Thailand: Mandiso Fanantenana Ny Mpankafy Ny Faharesena Tamin'ny Ady Totohondry Olaimpika

Fahadisoam-panantenana ho an'i Thailand ny Lalao Olaimpika 2012 tao Londona. Hatramin'ny 1996, nahazo medaly volamena iray raha kely indrindra amin'ny lalao Olaimpika ilay firenena Aziatika tatsimo. Tamin'ity taona ity, volafotsy roa sy alimo iray no azon'i Thailand.

Raha ampitahaina amin'ireo mpifanolo-bodirindrina aminy, na izany aza, dia nanao tsara ihany i Thailand. Indonezia sy Malezia,  ny iray nahazo volafotsy, ny iray nahazo alimo, raha i Singapore kosa nahavita naka medaly alimo roa. Ny hafa nadao ny lalao tamin'ny tanàm-polo.

Sirikaew Pimsiri, fantatra any an-toerana amin'ny hoe “Nong Taew,” no nandrandraina hahazo medaly tany amin'ny Lalao Olaimpika. Volafotsy iray azo tamin'ny fifaninanan'ireo vehivavy  (58kg) no nentiny nody. Teratany iray avy ao amin'ny faritanin'i Khon Kaen, nitondra rehareha sy laza ho an'ny tany niaviany izy izay niteraka mihitsy resaka mikasika ny hanomezana ny anarany ho an'ny làlana iray ao an-toerana. Tamin'ny fiverenany an-tanindrazana dia notolorana ihany koa ny maripankasitrahana ‘Ny Zanakavavy Tena Mamaly Babena’ izy tamin'ny Andro natokana ho an'ny Reny, avy amin'nireo manampahefan'ny faritra.

Chanatip Sonkham, na “Nong Lek,” dia nahazo alimo tamin'ny taekwondo sokajy vehivavy (49 kg.). Nong Lek no nitarika tamin'ny manasa-dàlana, saingy solafaka an-dàlana tsy tonga tany amin'ny farany sy nitarika ny fahareseny. Na izany aza anefa dia mbola nantsoina ihany hoe “mahery fo” izy ary koa nilatro nanerana ny tanàna nahabe azy, Pattalung, rehefa tafaverina avy any Londona.

Kaeo Pongprayoon. Thai mpanao ady totohondry. Sary avy amin'ny Wikipedia.

Ny nahazo medaly nefa nahatonga resabe indrindra tamin'izy rehetra dia ny tamin'ny ady totohondry ‘poids plume’ sokajy lehilahy, Kaeo Pongprayoon, izay nahazo medaly volafotsy. Ny faharesen'i Kaeo dia zava-nahagaga ho an'ny ankamaroan'ireo Thai mpankafy, izay tsy nino ny filazana fa ilay mpanao boxe Thai no resy tamin'ilay fifanandrinana. Zou, 31 taona, niaro ny anaram-boninahitra azony tany Beijing efatra taona lasa izay, nefa izy no nandresy tamin'ny lalao famaranana tamin'ity taona ity, narahana fanapahan-kevitra nahabe resaka. Na ireo vahoaka be tao amin'ny ExCel Arena tao Londona aza dia nitsipaka ilay vokatra farany raha i Kaeo kosa nitomany teny ambony ringa, araka ny tatitra iray nataon'ny Bangkok Post.

Vara-datsaka ho an'ireo Thai mpikirakira aterineto ilay faharesena, izy ireo izay niditra taminà famoaham-baovao samihafa mba hanely ny sorisorin-tsainy sy ny tsy finoany.

“Fantatro ny anton'ny nitomanian'i Kaeo… Nahita azy iny aho ary mba nitomany koa. Tezitra mafy aho,” hoy Jeb Jai Wah tomponandrikitra ao amin'ny tranonkalan'ny Sanook Sport.

Nitondra ny hafany tety anaty aterineto ireo mpankafy feno hatezerana. Nivoaka tamin'ny teny Anglisy tao amin'ny www.keelamun.com ity saribe ity :

“Isaorana betsaka ianareo nanao izay hahavaky fo azy, ‘Kaeo Ponprayoon,’ ilay lehilahy nanolotra ny aminy manontolo ho an'ny ady totohondry. 10 taona no niandrasany iny vintana iny mba hahatō ny nofinofiny, nefa tao anaty fifanandrinana 9 mn no namotehanareo azy. Ny tsirairay mahafantatra fa izy no nandresy tamin'io ady io. Saingy tsia, tsy ianareo, ianareo AIBA nanao azy ho ilay resy. Tena tsy mendrika ianareo. Ianareo AIBA no nanimba tsotra izao ny fanajàna sy ny fanahin'ny ady totohondry” avy amin'ireo Mpankafy Ady Totohondry

Na teo aza ireo vokatra rehetra nandiso fanantenana, mbola toloran'ny vahoaka sy ireo mpampahalala vaovao  hoby ihany ireo Thai Olaimpiana  noho  ny ‘hetsika be herin-po’ nataony ho an'ny firenena. Na izany na tsy izany, ny lalao Olaimpika, eo imason'ny rehetra dia resaka fandavan-tena, filofosana sy asa mafy. Namtetika araka izany ireo Olaimpiana no aderaderan'ireo manampahefam-panjakana ho toy ny ohatra fakàn-tahaka.

Ankoatr'ireo tehaka fihobiana sy ny fihimpihina, voatondraky ny fankasitrahana ara-bola ihany koa ireo nahazo medaly, fanomezana avy amin'ny tsy miankina no betsaka tamin'izany. Nong Taew dia nandray teo amin'ny 15 tapitrisa baht ($500,000). Kaeo mihevitra ny handray 24 tapitrisa baht ($800,000) raha kely indrindra, no sady nakarin'ny lehiben'ny tafika ho amin'ny laharana lietnà lefitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.