Ejipta: Mamantatra Ny Antony Nanalàn'i Morsi Ireo Jeneraly Mpitari-Tafika

Niteraka fihetseham-po isan-karazany ny fanapahan-kevitr'i Mohammed Morsi vao haingana raha nofaranana ny asan’i Mohamed Hussein Tantawi, Filohan’ny Filan-kevitra Faratampon'ny Tafika (SCAF) sy i Sami Anan, Lehiben’ny Tafika Ejipsiana. Namoaka fanambaran-dalàmpanorenena vaovao ihany koa ny filoha izay manamafy ny fahefany.

Tamin'ny voalohany, noheverina ho malemy sy miady saina eo anelanelan'ny Mpirahalahy Miozolomana sy ny Filan-kevitra Faratampon'ny Tafika (SCAF) i Morsi saingy nanome lanja azy sy nampiarina ny voninahiny ny fanapahan-kevitra nataony farany teo.

Pikantsary tamin’ny fahitalavitra, mampiseho an’i Mohamed Morsi afovoan’ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny tafika Ejipsiana nandritra ny andro nanokanana azy ho filoha. Sary avy amin’i Zeinab Mohamed tao amin’ny Flickr(CC BY-NC-SA 2.0)

 

Mpanao gazety monina ao Kairo, Bel Trew sanganehana tamin’ny fihetsik'i Morsi:

‏@Beltrew: Misy olona afaka manala ahy amin’ny fahoriako sy manazava ahy ny fomba nahafahan'i #Morsi manao izay nataony androany sy ny dikany ary ny hevitry ny SCAF amin’izany ve. Misy?

Miverina indray ny Revolisiona

Mpandraharaha  Ahmed Reza misento tamin’ny tweet hoe:

@ByRedz: Ny eeeeeeeh lava indrindra nataoko tamin’ny fiainako! #Morsy #مرسي

Mpikatroka fanta-daza Wael Ghonim ni-tweet hoe:

‏@Ghonim: setrin'ny mpanadihady tandrefana mihevitra fa tsy revolisiona ny #Jan25 fa fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila ny fanapahan-kevitr'i #Morsi farany.

Mpanao gazety Al Jazeera anglisy monina ao Kairo Rawya Rageh nanampy tamim-bazivazy hoe:

‏@RawyaRageh: Niaritra tsy hilaza azy ity hatry ny omaly.. saingy tsy aritro intsony. #Morsi amin'i Ejipsiana — “Iza no dadanareo izao?”

Ejipta Tratran'ny Fanasilamoana?

Sariitatr'i Carlos Latuff ahitana an'i Mohamed Morsi mamaky boky mitondra ny lohateny hoe , “Ny fomba nahazoan'i Erdogan ny fahefana” tamin'ny fotoana nandroahana an'i Mohamed Hussein Tantawi tizay ka izany no nanarahany ny dian'i Erdogan izay vao nandroaka jeneraly roapolo herinandro mialoha.

Nihevitra ny sasany fa fihetsika hikendrena ny hanangonana fahefana bebe kokoa ho eo am-pelatanan'ny Mpirahalahy Miozolomana iny. Nanoratra ny bilaogera Zeinab Mohamed :

Mazava loatra fa tsy manaiky izany ny ekipa iray ary mihevitra fa daka ataon'ny sivily amin'ny miaramila Fanombohan'ny tetika hanaovana ny tafika sy ny Fitondrana ho eo ambany saokan'ny Mpirahalahy Miozolomana sy fiarahan'ny Fanjakana amin'i [Etazonia] Firenena maro hafa te-hamotika mandrakizay ny tafika.

Nisioka ny bilaogera sady mpamakafaka momba ny faritra Afovoany Atsinanana Nervana Mahmoud:

‏@Nervana_1: Adinoy i Tantawi sy i Annan … Tsy daka moramora io, fa fanambarana fitondrana Islamika. #Morsi #Egypt

Misioka ny Twitterati Gigi Ibrahim:

‏@Gsquare86: Mazava tahaka ny vato kristaly fa tokana ihany ny tanjon'ny mpitantam-panjakana, fahefana. Ataony avokoa ny zava-drehetra hamikirany amin'izany, mandrombaka azy, mampitombo ny ambaindainy #Egypt #Morsi

Daka Ahoana?

Misalasala amin'ny fahombiazan'ny hetsika kosa ny hafa. Misioka i Mohamed El Hebeishy:

‏@Hebeishy: Tsy fandroahana io..tsy misy fifandraisany na dia lavitra amin'ny fandroahana velively io..fivoahana milamina entina hanodikodinana ny sain'ny olona hatrany io #Morsi #Egypt

Tsy afa-po tamin'ny fanapahan-kevitr'i Morsi ny mpanao gazety Jano Charbel:

@JanoCharbel: Tsy hahandry ny hetsi-panoherana hotontosaina ny #Aug24 [24 aogositra] hanoherana an'i  #Morsi & #Brotherhood [mpirahalahy] noho ny tsy fahaizany, ny laingany, ny sivana ary ny famelana ny helok'ireo jeneraly mpamono olona!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.