Jery Todika Momba Ireo Nahazo ny Famatsiana Nandritra Ny Fihaonambe

Nahaliana olona maro avy amin'ireo firenena avy ao Afrika Atsinanana, i Oganda sy Kenya ilay fifaninanana famatsiam-bola madiniky ny Rising Voices 2012. Efa nanana traikefa tamin'ireo fanohanana tetikasa eran-tany ny Rising Voices teo aloha, ny tarika mpanao tantara an-tsehatra mpanintona olona, Repacted avy any Nakuru, Kenya dia iray amin'ireo voalohany notohanana tamin'ny 2007. Nanofana ny mpikambana anatin'ny fikambanan'izy ireo mikasika ny fampiasàna ny mediam-bahoaka hanehoana ny sangan'asan'izy ireo, izay mampiasa ny haikanto ho an'ireo ezaka fisorohana sy fanairana mikasika ny olana ara-pahasalamana tahaka ny VIH/SIDA sy ny raboka mihatra amin'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana. Afaka namerina ny fifandraisanay tamin'ny tetikasanay teo aloha izahay, rehefa nanao fisehoana ireo mpikambana ao anatin'ny Repacted nandritra ny Fivoriamben'ny Global Voices notontosaina tany Nairobi tamin'ny Jolay 2012.

Tariky ny Mpandihy ao amin'ny Repacted. Sary an'i Rezwan ary nampiasaina teo ambany ny CC BY-ND 2.0

Koa satria voalohany indrindra izao no nanatanterahana ny Fivoriambe tany amin'ny kaontinanta Afrikana, nanantena hahita fomba tsara kokoa ampandraisana anjara an'ireo mpandray anjara an-jatony izay tsy afaka novatsianay, nefa manana herijika tokoa amin'ny fanatanterahana ny tetikasany eo amin'ny mediam-bahoaka.

Voalohany indrindra amin'ny tantaran'ny Fivoriamben'ny GV, afaka nanolotra famatsiana amin'ny fampitsangatsanganana ireo mpandray anjara tanatin'ny fifaninanana famatsiam-bola madinika teo aloha zahay, anatin'izany ny fampisoratana maimaimpoana azy ireo. Nisokatra ho an'ireo mpandray anjara Kenyana sy Ogandey rehetra tao anatin'ny roa taona farany ity hetsika ity, ho an'ireo izay namoaka lahatsoratra fohy manazava ny antony hirarian'izy ireo hanatrika ny Fivoriambe sy ny fomba hahazoan'izy ireo tombontsoa avy amin'io hetsika io. Nitobaka indray ireo valinteny, nefa afaka nanome vatsy saran-dàlana dimy ho an'ireo olon-tsotra izay afaka nametraka ampahany amin'ny volavolanà tetikasa tena izy sahaniny izahay. Ireo nahazo izany famatsiana amin'ny saran-dàlana niatrehana ny Fivoriambe izany dia :

    • I Grace Atuhaire (Kampala, Ogandà) izay niara-niasa tamin'ny Earlylife Radio hamorona sehatra famporisihana ny fanaovan-gazetim-bahoaka ao anaty aterineto. Avy amin'ny alalan'ny fiaraha-miasan'izy ireo  tamin'ny Fikambanana Bavukuka, namorona media ‘hub’ ao anaty aterineto antsoina hoe “Read my Lips” izy ireo, izay mampiantrano ireo adihevitra ao anaty aterineto sy miresadresaka momba ireo olana ao amin'ny firenena sy any amin'ireo faritra.

 

    • I Wakibu Bunnya (Kampala, Oganda) dia niasa niaraka tamin'ny Tetikasa Women Vibes, izay ahitàna ny sehatra fanofanana ny mediam-bahoaka ho an'ireo vehivavy tanora 12 avy any amin'ireo ambany tanàna Bwaise any Kampala. Vao haingana ireo vehivavy ireo no nandray anjara tanatinà tetikasa fanofanana ny fanaovan-gazetim-bahoaka, izay nianaran'izy ireo ny fomba hitaterana sy hitantarana ny tantarany manokana amin'ny alalan'ny fampiasàna ny media nomerika.
  • Freddy Kamakei Sangiriaki (Narok, Kenya) dia niara-niasa tamin'ny tetikasa Peace an'ny Neighbour tao an-toerana, izay mikendry ny hampiasa sehatranà somaiso sy media sosialy mba hirotsahana anatin'ireo fanentanana fananganana ny fandriampahalemana.
  • Milton Aineruhanga (Kampala, Uganda) dia miara-miasa amin'ny Tambajotram-behivavy Ogandey (Wougnet), izay nanokatra ny foibe fanofanany tamin'ny Aprily 2012. Manome fahafahana hiditra aterineto ity foibe ity ho an'ireo mpikambana ao anatiny ary ho toerana fihaonana anatanterahina ireo atrikasa fanofanan ara-media dizitaly mitohitohy. Raha hijery raki-tsary iray momba io foibe fanofanana io, iangaviana ianao hitsidika ity raki-tsary ao anaty Facebook ity.
  • Thomas Bwire (Nairobi, Kenya) dia miasa miaraka aminà fikambanana ao an-toerana antsoina hoe Fikambanana Uweza Aid. Niara-niasa tamin'ny kilioba fanaovan-gazetin'ny tanora Uweza any Kibera ihany koa izy, izay manome atrikasa fanorenana amin'ny fikarohana, fanoratana, fakan-tsary; ary fitorahana bilaogy. Ny tetika amin'izany dia ny hamoronan'ireo tanora ny bilaoginy manokana (ho avy tsy ho ela), izay hanome azy ireo sehatra hahafahany maneho hevitra.

Nanatrika ireo andro rehetra nandritra ny Fivoriambe ireo nahazo ny famatsiana ireo, ary nanam-bitana hifanerasera amin'ireo mpikambana ao anatin'ny fianakaviamben'ny GV, sy ireo mpitoraka bilaogy hafa ihany koa manerana izao tontolo izao. Afaka nihaona tamin'ireo nahazo famatsiana hafa ihany koa izy ireo sy hahafantatra mikasika ny tetikasany. Nizara ny hevitr'izy ireo mikasika ny traikefany amin'ny mailaka na amin'ny alalan'ireo lahatsoratra ao anatin'ny bilaoginy manokana tamin'ny Rising Voices ireo nahazo ny famatsiana:

Wakibu Bunnya tany amin'ny Fihaonamben'ny GV. Sary an'i Bunnya.

Ohatra, i Wakibu avy any Kampala dia afaka nifandray tamin'ireo nahazo famatsiana hafa avy any Ogandà himinavina hetsika any aoriana. Nanoratra izy tanatinà mailaka ho an'ny RV:

Niresaka tamin'ny delegasiona Ogandey iray manontolo aho tamin'ny fihaonambe ary liana amin'ny fananganana hetsi-pirenena ho an'ireo mpitoraka bilaogy sy ireo mafana fo amin'ny mediam-bahoaka. Tianay atomboka amin'ny fanaovana fikarohana mikasika ireo hetsikanà mpitoraka bilaogy efa misy ao amin'ny firenena izany. Tsy hitsahatra hanome vaovao anareo izahay.

Hanohy hanara-maso ireo hetsika mikasika ny mediam-bahoaka any Kenya sy Ogandà izahay, ary manantena izahay fa ho lasa aingam-panahy hanampiana ny vondrom-piarahamonin'izy ireo any an-toerana hampiasa ny mediam-bahoaka ny traikefan'izy ireo tany amin'ny Fihaonamben'ny GV mba handraisan'izy ireo anjara anatin'ny resadresaka eran-tany.

1 hevitra

  • manomboka ny vaky lapelina!
    Mihamaro tokoa ireo firenena an-dalampandrosoana no tena miditra sy maka ny lalan’ny fandrosoana izany. Raha alaina ohatra i Brazily dia, maminavina ny filoha sy ny manampahaizana Braziliana fa ny 2017 dia ho lasa firenena matanjaka faha dimy eran-tany ny firenena Braziliana.

    Mamaly ary manahy izany vinavina izany ny tandrefana ary milaza fa mbola maro ny olona mahantra dia mahantra any Brazily. Voizina amin’ny heno aman-jery rehetra sy ankalazaina fatratra ny elanelana ara-tsosialy Tsy misy firenena iray eto an-tany anefa afaka milaza fa niara-nandroso sy nanakarena daholo ny olona an-tampitrisa ao aminy.

    Isany manaraka izany kabary fanakiviana izany ny Malagasy. Betsaka amin’ny malagasy mahantra no mihizingizina fa tsy maintsy hiverina foana ny fandrobana raha misy elanelana be ny mahantra sy manankarena.

    Maro amin’ny mpanao politika Malagasy no manao izay faran’ny ainy hanaraka ny fotokevitra tandrefana io, io fotokevitra izay avy amin’ny firenena nilaza efa tapitra ny fandrosoany ary mihemotra lava eo amin’ny laharana eran-tany.
    Toy izao izany filaharana izany amin’ny 2017
    izany hoe afaka dimy taona monja
    Voalohany ETATS UNIS
    Faharoa CHINE
    fahatelo JAPON
    fahaefatra ALLEMAGNE
    fahadimy Brazil

    Misy amin’ireo mpanao politika ireo dia maneho mazava fa tsy mila mifandray amin’ny tany hafa akoatry ny tany efa nahazatra nivarotany ny tanindrazany dia i FRANTSA izany. Ahoana anefa moa no ahafahan’ny tany mihemotra eo amin’ny lafiny ara-toe-karena mbola hanampy tany farany amin’ny mahantra . Anefa ny taniny aza mibata trosa maro dia maro. Tena feno fandanjalanjana (pragmatisme) tokoa ve izany fomba fihevitra izany.

    Taona maro lasa izay raha tsy lazaina hoe tamin’ny taonjato fa-20 na 1900 dia ireo mpanao politika ireo ihany no nilaza fa tsy misy lalana hafa afa tsy ny Banque mondiale sy FMI na hoe bailleurs de fonds. TSAROANA DIA TSAROANA NY FANENJEHANA NY Loharanom-bola hafa “FINANCEMENTS PARALLELES” izay lazaina fa naloto avy hatrany rehefa tsy avy amin’ny tandrefana. Tsaroana dia tsaroana koa ny filazan-ireo mpanao politika ireo ihany fa efa voazanaka ny Malagasy ka tsy afaka afa tsy ny manaraka io lalana tokana io.

    ANKEHITRINY ANEFA MARO IREO FIRENENA AN-DALAMPANDROSOANA NO TENA EO AMIN’NY LALAN’NY FANDROSOANA!

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.