Tonizia: Miatrika Fitsarana Miaramila Ny Mpanolotsaina Fahinin'ny Filoha Noho Ny Fanakianan'ny Tafika

Niatrika fitsarana miaramila i Ayoub Massoudi, mpanolotsaina fahiny ny Filoha Toniziana Moncef Marzouki, noho ny fanambaràny momba ny Praiminisitra Libiana teo aloha, Baghdadi Mahmoudi (fony Gaddafi).

Noho ny tahotra ny tsy hahazoan'i Mahmoudi fitsarana tsy mitanila any Libya, nolavin'ny filoha Moncef Marzouki ny fangatahana hampodiana azy. Kanefa, nalefan'ny governemanta tarihan'i Praiminisitra Hamadi Jebali nody i Mahmoudi tamin'ny 24 Jona 2012, tsy nisy fampilazana natao tamin'ny filoha izay nanao fitsidihana tany atsimon'i Tonizia tamin'io andro io, narahan'i Rachid Ammar [Mpitarika ambony ao amin'ny tafika mitam-piadiana Toniziana] ary i Abdelkrim Zbidi [Minisitry ny Fiarovana]

Tanaty resadresaka iray tao amin'ny fahitalavitra, tamin'ny 15 Jolay, ary nalefan'ny fantsom-pahitalavitra tsy miankina Attounisia TV, nofaritan'i Massoudi ho ‘famadihana ny fitondrana’ ny dingana narahana tamin'ilay fampodiana, satriai Ammar sy Zbidi izay “efa samy nahafantatra momba ilay fampodiana, tamin'io fotoana io, sy ny mombamomba azy rehetra… dia tsy nisy niteny na indraim-bava aza, ary tsy nampahafantatra ny filoha izay Filoha Ambonin'ny Tafika.”

"Freedom to Ayaoub Massoudi" "the military is not a red line" photo via Nawaat.org

“Fahafahana ho an'i Ayaoub Massoudi” “tsy tsipika mena akory ny tafika”  sary avy amin'ny Nawaat.org

Taorian'ny fitarainana iray nataon'ny Jeneraly Rachid Ammar momba azy, Ayoub Massoudi dia niatrika fiampangàna ho “manohintohina ny haja sy ny voninahitry ary ny maoralin'ny tafika” sady “miampanga tsy misy porofo ireo mpiasam-panjakana”

#FreeAyoub

Na dia tsy any ambadiky ny fefy vy aza i Ayoub, dia noraràna kosa izy tsy ho afaka mivezivezy ivelan'ny firenena. Ny 16 Aogositra, nosakanan'ireo manampahefana tao amin'ny seranam-piaramanidina tao amin'ny Tunis Carthage Airport izy tsy hiondrana tanaty fiaramanidina hamonjy ny fianakaviany any Paris.

Chayma Mehdi mibitsika hoe [fr]:

#AyoubMassouadi n'a pas été arrêté certes, n’empêche #FreeAyoub. Parce-qu’on est censé être libre de quitté ou non notre pays..

Tsy nofonjaina na dia izany aza i Ayoub Massoudi. Kanefa, #AvotsoryAyoub #FreeAyoub, satria malalaka isika  hisafidy handao na tsia ny firenentsika.

Malek Khadhraoui, talen'ny fanontàna ao amin'ny Nawaat.org, mitatitra hoe [fr] :

Ayoub Massoudi n'a reçu aucune notification au sujet de la plainte déposée contre lui par l'armée

Tsy nahazo taratasy fampilazana azy momba ny fitoriana nataon'ny tafika i Ayoub Massoudi.

“Famadihana ny Fanjakana” tsy “Famadihana Tanindrazana

Ny bilaogy ifanotronana, nahazo loka fankasitrahana,  Nawaat.org dia nahazo dika mitovin'ny fijoroana vavolombelona nataon'ny Jeneraly Ammar momba ny raharahan'i Massoudi.  Ramzi Bettibi (atao koa hoe Winston Smith) mitatitra hoe [ar] :

يعترف الفريق أوّل رشيد عمّار أثناء إستجوابه في صدر شهادته أنّه كان على علم بقرار تسليم البغدادي المحمودي و أنّه لم يُبلغ بذلك رئيس الجمهوريّة.من جهة أخرى يظهر جليّا الخطأ الذي وقع فيه المُشتكي… إذ يزعم الجنرال عمّار الجنرال عمّار أنّه وُجّهت له تهمة “الخيانة العظمى” في حين أنّ المسعودي وجّه ولوزير الدفاع قبله تهمة “خيانة دولة”.
Nandritra ny fakàna am-bavny, niaiki ny Jeneraly Rachid Ammar tao anatin'ny fijoroany vavolombelona fa nahafantatra tokoa mikasika ilay fanapahan-kevitra hampody an'i Baghdadi Mahmoudi, ary tsy nampahafantatra ny Filoha. Tetsy ankilany, nivandravandra be ny hadisoana nataon'ireo mpitaraina…Nitaraina ny Jen. Ammar fa hoe nampangain’ [i Massoudi nandritra ilay tafatafa tao amin'ny fahitalavitra] ho “namadika tanindrazana”,  raha i Massoudi etsy andaniny miampanga azy sy ny Minisitry ny Fiarovana ho “namadika n y Fanjakana”

Bettibi manampy hoe :

محضر تأدية شهادة الجنرال رشيد عمّار باطل قانونا حسب مُحامي الدفاع نظرا لعدم تأديته القَسم قبل الإدلاء بشهادته، فهل مُنع المستشار السابق في رئاسة الجمهورية أيّوب المسعودي من السفر و الإلتحاق بعائلته في فرنسا أثناء عيد الفطر بسبب إجراء باطلٍ قانوناً ؟
Araka ny lazain'ny mpisolovva iray, tsy manan-kery araka ny lalàna ny fijoroana vavolombelona nataon'ny Jen. Rachid Ammar  satria izy tsy nanao fianianana talohan'ny nanaovany izany. Nosakanana tsy hiaraka hankalaza ny Eid tamin'ny fianakaviany tany Frantsa noho ny dingana ara-pitsarana tsy manan-kery ve izany  i Ayoub Massoudi, ilay mpanolotsaina teo aloha ny filoham-pirenena ?

Hitohy amin'ny herinandro ny fitsaràna

Protest staged outside the Tunis Military Court in support of Massoudi. Photo via Nawaat.

Mpanao hetsi-panoherana nijoro teo ivelan'ny Fitsarana Miaramila tao Tunis ho fanohanana an'i Massoudi. Sary avy amin'ny  Nawaat.

Ny 22 Aogositra no natao ny fihainoana fanindroany mikasika ny raharaha Massoudi ao amin'ny Fitsarana Miaramila Maharitra ao Tunis. Hitohy amin'ny 30 Aogositra ny fitsaràna. Nawaat mitatitra [fr] ao amin'ny pejy Facebook-ny :

#freeayoub La deuxième audition de Ayoub Massoudi vient de s'achever. Le juge d'instruction militaire a décidé d'une 3e audition le 30 août 2012. Ayoub Massoudi y comparaîtra libre mais demeure sous le coup de l'interdiction de voyager

Vao avy nifarana indrindra ny fihainoana fanindroany an'i Ayoub Massoudi. Ny mpitsara mpanao famotorana dia nanondro ny 30 Aogositra 2012 ho fihainoana fanintelony. Ho olona afaka hiseho eo anoloan'ny fitsaràna i Massoudi saingy mbola mizaka hatrany ny fanakanana azy tsy hahazo mivezivezy ivelan'ny firenena

Ny fametraham-pialàn'i Ayoub Massoudi

Ilaina ny manamarika fa nametra-pialàna i Ayoub Massoudi tamin'ny 28 Jona, taorian'ny naha-mpanolotsaina azy tamin'ny lafiny serasera ny Filoha Marzouki nandritra ny folo volana. Ilay fanapahan-kevitra dia noraisiny ho fanoherana ny lazain'i Massoudi ho “fanilikilihana” azy amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra ataon'ny kabinetran'ny filoha.

Nambarany tao anatin'ny bilaoginy ny fametraham-pialàany, tanaty lahatsoratra [fr] iray mitondra  ny lohateny hoe “Malalaka ihany aho nony farany” (Free at last). Hoy izy nanoratra :

C'est en toute liberté et sans aucune contrainte ou pression que j'annonce cette démission, motivée par le respect immense que je voue à la Révolution tunisienne, aux martyrs, à l'Etat, aux tunisiens et à tous les contribuables qui payent mon salaire pour un métier que je n'exerce pas dans les faits. Pourtant, dieu sait combien j'ai essayé.

Nentanin'ny  fanajàko fatratra ny Revolisiona Toniziana, ny Fanjakana, ny Toniziana ary ny mpandoa hetra rehetra izay mandoa ny karamako noho ny asa izay tsy efako akory, dia ambarako ny fametrahako fialàna, amin-kalalahana tanteraka, ary tsy nisy teritery na tsindry. Na izany aza, Andriamanitra mahalala hoe impiry aho no efa nanandrana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.