Angola: Mandany Vola Be Any Portiogaly Ireo Angole Mpizaha Tany

Nandritra ny taona maro, niaina teo ambany alok'i Portiogaly i Angola, nefa niova ny zavatra rehetra ; ankehitriny ny vola avy any amin'ireo Angole mpizaha tany no mamahana ny vata fitehirizam-bolan'ireo tranombarotra mihaja any Portiogaly. Araka ny fanadihadian'ny Visa Europe, ‘Mediterranean Rim Tourism Monitor‘ na ‘Fanaraha-maso ny Fizahan-tany manodidina an'i Mediteraneana’ [.pdf], teo anelanelan'ny volana Janoary sy ny volana Aprily tamin'ity taona ity, dia nandany vola maherin'ny 87 tapitrisa euros tany Portiogaly ireo Angole mpizaha tany .

Tamin'ny 2011, nandany vola maherin'ny 59.6 tapitrisa euros ireo Angole mpizaha tany, izay nanatombo 30 tapitrisa euros izany ny taona 2012. Orlando Castro, Angole mpanao gazety sady mpanoratra ny bilaogy Alto Hama, dia manamafy [pt] na izany aza, tsy mifanaraka amin'ny tena zava-misy marina any Afrika izany, izay ny ankamaroan'ny olona any dia miaina ambanin'ny 100 euros isan'andro,

o perfil do povo angolano, que representa 70% da população, é pé descalço, barriga vazia, vive nos bairros de lata, é gerado com fome, nasce com fome e morre pouco depois com… fome.

Ny endrikendriky ny 70%-n'ireo mponina any Angola, dia tsy mikiraro, voky rivotra, miaina any amin'ny trano tsizarizary, dia àry tao anatin'ny hanoanana, teraka noana alohan'ny hahafatesany fotoana fohy aorian'izay… anatin'ny hanoanana hatrany.
Luanda: Poverty vs Development. Photo by mp3ief on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Loanda: Fahantrana vs Fandrosoana. Sary avy amin'i mp3ief amin'ny Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Araka ny fihevitr'i Orlando Castro, ny voalohany amin'ireo Angole mpizaha tany mandany vola any  Portiogaly dia “ireo lehilahy eo amin'ny efa-polo taona eo ho eo, mpandraharaha avy amin'ny orinasa mpanao trano, miaramila fahiny na olona manana fifandraisana amin'ny governemanta”.

Ireo Angole, izay mandrafitra ny 30% n'ny tsena mihaja Portioge, dia mandany vola manodidina ny 350 euros isaky ny zavatra iray vidiana. Hamafisin'i Orlando Castro izany, amin'ny fitenenana hoe :

É comum uma loja de luxo facturar, numa só venda, entre 50 e 100 mil euros, pagos por transferência bancária ou cartão de crédito.

Mahazatra ny tranombarotra mihaja ny mahafaty vola 50 ka hatramin'ny 100.000 euros isaky ny varotra iray, aloa amin'ny alalan'ny banky na ‘karatra fisintonam-bola’.

Ny fandanian'ireo Angole ka hatramin'ireo Mozambikana no isan'ireo tsy mitsaha-miakatra. Efa laharana faharoa sahady i Angola amin'ireo firenena mpividy be indrindra ny avy any Portiogaly .

Ny fanadihadian'ny Visa Europe  dia manasongadina ihany koa fa mahatratra 220 tapitrisa euros ny fisintonana vola teo anelanelan'ny Janoary sy Aprily 2012, ” ary saika ny sehatra rehetra no nahatsapana fiakarana tamin'ny fandaniana ataon'ny vahiny mpitsidika any Portiogaly”.

Tamin'ny voalohan'ny taona, nambaran’ny Filohan'ny Parlemanta Eoropeana, Martin Schulz  [pt] fa ny fampidirana ny renivola Angole dia mety ‘hampikororoso’ an'i Portiogaly, amin'ny fahafantarana fa ny vola avy any amin'ny fanjakana izay mampisalasala ny demokrasia ao aminy dia loza mananontanona ny demokrasia Portioge.

Naverin'i  [pt] Cisco António navoaka tamin'ny tranonkala  Cabinda Mpalapanda Civic Association ny tenin'i Martin Schulz  :

Izao no ho avin'i Portiogaly : ny fitotongànan'ny toe-karena, sy ny loza ara-tsosialy hahazo ny mponina raha tsy vitantsika ny mifehy ny toe-draharaha, ara-toe-karena ny resaka, ary ambonin'izany rehetra izany ny fahamarinan-toeran'ny demokrasia sy ny rafitra ara-toe-karenantsika, no hananantsika hery amin'ny fanehoan-kevitra ao anatin'ny Firaisambe Eoropeana.

Amin'ny Filohan'ny Parlemanta Eoropeana, dia tokony hitodika any aminà Firenena Eoropeana hafa i Portiogaly.  Kanefa, mandalo olana ara-toekarena ihany koa ny ankamaroan'ireo firenena ireo amin'izao fotoana izao, ka noho izany, mba ho andrana sy hivoahany amin'izao toe-draharaha izao, Portiogaly dia niodina tamin'ireo firenena izay heverina fa “nofinofy” ny fampiharana ny demokrasia, tahaka an'i Angola sy Shina.

Advert at Lisbon airport for an Angolan bank. Photo by Chiva Congelado no Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Doka ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Lisbon ho anà banky Angole iray. Sary avy amin'i Chiva Congelado ao amin'ny Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Amin'ny tranonkala Angole  Maka Angola, ilay Angole mpanao gazety  Rafael Marques de Morais dia manamarika fa [pt],

os grandes parceiros económicos de Angola, como a China, Brasil e Portugal têm alimentado, de forma directa, a corrupção, através de concessão de linhas de crédito por petróleo e acordos económicos bilaterais opacos.

Ireo mpiara-miasa goavana ara-toekarena amin'i Angola, toa an'i Shina,Brezila ary Portiogaly dia manao kolikoly ankolaka amin'ny fanekena làlam-bola ho an'ny solika sy koa fametrahana fifandraisana ara-barotra manjavozavo.

Na eo aza izany, mbola manohy ny fiaraha-miasa amin'i Angola ihany ny governemanta Portioge ; araka izay nolazain'i Rafel Marques de Morais,

tais comportamentos asseguram que pouco ou nada se altere em Angola, excepto o dinheiro envolvido que se torna cada vez mais apetecível.

Ny fandehanana amin'io làlana io dia mitondra aminà vokatra kely na tsy fisian'ny fiovana any Angola, afa-tsy ny vola tafiditra ao, izay hitombo be hanjary ho fakam-panahy .

Hamafisin'i [pt] Pegadas Luís Moreira ao amin'ny bilaoginy fa,

a pouco a pouco o dinheiro angolano vai dominando empresas e sectores económicos em Portugal, desde a banca, à comunicação social, aos sectores agrícolas do azeite e do vinho.

Hitantsika miandalana fa manomboka mahazo vahana amin'ny fandraharahana sy ny sehatra ara-toekarena any Portiogaly ny vola Angole, manomboka any amin'ny banky, ka hatrany amin'ny haino aman-jery, ny orinasa mpanao divay sy mpamokatra menaka fahandro.

Nisy lahatsoratra [pt] navoakan'ny Deutsche Welle tamin'ny faran'ny volana Jolay milaza fa ho an'ny Minisitra lefitra sady Minisitry ny Raharaha Parlemantera, Miguel Relvas, ny fifandraisana amin'i Angola dia  ” tsy  afa- misaraka, izany no mahatonga ny fiakaran'ny fampiasam-bola  Angole any Portiogaly”. Voarohirohy tamin'ny raharaha fanajanonana fandaharana iray tamin'ny radiom-panjakana tamin'ny Janoary 2012 ilay Minisitra, taorian'ny tantara iray - notaterin'ny Global Voices – nalefan'ilay fandaharana izay mitsikera ny fiankinan-dohan'ny haino aman-jery Portioge amin'ny vondrona ara-toekarena Angole.

Tsindrian'i [pt] Luís Moreira ao amin'ny bilaoginy Pegadas fa :

o grande problema de aceitarmos como sócios países não democráticos e sem estado de direito é que os novos sócios, rapidamente, olham para o nosso país como olham para o deles. Tudo se compra, não há limites à trafulhice, nem à ganância.

Ny olana lehibe ateraky ny fiaraha-miasa amin'ny firenena tsy mandala ny demokrasia sy tsy manara-dalàna, dia na iza na iza ireo mpikambana vaovao tafiditra ao dia manomboka mijery haingana an'i Portiogaly tahaka ny fijeriny ireny firenena tsy mandala ny demokrasia ireny. Amin'ny zavatra rehetra vidianao dia tsy manam-petra ny fanambakàna sy  ny fitiavan-kely.

Tamin'ny May 2011, Invest Lisbon, mpiara-miasa amin'ny AICEP (izay mamporisika ny fampiasam-bola vahiny any Portiogaly), dia nikarakara Fihaonana tany Loanda nikendrena hisintonana ireo Angole mpampiasa vola, vondrona mpandraharaha manokana izay afaka sy manana fivelarana hampiasa vola amin'ny sehatra iraisam-pirenena, miaraka amin'ny teny faneva ‘Lisbon is your capital of Europe’ na ‘Renivohitr'i Eoropa ho anareo i Lisbon‘[.pdf, pt].

Ao amin'ny bilaogy Maka Angola, dia nambara fa [pt],

entre o investimento legítimo e o branqueamento de capitais, Portugal contínua a ser o destino preferido dos ricos angolanos e a sua melhor lavandaria financeira.

amin'ny fampiasam-bola ara-dalàna sy famotsiam-bola, mbola isan'ny firenena fidian'ny Angole mpanan-karena i Portiogaly, sady toerana tsara ho azy ireo hanaovana famotsiam-bola.

Ny tranonkala Circulo Angolanos Intelectual (Faribolan'ireo Angole Manam-pahaizana ) dia manindry fa [pt]:

O novo-riquismo angolano em todo o seu esplendor, têm muito dinheiro e gastam muito dinheiro, todos viajam muito, por todo o mundo, compram palácios, mansões, não têm mãos a medir dado o seu incomensurável poder aquisitivo. É assim a vida dos mais ricos e mais abastados angolanos, continuam na rota do dinheiro indiferentes a pobreza da maior parte da população angolana. As desigualdades sociais em Angola, Luanda em particular, são enormes, aberrantes e absurdas para um país que ainda não se afirmou e tarda em encontrar-se

Amin'ireo Angole vaovao mpanakarena ireo, sady  manam-bola no mandany vola be ihany koa ireo olona ireo, mivezivezy betsaka eran'izao tontolo izao, mividy lapa sy trano fandraisam-bahiny manokana, tsy afaka manisa ireo vola be ireo amin'ny tànany ry zareo noho ny fahafaha-mividy midadasika ananan-dry zareo. Izany no fiainan'ireo  Angole mpanam-bola , manohy mitady làlam-bola ry zareo izay tsy miraharaha ny fahantrana mahazo ny ankamaroan'ny maro an'isa any Angola. Ny tsy fitoviana any Angola, indrindra ao Loanda, dia tena goavana, mamohehatra ho an'ny firenena izay mbola tsy matotra sy tsy mahalàla ny làlan-kizorany akory.

Portiogaly izany dia toerana tsy maintsy aleha ho an'ireo Angole mpanefoefo , izay mbola hanohy ny fametrahana fanamby amin'ny vola, tsy miraharaha izay olana ara-toekarena mandrava an'i Eoropa any.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.