Sénégal : « SunuCause », Tranonkalan'ny Maha-Olona

Ao amin'ny tranonkala SunuCause [Ny Tolonay amin'ny teny Wolof] dia izao no vakiantsika :

Ilay andianà Senegaly bilaogera izay namorona ny #sunu2012 mba handrakotra ny fifidianana filoham-pirenena natao ny Febroary 2012 tamin'ny alàlan'ireo tambajotra sosialy, dia nirotsaka nandray anjara aminà asa fanehoam-piraisankina, tamin'ny fananganana ny SunuCause.

Ny tanjona dia ny hanaitra ny sain'ireo mpikirakira aterineto amin'ireo olan'ny fiarahamonina ka hanangonana vola amin'ny alàlan'ny fanaovana antso ao amin'ny Facebook sy Twitter.

Manome antsika misimisy kokoa momba izany ny bilaogy E-Goo Média, Nahoana no #Sunucause ? :

#SunuCause dia tafiditra anatin'ny hetsika sosialy, amin'ny maha-olona sy avy amin'olon-tsotra, izay ny mampiavaka azy manokana dia miainga ety anaty tranonkala daholo ny hetsika sy ny fitaovana rehetra. … tsy afaka hanantena foana ny Fanjakana hitondra ny zavatra rehetra isika satria miaraka aminà fahavononana kely monja dia afaka manao zavatra betsaka ny olom-pirenena manolo-tena sy mahatsiaro tena.

Nifamory momba azy io ireo Senegaly Twittos (mpibitsika twitter) izay mampiasa ny tenifototra #Kebetu [midika hoe Fimonomononana amin'ny teny Wolof] ao amin'ny  Twitter araka ny soratan'i Wareef ao amin'ny lahatsorany Sunucause : Ny hetsika amin'ny maha-olona ataon'ny tontolon'ny Twitter Senegaly(fr) :

Nihetsika ny tontolon'ny Twitter Senegaly … tao Dakar nandritra ny andiany faharoa amin'ny  Sunutweetup [ ny “tweetup”-nay amin'ny teny Wolof ] ho fanombohana tetikasa iray vaovao antsoina hoe « Sunucause »

Taorian'ny fanolorana nataon'ireo Twittos tsirairay, …dia nanazava ilay bilaogera, Amy Jeanne, fa efa miodina ilay tetikasa satria efa nisy andianà bilaogera nanomboka ny asa sahady. Izay ny amin'iny, « sunucause dia tetikasa iray misokatra amin'ny rehetra, afaka mandray anjara ao daholo ny rehetra » hoy i Pape Ousmane manohy.

Koa satria efa miainga ilay sehatra, dia efa nahafaritra hetsika iray sahady ireo bilaogera. Momba ny « zaza iray antsoina hoe Mame Thierno [ 5 volana amin'izao fotoana] izay teraka tsy misy hodi-maso, sy manana hoditra mikainkona toy ny androngo, rakotra kira. Na andro na alina, ireo nahitany masoandro dia tsy maintsy manosotra azy “crème hydratante” izay mitentina 7 000 F CFA ny iray hanalefaka ny hodiny [eo amin'ny 10 euros]. Ilay ankohonana, izay tena tsy manan-katokona mihitsy, dia manao antso amin'ireo tsara sitra-po. »

Ao anatin'ny Hetsika amin'ny maha-olona ataon'ireo Senegaly twittos : Tsy maintsy avotana ilay zaza Mame Thierno, milaza amintsika i Basile hoe :

Efa nisy ny andiany voalohany tamin'ilay “pommade hydratante” natolotra azy mandra-piandry ny handraisana ireo fanampiana bebe kokoa avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny mpikirakira aterineto.

Ary tohizany hoe :

« Mandefa antso noho ny maha-olona izahay ho an'ny tsirairay mba hanangonana vola bebe ihany hahafahana mividy pommade misimisy kokoa hanampiana an'i Mame Thierno ho afaka hiaina tsaratsara kokoa, mandra-pahita izay fomba azo atao handefasana azy any Eoropa hanaraka fitsaboana lafatra kokoa, hanasitranana ity zaza dongadonga ity mba ho fifalian'ny ray sy reniny. »

Wareef hatrany, ao amin'ny Sunucause : Ny hetsika amin'ny maha-olona ataon'ny tontolon'ny Twitter Senegaly :

Ny asan'ireo bilaogera sy twittos mpirotsaka an-tsitrapo izao dia ny manentana ireo mpikirakira aterineto manerana ireo tambajotra rehetra mba hamaha olana sosialy iray.

Ny 15 Aogositra 2012, mpikambana vitsy avy amin'ilay vondrona no tonga nitsidika fanindroany ny ankohonan'i Mame Thierno ary nampakatra saripika ao amin'ny  Twitter, izay azo jerena eto na ato.

Ny 16 Aogositra ry zareo dia nampiseho T-Shirts noforonina ho famatsiana ara-bola ity hetsika ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.