruns dia manolotra famintinana ny tontolo politika ao Quebec sy ireo hery mpifanandrina :

 Ny fomba fifidianana ao Quebec dia manome tombon-dahiny ho an'ireo antoko lehibe, na dia tsy ahazoana antoka loatra ny ho fahazoana ny maro an'isa mazava tsara aza, ary tena manao toetra tsy zaka amin'ireo antoko madinika. Ny governemanta eto an-toerana dia tsy nahazo afa-tsy 24% amin'ny fanohanana'ireo mpifidy voasoratra anarana. Eo amin'ny fibodoana tsy hifidy sy ny rafi-pifidianana, ity faharoa no mamahana amin'ny ampahany iry voalohany, mipetraka araka izany ny fanontaniana momba ny hoe iza no ho maro an'isa ao amin'ny Antenimieram-pirenena ary mitolona ho amin'ny fifandanjan-kery ny olom-pirenena sasany. Tsy dia mirona loatra amin'ireny hevitra ireny, marobe ireo Quebecois no mahita fa mety hampalahelo fa tsy hahita seza na iray aza ao amin'ny antenimiera i Amir Khadir avy amin'ny antoko kelin'ny elatra ankavia ‘Québec solidaire’, ary dia miainga amin'izany ny hamaroan-kevitra sy ny fifangaroam-pijery samihafa. [..] Araka ny fitsapan-kevitra iray natao tamin'ny 2010, Amir Khadir no olon'ny politika nolalàin'ireo Québécois. Nidina anefa izany hatreto, saingy mbola ao foana ilay firaiketam-pon'ireo Québécois amin'ny maha-izy azy ary avy amin'ireo tanora manokana, indrindra taorian'ny nibabeny 100% ny hetsika “Lohataona québécois”.

Aty amin'ny misandratr'andron'ny fifidianana, ny lohataona québécois (na ‘printemps érable’) dia mbola velona hatrany ao an-tsaina. Ity fifidianana mialoha ny fotoana ity dia tsy inona fa vokatry ny fitokonana lavareny teo amin'ny tantaran'i Québec.  Mireille Fournier no manazava :

Taorian'ny nandravàna ny Parlemanta, nambaran'ny Praiminisitry ny faritanin'i Québec, Jean Charest ny hisian'ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana amin'ny Septambra ho avy izao. Tsy atao aminà andro mitovy ny fifidianana any Québec, izay no ahafahan'ny governemanta mipetraka amin'ny toerany hatramin'ny faran'ny 2012. Saingy manoloana ny fanakaikezan'ny fidiran'ny taom-pianarana , ny 15 Aogositra, voatery ny Praiministra namoy ny andraikiny sy nangataka ny vahoaka hilaza ny heviny amin'ny maha-lanim-bahoaka na tsia ny governemantany.

ny fihetsiketsehan'ireo mpianatra tamin'ny 22 mai 2012 tao Montréal. Sary avy amin'i Justin Ling (CC-license- BY- 3.0)

Manazava ihany koa izy mikasika ny zava-baovaon’ity fifidianana ity :

Mba  hanakàrana ny lanjan'ity fifidianana atao anaty olana it, tsara ny mifankazatra amin'ireo endrika sasantsasan'ny politika ao Quebec. Ireo antoko rehetra mpandaàla ny fiandrianam-pirenena dia samy miteny amin'ny fomba ofisialy daholo ho  “sociaux-démocrates” ary manohana amin'ny dingana samihafa ny tolon'ireo mpianatra, raha toa kosa samy miaro ny ideolôjia liberalin'ny afovoany-ankavanana sy mikatona amin'ny fitakian'ny mpianatra ireo antoko federalista. Vokatr'izany dia misy fahabangàna ara-politika lalim-be ao Québec : Tsy mety ny hifidy ny ankavia nefa tsy hanohana ny idealin'ireo mpitaky fizakan-tena. Raha tsy horaisina ny tsy fisian'ny hamaroam-pijery ao amin'ireo antoko politika ao Quebec, olana iray hafa eo amin'ny rafitra ara-politikantsika ny fiparitadritahana misy eo amin'ny lanjan'ireo mpifidy miaina an-tanàn-dehibe manoloana ireo miaina any ambanivohitra. Amin'izay indrindra, ny kara-pifidianana tsy mandray anaty kajy ny fitomboan'isan'ireo mpifidy an-tanàn-dehibe dia manome vahana ireo faritra sasany miohatra amin'ny tanàn-dehibe.

Na eo aza io fomba fifidiana io, dia azo saintsainina ny hoe hitàna anjara toerana fototra amin'ny valim-pifidianana ireo mpianatra :

Raha ny mahazatra, efa fanaon'ireo tanora ao Quebec  ny manao fibodoana faobe rehefa fifidianana solombavambahoaka, saingy ny vaton'ireo eo anelanelan'ny 18-35 taona miisa roa tapitrisa, raha avadik'izy ireo ho any anaty vata fandatsaham-bato ny “printemps érable” an-dry zareo, dia mety hanova ny vokatry ny fifidianana amin'ny 4 septambra.[..] Naohatra aza hoe mety manana lanja lehibe, miaraka amin'ny hetsiky ny mpianatra, ny traikefa amin'ny maha-olom-pirenena an'ireo tanora ao Quebec nandritra ny fito volana farany, “firehana mavesatra” ny tranganà fibodoana ataon'ny tanora, hoy i Michel Venne, talen'ny Institut du nouveau monde (INM), manazava. “Efatra amin'ny folo ireo  Québécois no tsy mifidy intsony. Ny olana dia ny fifandanjan'isa mampiasa saina eo amin'ireo tanora. Anatinà fiarahamonina andalam-pahanterana iray, tena famonoan-tena ara-politika ho an'ny taranaka ho avy izany”, hoy ny fanehoan-keviny.

Ho antsy roalela ny lanjan'ny fitokonan'ny mpianatra amin'io fifidianana io. Amin'izany, marobe ireo ao Québéc no miombon-kevitra amin'ny filazàna fa tsy mitombina ny fitakian'ireo mpianatra. Gary Mason no manazava [en] :

They don’t know how lucky they have it. They have the lowest tuition fees in the country. Even with the proposed $1,625 tuition increase – which the government has now agreed to spread over seven years instead of five – Quebec students would still enjoy costs their counterparts in the rest of the country would kill for.

Tsy fantany (ireo mianatra) ny vintana ananan-dry zareo. Ry zareo no manana ny fandaniana farany ambany indrindra amin'ny fidirana an-tsekoly eto amin'ny firenena. Na dia eo aza ny fisondrotana $1,625 dolara amin'ny sarany – izay atolotry ny governemanta ho tohanana mandritra ny 7 taona fa tsy 5 taona – mbola ny mpianatra ao Québéc hatrany no hanana ny saram-pidirana an-tsekoly amnbany indrindra mitaha amin'ireo mpianatra hafa manerana ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.